Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny COVID-19 sy ny tempoly
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Ny COVID-19 sy ny tempoly

Hazony tsara ao an-tsainareo sy ao am-ponareo ireo fanekempihavanana sy tsodranon’ny tempoly. Mijanòna ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataonareo.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, tena nivoky ara-panahy tokoa isika tamin’ity fihaonambe ity. Feno fankasitrahana aho noho ireo vavaka sy hafatra ary hira nandritra ity fihaonambe manontolo ity. Misaotra ny tsirairay aminareo miaraka aminay, na aiza na aiza misy anareo.

Tamin’ny voalohan-dohan’ny taon-dasa, noho ny valanaretina COVID-19 sy ny faniriana mba ho olom-pirenena vanona maneran-tany, dia nandray ny fanapahan-kevitra sarotra izahay ny hanakatona amin’ny fotoana voafetra ny tempoly rehetra. Nandritra ireo volana taorian’izay dia nentanim-panahy izahay ny tokony hanokafana tsikelikely indray ireo tempoly, ka tena itandremana tsara ny fomba anaovana izany. Amin’izao ireo tempoly dia eo an-dalam-pisokafana ao anatin’ny dingana efatra, izay mifanaraka tanteraka amin’ireo fepetra sy lamina fiarovana apetrak’ireo fitondram-panjakana ao an-toerana.

Ho an’ireo tempoly ao amin’ny dingana 1, ireo mpivady mahafeno fepetra izay efa nandray ny fanafiana masina azy ireo manokana tany aloha dia azo fehezina ho mpivady.

Ho an’ireo tempoly ao amin’ny dingana 2, azo tanterahina avokoa ireo ôrdônansy rehetra ho an’ny velona, ahitana ny fanafiana masina ho an’ny tena, ny famehezana ny mpivady, ary ny famehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreny. Nanampy toromarika ho an’ny dingana 2 izahay vao tsy ela, ka ny zatovo sy ny mpikambana vaovao ary ny hafa izay manana fahazoan-dalana voafetra dia afaka mandray anjara amin’ny batisa isoloana tena ho an’ny razambeny.

Ho an’ireo tempoly ao amin’ny dingana 3, ireo izay efa namandrika fotoana dia afaka mandray anjara tsy amin’ireo ôrdônansy ho an’ny velona ihany fa ireo ôrdônansy isoloana tena rehetra ho an’ny razambe efa maty ihany koa.

Ny dingana 4 dia fiverenana feno amin’ny zavatra rehetra fanao any amin’ny tempoly.

Feno fankasitrahana izahay noho ny faharetanareo sy ny asa fanompoana feno fanolorantena ataonareo mandritra izao fotoana feno fanovana sy fanamby izao. Mivavaka aho mba hiredareda mafy mihoatra noho ny hatramin’izay ny fanirianareo hitsaoka sy hanompo any amin’ny tempoly amin’izao.

Mety hanontany tena ianareo hoe oviana no afaka hiverina any amin’ny tempoly indray? Valiny: Hisokatra indray ny tempoly misy anareo rehefa mamela izany ireo fepetra napetraky ny fitondram-panjakana any an-toerana. Rehefa azo lazaina fa mihatsara ny toe-draharaha mahakasika ny COVID-19 ao amin’ny faritra misy anao dia hisokatra indray ny tempolinareo. Ataovy izay rehetra azonareo atao mba hampihena ireo tarehimarika mahakasika ny COVID ao amin’ny faritra misy anareo mba hitomboan’ny fahafahana mitsaoka any amin’ny tempoly.

Eo am-panaovana izany dia hazony tsara ao an-tsainareo sy ao am-ponareo ireo fanekempihavanana sy tsodranon’ny tempoly. Mijanòna ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataonareo.

Manorina ny hoavy isika ankehitriny! Iraika amby efapolo amin’izao ny isan’ny tempoly eo an-dalam-panamboarana na eo an-dalam-panavaozana. Tamin’ny herintaona fotsiny, na dia teo aza ny valanaretina, dia nanao fihadiana fototra ho an’ny tempoly vaovao miisa 21 isika!

Te hitondra ny tranon’ny Tompo akaiky kokoa hatrany ny mpikambana ato amintsika izahay, mba ahazoan’izy ireo ny tombontsoa masina ny handeha any amin’ny tempoly matetika araka izay tratran’izy ireo.

Eto am-panambarako ny drafitray hanorina tempoly miisa 20 dia misaintsaina sy midera ireo mpamaky lay aho, ireo taloha sy ankehitriny, izay nanokana ny fiainan’izy ireo mba hahatanteraka izao tantara izao ankehitriny. Hisy tempoly vaovao haorina amin’ireto toerana manaraka ireto: Oslo, Norvège; Bruxelles, Belgique; Vienne, Autriche; Kumasi, Ghana; Beira, Mozambique; Le Cap, Afrika Atsimo; Singapour, Repoblilkan’i Singapour; Belo Horizonte, Brésil; Cali, Colombie; Querétaro, Mexique; Torreón, Mexique; Helena, Montana; Casper, Wyoming; Grand Junction, Colorado; Farmington, Nouveau-Mexique; Burley, Idaho; Eugene, Oregon; Elko, Nevada; Yorba Linda, Californie; ary Smithfield, Utah.

Ny tempoly dia mitana anjara toerana lehibe ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fahafenoany. Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia mameno ny fiainantsika amin’ny hery sy tanjaka izay tsy azo amin’ny fomba hafa. Isaorana anie Andriamanitra noho ireo fitahiana ireo.

Eto am-pamaranana ity fihaonambe ity dia maneho aminareo indray ny fitiavanay anareo izahay. Mivavaka izahay ny mba hirotsahan’ny fitahiana sy ny fitsinjovan’ Andriamanitra aminareo tsirairay avy. Miara-milofo amin’ny asa fanompoany masina isika. ‘Ndao handroso hatrany amin’ny herim-po hanao ny asa feno voninahitry ny Tompo! Izany no vavaka ataoko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.