Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Hitsodrano amin’ny anarany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Hitsodrano amin’ny anarany

Ny tanjon’ny fandraisantsika ny fisoronana dia ny hahafahantsika misolo tena ny Tompo amin’ny fitahiana ny olona sy manao izany amin’ny anarany.

Ry rahalahiko malala, mpiara-manompo ao amin’ny fisoronan’ Andriamanitra, voninahitra ho ahy ny miresaka aminareo eto anio alina. Manaja sy mankasitraka lalina anareo aho. Rehefa miresaka aminareo aho sy mandre ny amin’ny finoana lehibe anananareo, dia mino aho fa misy herin’ny fisoronana tsy mitsaha-mitombo eo amin’izao tontolo izao, kôlejin’ny fisoronana izay mihamahery hatrany ary mpihazona ny fisoronana mihamahatoky hatrany.

Mandritra ny fotoana ananako amin’izao takariva izao aho dia hiteny aminareo izay mbola te hahomby kokoa amin’ny fanompoany ao amin’ny fisoronana. Fantatrareo ny didy izay mandidy anareo mba hilofo amin’ny fanompoana ao amin’ny antso anananareo.1 Saingy mety manontany tena ianareo ny amin’ny dikan’izany filofosana amin’ny antso izany aminareo.

Hatomboko amin’ireo diakona vaovao satria izy ireo no mety hahatsapa tena ho tsy dia mahalala indrindra ny mety ho dikan’izany hoe milofo amin’ny fanompoan’izy ireo ao amin’ny fisoronana izany. Mety te hihaino ihany koa ireo loholona vao natokana. Ary mety ho liana ihany koa ny eveka vao herinandro am-perinasa.

Mianatra zavatra maro aho rehefa mahatsiaro ireo fotoana naha-diakona ahy. Mba niriako raha nisy olona nilaza tamiko tamin’izany ny zavatra izay harosoko eto anio. Mety ho afaka nanampy ahy tamin’ireo andraikitra rehetra izay noraisiko tao amin’ny fisoronana izany, eny fa na dia ireo izay voaraiko amin’izao ankehitriny izao aza.

Notendrena ho diakona tao amina sampana kely dia kely iray aho hany ka izaho irery no diakona tao ary i Ted rahalahiko no hany mpampianatra. Izahay irery no hany fianakaviana tao amin’ilay sampana. Nivory tao an-tranonay ny sampana iray manontolo. Mpikambana vao niova fo vao avy nandray ny fisoronana no mpitarika ahy sy ny rahalahiko tao amin’ny fisoronana. Neritreretiko tamin’izany fa ny mizara ny fanasan’ny Tompo tao amin’ny efitrano fisakafoananay no hany andraikitro tao amin’ny fisoronana.

Rehefa nifindra tany Utah ny fianakaviako dia tonga tao amina paroasy lehibe nahitana diakona maro be aho. Tamin’ny fotoana voalohany nanatrehako ny fanasan’ny Tompo dia nodinihiko ireo diakona, izay mitovy amin’ny miaramila ny fijeriko azy, mivezivezy manaraka lamina mirindra rehefa mizara ny fanasan’ny Tompo, toy ireny hoe ekipa tsara ofana ireny.

Natahotra mafy aho ka nanao tonga aloha tao amin’ny trano fivorian’ilay paroasy ny alahady manarak’io mba ho irery tsy misy mpahita. Tsaroako fa ny paroasin’i Yalecrest tao Salt Lake City izany, ary nisy sarivongana teo an-tokontany. Nandeha tao ambadik’ilay sarivongana aho ary nivavaka mafy mba hahazo fanampiana hahaizako ny fomba tsy hanaovako hadisoana rehefa tonga ny anjarako amin’ny fizarana ny fanasan’ny Tompo. Voavaly izany vavaka izany.

Saingy fantatro ankehitriny fa misy fomba fivavaka sy fieritreretana tsaratsara kokoa rehefa miezaka ny hivoatra ao amin’ny fanompoantsika ao amin’ny fisoronana isika. Tamin’ny alalan’ny fahafantarako ny antony anomezana ny olona ny fisoronana no nianarako izany lesona izany. Ny tanjon’ny fandraisantsika ny fisoronana dia ny hahafahantsika misolo tena ny Tompo amin’ny fitahiana ny olona sy manao izany amin’ny anarany.2

Taona maro taorian’ny naha-diakona ahy no nianarako ny dikan’izany rehefa ampiharina. Ohatra, amin’ny maha-mpisorona avo ahy dia notendrena aho hitsidika ny fivoriana fanasan’ny Tompo any amin’ny toerana mpitaiza be antitra iray. Nasaina nizara ny fanasan’ny Tompo aho. Tsy nieritreritra ireo dingana sy lamina mirindra amin’ny fizarako ny fanasan’ny Tompo intsony aho fa nibanjina ny tarehin’ireo zokiolona tsirairay avy. Nahita ny maro tamin’izy ireo nitomany aho. Nisy ramatoa iray nisambotra ny moron’ny tanan’akanjoko, nitraka nibanjina ahy sady niteny mafy hoe: “Misaotra re, misaotra.”

Nitahy ny asa fanompoana nataoko ny Tompo, asa fanompoana izay natao tamin’ny anarany. Tamin’io andro io aho dia nivavaka ny mba hahatongavan’ny fahagagana toy izany fa tsy nivavaka ny amin’ny fomba tsara ahafahako manatontosa ny anjarako. Nivavaka aho mba hahatsapan’ny olona ny fitiavan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataoko tamim-pitiavana. Nianatra aho fa izany no lafiny manan-danja indrindra amin’ny fanompoana sy fitahiana ny hafa amin’ny anarany.

Vao haingana aho no niaina zavatra izay nampahatsiahy ahy ny fitiavana lehibe toy izany. Raha naato ireo fivoriam-piangonana rehetra noho ny valanaretina COVID-19 dia nisy rahalahy mpanompo iray izay nanaiky ny fanendrena avy amin’ny filohan’ny kôlejy nisy azy mba hitsodrano sy hanome ny fanasan’ny Tompo ho an’ny rahavavy iray notompoiny. Rehefa nantsoiny ilay rahavavy mba hilazany aminy fa hitondra ny fanasan’ny Tompo ho azy izy, dia nanaiky tsy sazoka ilay rahavavy, satria tsy te hamela ilay rahalahy hivoaka ny tranony nandritra ny fotoana izay nampidi-doza toy izany izy, ary nino koa fa ho vetivety dia hiverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra.

Rehefa tonga tao an-tokantranony ilay rahalahy tamin’io alahady maraina io dia nisy zavatra nangatahany. Niangavy izy raha toa ka afaka ny hankao amin’ilay trano mifanila aminy izy ireo ka hiaraka handray ny fanasan’ny Tompo amin’ilay ramatoa 87 taona mpiray vodirindrina aminy. Neken’ilay rahalahy izany rehefa nahazo lalana avy tamin’ny eveka.

Nandritra ny herinandro maro sady narahina fitandremana tsara ny fanajana ny elanelana sy ireo fepetra fiarovana hafa no nivorian’ity vondrona kelin’ Olomasina ity isak’alahady hanatanterahana fivoriana fanasan’ny Tompo tsotsotra. Sombi-mofo kely sy kaopin-drano vitsivitsy monja kanefa dia heniky ny ranomasom-pifaliana noho ny hatsaran’ny Andriamanitra be fitia iray.

Rehefa nandeha ny fotoana dia afaka niverina tany am-piangonana ilay rahalahy mpanompo sy ilay rahavavy notompoiny. Saingy ho fitandremana fatratra dia voatery nijanona an-trano ilay ramatoa mpiray vodirindrina mananotena, izay 87 taona. Raha tsaroanareo dia tsy io ramatoa zokiolona io no iandraiketany fa ilay mpiray vodirindrina aminy kanefa hatramin’izao ilay rahalahy mpanompo dia mbola mankany an-tranon’io rahavavy zokiolona io isan’alahady, miaraka amin’ny soratra masina sy sombi-mofo eny an-tanana, mba hizara ny Fanasan’ny Tompo.

Tahaka ny asa fanompoana nataoko tao amin’ilay toerana fitaizana be antitra tamin’io andro io, no nanaovany tamim-pitiavana ny asa fanompoan’ny fisoronana nataony. Raha ny marina dia vao haingana io rahalahy mpanompo io no nanontany ny evekany raha toa ka misy olon-kafa azony tompoina ao amin’ny paroasy. Nitombo ny faniriany hilofo tamin’ny asa fanompoany ao amin’ny fisoronana rehefa nanompo tamin’ny anaran’ny Tompo izy ary tamin’ny fomba izay saika ny Tompo irery ihany no mahafantatra azy. Tsy fantatro raha nivavaka, tahaka ny nataoko, io rahalahy mpanompo io mba hahafantaran’ireo olona notompoiny ny fitiavan’ny Tompo, fa noho ny asa fanompoana izay nataony tamin’ny anaran’ny Tompo dia nitovy ny vokatra.

Vokatra mahatalanjona mitovy amin’izany no mitranga rehefa mivavaka ho amin’izany aho mialoha ny hanomezako tsodranon’ny fisoronana an’ny olona izay marary na rehefa ao anatin’ny fotoam-pahasahiranana. Nitranga izany indray mandeha tao anaty hôpitaly iray rehefa niteny ahy, nihoatra ny hoe niteny aza, nandidy ahy, mba ho mailamailaka sy hiala teo amin’ny lalana ireo dokotera tsy nahandry mba hahafahan’izy ireo manao ny asany, ka tsy nahafahako nanome tsodranon’ny fisoronana akory. Nijanona aho dia nomeko ilay tsodrano. Dia velona ilay zazavavy nomeko tsodrano tamin’io andro io, izay noheverin’ireo dokotera fa ho faty. Feno fankasitrahana aho amin’izao fotoana izao satria tsy navelako nanembantsembana ahy ny fihetseham-poko fa tsapako kosa hoe tian’ny Tompo hahazo tsodrano io zazavavy io. Ary fantatro hoe inona ilay tsodrano: Notsofiko rano izy mba ho sitrana. Dia sitrana izy.

Nitranga im-betsaka izany rehefa nanome tsodrano olona iray izay eo ambavahoan’ny fahafatesana aho, miaraka amin’ireo fianakaviana nihodidina ny fandriana, nanantena tsodrano ho fanasitranana. Na dia fotoana fohy monja aza no ananako dia mivavaka foana aho mba hahafantarako izay tian’ny Tompo homeko amin’ny anarany. Ary mangataka aho mba hahafantarako ny fomba hitsofandrano ilay olona fa tsy izay tiako na tian’izay olona mijoro eo akaiky eo. Ny traikefako dia ny hoe na dia tsy izay irian’ny hafa hatao ho azy ireo na ho an’ireo olona lalainy aza ilay tsodrano dia mikasika ny fo ny Fanahy mba hahafahany manaiky sy mandray fiononana toy izay fahadisoam-panantenana.

Tonga ny fitaomam-panahy toy izany rehefa mifady hanina sy mivavaka mba hahazoana fitarihana hanomezana ny tsodranon’ny Tompo ho an’ny olona iray ny patriarka. Averiko indray, efa nahare tsodrano izay tsy nampoiziko aho ary tsy nampoizin’ilay olona nandray ilay tsodrano koa. Niharihary fa avy tamin’ny Tompo ilay tsodrano; na ireo fampitandremana noraketin’izany na ireo fampanantenana nomena tamin’ny anarany. Novalian’ny Tompo soa ny vavaka sy ny fifandian-kanina nataon’ilay patriarka.

Tamin’ny naha-eveka ahy dia nianatra nivavaka aho rehefa mitarika dinidiniky ny fahamendrehana mba hamelan’ny Tompo ahy hahatsapa ny zavatra tian’ny Tompo ho an’ilay olona, mitandrina ireo fitaomam-panahy homeny mba tsy hosembantsembanin’ny fitsaran’ny tenako manokana. Sarotra ny manao izany rehefa te hanome fanitsiana entanim-pitiavana ho an’ny olona iray ny Tompo. Mitaky ezaka ny manavaka izay tian’ny Tompo amin’izay tianao sy izay mety ho tian’ny olon-kafa.

Mino aho fa afaka milofo amin’ny asa fanompoantsika ao amin’ny fisoronana isika mandritra ny androm-piainantsika ary angamba any ankoatry ny fahafatesana. Izany dia miankina amin’ny zoto ananantsika amin’ny fiezahana ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo sy ireo ezaka ataontsika mba hihainoana ny feony mba hahafahantsika mahafantatra tsaratsara kokoa izay faniriany ho an’ilay olona tompointsika ho Azy. Mandeha tsikelikely izany filofosana izany. Mety handeha miadana izany saingy hisy izany. Toy izao no ampanantenain’ny Tompo antsika:

“Fa na zovy na zovy no mahatoky ka mahazo ireo fisoronana roa izay efa noteneniko ireo sy milofo amin’ny antso ananany, dia hamasinin’ny Fanahy ho fanavaozana ny vatany.

“Izy dia tonga zanakalahin’i Mosesy sy an’i Aharôna, ary taranak’i Abrahama, ary fiangonana sy fanjakana, ary nofinidin’ Andriamanitra.

“Ary ireo rehetra, izay mandray ity fisoronana ity koa, dia mandray Ahy, hoy ny Tompo.”3

Mijoro ho vavolombelona aho fa naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo fanalahidin’ny fisoronana. Nisy mpanompon’ny Tompo tonga avy tany an-danitra namerina tamin’ny laoniny ny fisoronana ho ana trangan-javatra lehibe maro izay efa nampahafantarina antsika sy izay mbola hitranga amin’ny ho avy. Ho voangona i Isiraely. Ho voaomana ho amin’ny Fiaviany Fanindroany ny vahoakan’ny Tompo. Hitohy ny famerenana amin’ny laoniny. Hanambara misimisy kokoa ny sitrapony amin’ireo mpaminaniny sy ireo mpanompony ny Tompo.

Mety hahatsapa tena ho bitika ianao eo anatrehan’ireo fanambarana na fiovana manan-danja hataon’ny Tompo. Koa raha mahatsapa toy izany ianao dia manasa anao aho hangataka amim-bavaka ny fomba fahitan’ny Tompo anao. Fantany manokana ianao, nomeny ny fisoronany ianao, ary manan-danja Aminy ny fijoroanao sy ny filofosanao amin’ny fisoronana satria tiany ianao ary matoky anao Izy hitahy ireo olona tiany amin’ny anarany.

Mitsodrano anareo aho izao mba ho afaka hahatsapa ny fitiavany sy ny fatokiany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.