Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Dia ho afaka tokoa ianareo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Dia ho afaka tokoa ianareo

I Jesoa Kristy no ilay fahazavana tokony hazonintsika ambony mandritra ireo fotoana maizina lalovantsika eto an-tany.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, feno fankasitrahana tokoa aho ny amin’ny tombontsoa hampita hafatra aminareo avy aty Afrika. Ankehitriny dia fitahiana ny manana ny teknôlôjia sy ny mampiasa izany amin’ny fomba mahomby indrindra hiresahana aminareo na aiza na aiza misy anareo.

Tamin’ny septambra 2019, izaho sy Rahavavy Mutombo, raha nanompo tamin’ny naha mpitarika anay tao amin’ny Misiônan’i Maryland Baltimore, dia nanan-tombony nitsidika ny sasany tamin’ireo toerana nitrangan’ny sasany tamin’ireo tantaran’ny Fiangonana tany Palmyra, New York, raha nanatrika ny seminera ho an’ny mpitarika ny misiôna. Nifarana tao amin’ilay Alakely Masina ny fitsidihanay. Tsy ny hanana fisehoan-javatra na fahitana miavaka no anton’ny fitsidihanay ilay Alakely Masina, saingy nahatsapa ny fanatrehan’ Andriamanitra anefa izahay tao amin’io toerana masina io. Heniky ny fankasitrahana ny Mpaminany Joseph Smith ny fonay.

Raha teny an-dalana nody dia nahatsikaritra tsiky teny amin’ny tarehiko Rahavavy Mutombo, ka nanontany izy hoe: “Inona no antony mahafaly anao?”

Novaliako izy hoe: “Ry Nathalie malalako, ny marina dia handresy mandrakariva ny tsy fahamarinana, ary ny haizina ara-panahy dia hitsahatra ny hanjaka eto an-tany noho ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.”

Niseho tamin’ilay zatovolahy Joseph Smith Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy mba hitondra ilay fahazavana izay nafenina, mba hahafahantsika mandray “fahamarinana … araka ny naha-izy azy ary araka any haha-izy azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24).

Efa ho maherin’ny 200 taona taty aoriana dia maro no mbola mikatsaka ireo fahamarinana ilaina mba ho afaka amin’ny sasany amin’ireo fanao sy lainga izay aparitak’ilay fahavalo manerana izao tontolo izao. Maro no “hajambain’ny hafetsena misokon’ny olona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12). Ao amin’ny epistiliny ho an’ny Efesiana dia nampianatra toy izao i Paoly: “Mifohaza hianao izay matory, ary mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy” (Efesiana 5:14). Nampanantena ny Mpamonjy fa Izy dia ho fahazavana ho an’ireo rehetra izay mihaino ny teniny (jereo ny 2 Nefia 10:14).

Telopolo taona lasa izay ireo ray aman-dreniko koa dia nohajambaina ka nikatsaka fatratra ny hahafantatra ny fahamarinana ary niasa saina ny amin’ny hoe aiza no hahitana izany. Ireo ray aman-dreniko dia samy teraka tany ambanivohitra, izay toerana mampiorim-paka teo amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ireo fianakaviana ireo fomban-drazana. Samy niala tany ambanivohitra izy ireo rehefa zatovo ka niakatra an-drenivohitra nikatsaka fiainana tsaratsara kokoa.

Nivady izy ireo ary nanorina ny ankohonan’izy ireo tao anaty fahantrana tokoa. Efa ho olona valo izahay no nonina tao anaty trano kely iray, dia ireo ray aman-dreniko, ireo zandriko vavy roa sy izaho, ary zanan-kavana iray izay niara-niaina taminay taloha. Nanontany tena foana aho raha tena fianakaviana tokoa izahay satria tsy nahazo niray latabatra tamin’ireo ray aman-dreninay rehefa misakafo. Rehefa avy niasa ny rainay, ka raha vantany vao miditra ny trano izy, dia asaina mivoaka ny trano izahay. Fohy ny fotoana atorianay amin’ny alina satria tsy tafatory izahay noho ny tsy fisian’ny fifanarahan-tsaina sy ny fitiavana marina tao amin’ny fanambadian’ireo ray aman-dreninay. Tsy vitan’ny hoe kely ilay tranonay fa sady maizina ihany koa. Talohan’ny nihaonanay tamin’ireo misiônera dia fiangonana samy hafa no nalehanay isaky ny alahady. Niharihary fa nikatsaka zavatra izay tsy hain’izao tontolo izao homena ireo ray aman-dreninay.

Nitohy teny foana izany mandra-pihaonanay tamin’i Elder sy Rahavavy Hutchings, misiônera mpivady zokiolona voalohany nantsoina nanompo tao Zaïre (fantatra amin’ny hoe RD an’ny Congo na Congo-Kinshasa ankehitriny). Rehefa nanomboka nihaona tamin’ireo misiônera mahafinaritra, izay toy ny anjely nirahin’ Andriamanitra, ireo izahay dia tsikaritra ho nisy zavatra nanomboka niova tao amin’ny fianakavianay. Taorian’ny batisanay dia niova niandalana ny fomba fiainanay noho ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Nanomboka nampivelatra ny fanahinay ny tenin’i Kristy. Nanomboka nanazava ny fahazavan-tsainay izany ary nanomboka ho fy taminay satria ireo fahamarinana izay noraisinay dia mora azo ary afaka nahita hazavana izahay, ka dia nihanamiratra hatrany hatrany izany isan’andro.

Ny fahatakarana ireo antony sy tanjona fonosin’ny filazantsara dia nanampy anay ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa. Tsy niova ny haben’ilay tranonay, sady tsy niova ihany koa ny toe-piainanay. Saingy nanatri-maso ny fiovam-po teo amin’ireo ray aman-dreninay aho rehefa nivavaka maraina sy hariva isan’andro izahay. Nandalina ny Bokin’i Môrmôna izahay. Nanao takarivan’ny mpianakavy izahay. Lasa niray hina toy ny tena fianakaviana tokoa izahay. Isaky ny alahady izahay dia mifoha amin’ny 6 maraina miomana handeha any am-piangonana, ary maharitra ora maro ny dianay nankany am-piangonana isan-kerinandro. Zavatra niainana nahafinaritra izany. Izahay izay nandeha tao amin’ny haizina fahiny dia nandroaka ny haizina avy teo anivonay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:25) ka nahita “hazavana lehibe” (2 Nefia 19:2).

Tsaroako aho indray andro tsy te hifoha maraina hanao ny vavaky ny mpianakavy dia nimonomonona tamin’ny anabaviko hoe: “Tena tsy misy zavatra hafa azo atao ankoatra ny mivavaka ve ato amin’ity trano ity, mivavaka, dia mivavaka foana foana.” Henon’ny raiko ilay teniko. Tadidiko ny fihetsiny raha nampianatra ahy tamim-pitiavana kanefa tamin’ny fomba hentitra izy nanao hoe: “Raha mbola ato amin’ity trano ity koa ianao dia hivavaka foana foana.”

Nanako tao an-tsofiko isan’andro ireo tenin’ny raiko. Inona ary hoy ianareo no hataonay sy Rahavavy Mutombo miaraka amin’ireo zanakay ankehitriny? Mivavaka foana foana izahay. Izany no zavatra nolovanay.

Toy izao no nolazain’ilay lehilahy jamba hatrany am-bohoka izay nositranin’i Jesoa Kristy rehefa noteren’ireo mpiara-monina taminy sy ireo Fariseo:

“Ilay lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho dia nanasa azy, ka dia nahiratra. …

“… Zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha fa mahiratra aho izao” (Jaona 9:11, 25).

Jamba ihany koa izahay taloha ary mahiratra izahay ankehitriny. Hatramin’izay fotoana izay dia nanova ny fiainanay ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ny fahatakarana ireo antony sy tanjona fonosin’ny filazantsara dia nitahy taranaka telo nifanesy tao amin’ny fianakaviako ary hanohy hitahy taranaka maro ho avy izany.

I Jesoa Kristy no ilay fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina. Izay manaraka Azy dia “tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” ( Jaona 8:12).

Saika ho naharitra iray taona teo anelanelan’ny 2016 sy 2017 ireo olona ao amin’ny faritr’i Kasai no niatrika loza mahatsiravina iray. Vanim-potoana maizina indrindra ho an’ny olona tao izany noho ny fifandonana teo amina vondrona mpiady nentim-paharazana sy ireo miaramilan’ny governemanta. Ilay herisetra dia niparitaka nanerana ireo tanàna teo amin’ny faritr’i Kasai Afovoany ka nihanaka nanenika ny faritra lehibe tao Kasai. Olona maro no nitsoaka ny toeram-ponenany mba hieren-doza ka niafina tany anaty akata. Tsy nanan-kohanina na hosotroina izy ireo, tena tsy nanana na inona na inona, ary nahitana mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny faritr’i Kananga teo anivon’izy ireo. Maty novonoin’ny milisy ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Ny Rahalahy Honoré Mulumba avy ao amin’ny Paroasy Nganza ao Kananga sy ny fianakaviany dia anisan’ireo olona nijanona niafina tao an-tranony, tsy nahalala izay haleha noho ireo arabe niova ho toeram-pisian’ny fifandonana sy ny tifi-basy. Indray andro dia tsikaritry ny sasany tamin’ireo lehilahy milisy teo amin’ny manodidina ny fisian-dRahalahy Mulumba sy ny fianakaviany raha indray alina izy ireo nivoaka nioty legioma hohanina avy teo amin’ny tanimbolin’ny fianakaviana. Nisy andiana lehilahy milisy iray nankeo amin’ny tranon’izy ireo ka namoaka azy ireo tao ary nampisafidy azy ireo ny hikambana amin’ny milisin’izy ireo na hovonoina ho faty.

Tamin-kerim-po no nilazan-dRahalahy Mulumba azy ireo hoe: “Mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho. Izaho sy ny fianakaviako dia nanaiky an’i Jesoa Kristy ary manana finoana Azy. Hitoetra ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataonay izahay ka hekenay ny ho faty.”

Koa hoy izy ireo taminy: “Koa satria nisafidy an’i Jesoa Kristy ianareo, dia hohanin’ny alika ny vatana mangatsiakanareo,” sady nampanantena ny hiverina izy ireo. Saingy tsy niverina mihitsy izy ireo, ary nijanona tao nandritra ny roa volana ilay fianakaviana fa tsy nahita azy ireo intsony. Nihazona ny finoany Rahalahy Mulumba sy ny fianakaviany. Tsaroan’izy ireo ny fanekempihavanana nataon’izy ireo dia voaro izy ireo.

I Jesoa Kristy no ilay fahazavana tokony hazonintsika ambony mandritra ireo fotoana maizina lalovantsika eto an-tany (jereo ny 3 Nefia 18:24). Rehefa misafidy ny hanaraka an’i Kristy isika dia misafidy ny hiova. Ny lehilahy na vehivavy iray izay miova ho an’i Kristy dia hotarihan’i Kristy, dia hametraka fanontaniana tahaka ny nataon’i Paoly isika hoe: “Tompo ô, inona no zavatra irianao hataoko?” (Asan’ny Apostoly 28:23). Hanaraka ny diany isika (1 Petera 2:21). “Handeha toy izay nandehanany” isika (1 Jaona 2:6). (Jereo ny Ezra Taft Benson, “Born of God,” Tambuli, Oct. 1989, 2, 6.)

Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy izay maty, dia nalevina ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo ary niakatra tany an-danitra mba hahafahako sy hahafahanao mandray ireo fitahian’ny tsy fahafatesana sy ny fisandratana. Izy no “fahazavana, sy ny fiainana ary ny [fahamarinana]” (Etera 4:12). Izy no fanefitra sy fanafody amin’ny fisafotofotoana eo amin’izao tontolo izao. Izy, dia i Jesoa Kristy, no ohatra tsara indrindra ho antsika amin’ny fomba hanatratrantsika ny fisandratana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.