Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Eveka—Mpiandry ny andian’ondrin’ny Tompo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Eveka—Mpiandry ny andian’ondrin’ny Tompo

Ny eveka dia manana anjara asa lehibe dia lehibe amin’ny maha-mpiandry ondry azy mba hitarika ilay taranaka vao misondrotra hankany amin’i Jesoa Kristy.

Ry rahalahy malala ao amin’ny fisoronana, ny iray amin’ireo andalana tena tsy hay hadinoina ao anatin’ny hira hankamamiana iray ao amin’ny fihirana dia manontany hoe: “Moa ve hihemotra ianareo ry zatovon’i Ziona?”1 Ny fanambarana ataoko avy amin’ny fo sy manakoako ho valin’izany fanontaniana izany dia hoe “Tsia!”

Mba hananana antoka fa mbola marina izany valiny izany, dia mijoro ho vavolombelona aho androany fa ny fanohanana ny taranaka vao misondrotra ao anatin’ny fotoana iray ahitana olana sy fakam-panahy tsy fahita mahazatra dia andraikitra lehibe omen’ny Ray any An-danitra ny ray aman-dreny sy ny episkôpà.2 Mamelà ahy ianareo haneho ny maha-zava-dehibe ny episkôpà amin’ny alalan’ny zavatra niainan’ny tenako manokana.

Fony aho diakona dia nifindra trano ny fianakaviako ary nifindra paroasy hafa. Vao hiditra ao amin’ny kilasy voalohany tao amin’ny lisea aho, ka dia nianatra tany amin’ny sekoly vaovao koa. Nisy andian-jatovolahy nahafinaritra tao amin’ny kôlejin’ny diakona. Mpikambana navitrika ny ankamaroan’ny ray aman-drenin’izy ireo. Tena mpikambana navitrika ny reniko. Ny raiko dia olona nahavariana tamin’ny lafiny rehetra saingy tsy mpikambana navitrika izy.

Rahalahy Dean Eyre, izay mpanolotsaina faharoa tao amin’ny episkôpà,3 dia mpitarika mahafoy tena. Raha mbola nanavao ilay paroasy vaovao aho dia nisy filazana fanaovana hetsika iarahan’ny ray sy ny zanakalahy tany Bear Lake, eo amin’ny 65 kilaometatra ny halavirany. Tsy nieritreritra ny hanatrika izany tsy misy an-draiko aho. Saingy nanolotra fanasana manokana ho ahy Rahalahy Eyre mba hiaraka aminy. Niresaka tamin’ny fomba tsara sy feno fanajana mikasika ny raiko izy ary nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fahafahako miaraka amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny kôlejin’ny diakona. Noho izany dia nanapa-kevitra ny hiaraka amin-drahalahy Eyre aho ary niaina zavatra nahafinaritra.

Rahalahy Eyre dia ohatra iray tena tsara maneho ilay fitiavana tahaka ny an’i Kristy teo amin’ny fanatanterahana ny andraikitry ny episkôpà mba hanohana ny ray aman-dreny amin’ny fiambesana sy ny fikolokoloana ny zatovo. Nanolotra fanombohana tena tsara ho ahy tao amin’io paroasy vaovao io izy ary lasa mpanoro hevitra ahy.

Volana vitsivitsy talohan’ny nandehanako nanao asa fitoriana tamin’ny 1960, dia nodimandry noho ny homamiadana rahalahy Eyre tamin’ny faha-39 taonany. Namely vady sy zanaka dimy izy ary latsaky ny 16 taona daholo izy rehetra. Nanome toky ahy i Richard sy i Chris Eyre izay zanany lahy zokiny indrindra, fa rehefa tsy teo intsony ny rain’izy ireo, dia nanohana sy niambina azy ireo sy ireo zandriny lahy sy vavy tamin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ny episkôpà, ka feno fankasitrahana aho noho izany.

Ho andraikitra voalohany ho an’ny ray aman-dreny foana ny misahana ny fianakaviany.4 Ireo fiadidian’ny kôlejy koa dia manolotra fanohanana sy fitarihana tena ilaina ho an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo mba hampisandratra ireo andraikitry ny Fisoronana Aharôna sy ny heriny ho ivon’ny fiainan’izy ireo.5

Sary
Ny mpiandry ondry miaraka amin’ny ondry

Ny tanjoko androany dia ny hifantoka amin’ny eveka sy ny mpanolotsainy, izay azo antsoina tsara hoe “mpiandry ny andian’ondrin’ny Tompo”, ka ny tena hamafisina dia hoe mpiandry ny taranaka vao misondrotra izy ireo.6 Mahagaga ny niantsoan’i Petera Apôstôly an’i Jesoa Kristy ho “Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.”7

Manana andraikitra dimy lehibe ny eveka eo amin’ny fiahiana paroasy iray:

  1. Mpisorona avo mpiahy ao amin’ny paroasy izy.8

  2. Filohan’ny Fisoronana Aharôna izy.9

  3. Mpitsara tsotra izy.10

  4. Mandrindra ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana izy ka tafiditra ao anatin’izany ny fiahiana an’ireo izay sahirana.11

  5. Ary manara-maso ny fanaovana firaketana, sy ny raharaha ara-bola ary ny fampiasana ny trano fiangonana izy.12

Ao anatin’ilay anjara asany amin’ny maha-mpisorona avo mpiahy azy, dia ny eveka no “mpitarika ara-panahy” ao amin’ny paroasy.13 “Mpianatra mahatoky irain’i Jesoa Kristy” izy.14

Ankoatra izany, “ny eveka no mandrindra ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana ao amin’ny paroasy.”15 Ny eveka dia tokony hampiandraikitra an’ireo kôlejin’ny loholona sy ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ny asa fanao mahazatra mahakasika ny fizarana ny filazantsara, ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy niverina navitrika, ny fanompoana, ary ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.16 Ny eveka dia mandrindra izany asa izany mandritra ny filankevitry ny paroasy sy ny filankevitry ny zatovo eo anivon’ny paroasy.

Ny eveka dia manana anjara asa lehibe dia lehibe amin’ny maha-mpiandry ondry azy mba hitarika ilay taranaka vao misondrotra, tafiditra ao anatin’izany ny tanora tokan-tena, hankany amin’i Jesoa Kristy.17 Nanamafy ny anjara asa vaovao sy manan-danja an’ny eveka sy ny mpanolotsaina ny Filoha Russell M. Nelson. Nampianatra izy fa ny “andraikitr’[izy ireo] voalohany indrindra dia ny mikarakara ireo zatovolahy sy zatovovavy ao amin’ny paroasiny.”18 Ny episkôpà dia manohana ny ray aman-dreny amin’ny fiambenana sy ny fikolokoloana ny ankizy sy ny zatovo ao amin’ny paroasy. Miara-mikaon-doha ny eveka sy ny filohan’ny zatovovavy eo anivon’ny paroasy. Miezaka manampy ireo zatovolahy hiaina ireo fenitra ao amin’ny Ho zatovo mahery!, ho mendrika ny handray ireo ôrdônansy ary hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina izy ireo.

Mety hanontany ianao hoe: “Nahoana ny episkôpà no asaina manokana fotoana be dia be toy izany iarahana amin’ny zatovo?” Nandrafitra ny Fiangonany ny Tompo mba hanatanterahana ireo laharam-pahamehana izay tena manan-danja. Araka izany, ilay rafitry ny Fiangonany dia manana lamina iray izay ahitana ny eveka misahana andraikitra anankiroa. Manana andraikitra ara-potopampianarana eo anatrehan’ny paroasy iray manontolo izy, saingy manana andraikitra ara-potopampianarana manokana koa izy eo anatrehan’ny kôlejin’ny mpisorona.19

Ireo zatovolahy izay mpisorona sy ireo zatovovavy izay mitovy taona amin’izy ireo dia samy eo amin’ny ambaratonga tena manan-danja eo amin’ny fiainan’izy ireo sy amin’ny fivoaran’izy ireo. Ao anatin’ny fotoana fohy no handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra izay hisy fiantraikany lehibe mandritra ny androm-piainana. Mandinika izy ireo raha hanao izay hahamendrika azy ireo hiditra ny tempoly, raha handeha hanao asa fitoriana,20 raha hiezaka ny hanambady any amin’ny tempoly ary hiomana amin’ny asa miandry azy ireo eo amin’ny fiainana. Ireo fanapahan-kevitra ireo, raha vao raisina, dia misy fiantraikany lalina ara-panahy sy eo amin’ny toe-javatra tena iainana mandritra ny androm-piainany. Ry eveka, aoka ho fantatrareo fa ilay fotoana fohy, raha oharina amin’ny hafa, izay iarahana amin’ny zatovolahy mpisorona iray na zatovovavy iray, na tanora iray dia afaka manampy azy ireo hahatakatra ny hery afaka ny ho azon’izy ireo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Afaka manolotra fitarihana iray izay hisy fiantraikany lalina eo amin’ny fiainan’izy ireo iray manontolo izany.

Sary
Eveka Moa Mahe sy ireo mpanolotsainy

Ny iray amin’ireo eveka izay ohatra tena tsara hitako teo amin’ny fanolorana karazana fitarihana toy izany ho an’ny zatovony dia ny Eveka Moa Mahe. Voantso ho eveka voalohan’ny paroasy miteny Tongana tao San Francisco izy.21 Mpifindra monina avy any Vava’u, Tonga izy. Tany akaikin’ny seranam-piaramanidin’i San Francisco, Californie izay toerana niasany no nisy ny paroasy.22

Sary
Paroasy Tongana

Nahitana zatovo maro tao amin’ilay paroasy ary ny ankamaroan’izy ireo dia avy amina fianakaviana izay nifindra monina vao haingana tany Etazonia. Tsy hoe nampianatra azy ireo tamin’ny alalan’ny teny sy ohatra mba ho mpianatra marin-toetran’i Jesoa Kristy fotsiny ny Eveka Mahe, fa nampiany koa izy ireo mba hanana fomba fijery iray ny amin’izay mety hahatongavan’izy ireo ary nampiany izy ireo hiomana amin’ny tempoly, amin’ny asa fitoriana, amin’ny fianarana ary amin’ny asa fivelomana. Nanompo nandritra ny valo taona teo ho eo izy ary tanteraka ireo nofinofiny sy faniriany ho an’ny zatovo.

Teo ho eo amin’ny 90 isan-jaton’ny zatovo tao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna no nandeha nanao asa fitoriana. Zatovolahy sy zatovovavy niisa dimy ambin’ny folo no olona voalohany tao amin’ny fianakavian’izy ireo nianatra tany amin’ny oniversite.23 Nihaona tamin’ny talen’ny lisea teo an-toerana (izay tsy avy amin’ny antokom-pinoantsika) izy, ary ninamana taminy sy niara-niasa taminy mikasika ny fomba hanampiana ny zatovo tsirairay mba hanatratra tanjona tsara sy hisoroka olana. Niteny tamiko ilay talen-tsekoly fa nanampy azy ny Eveka Mahe tamin’ny fiandraiketana ireo mpifindra monina avy amin’ny antokom-pinoana rehetra izay nanana fahasahiranana. Fantatr’ireo zatovo fa tia azy ireo ilay eveka.

Indrisy anefa fa nodimandry nandritra ny naha-eveka azy ny Eveka Mahe. Tsy hohadinoiko velively ny fotoam-pandevenana azy izay nampihetsi-po sy nanentana ny fanahy. Olona maro be no nanatrika izany. Ilay amboaram-peo dia nahitana tanora mpikambana mihoatra ny 35 izay nandeha nanao asa fitoriana na nianatra tany amin’ny oniversite na zatovo fony izy eveka. Nisy mpandahateny iray izay naneho fahatsapana fankasitrahana goavana avy amin’ny zatovo sy ny tanora tokan-tena tao amin’ny paroasiny. Naneho fankasitrahana ny Eveka Mahe izy noho ilay fitarihana natolony azy ireo teo am-piomanana tamin’ny fiainana sy ny fanaovana asa fanompoana tsara. Fa ny tena manan-danja indrindra dia ny fanampian’ny Eveka Mahe azy ireo nanorina finoana an’i Jesoa Kristy Tompo ho fototra iorenan’ny fiainan’izy ireo.

Ankehitriny ry eveka, na aiza na aiza anompoanareo, ary ao anatin’ireo tafa sy dinika ataonareo sy ireo fifaneraseranareo hafa amin’olona, dia afaka manolotra izany karazana fitarihana izany ianareo ary manorina finoana an’i Jesoa Kristy. Afaka manolotra fanasana mafonja ianareo mba hanova fihetsika, ary afaka manomana azy ireo amin’ny fiainana sy manentana azy ireo hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Ankoatra izany dia afaka manampy zatovo sasantsasany ianareo izay mifanolana amin’ny ray aman-dreny mahakasika ireo zavatra, izay raha oharina amin’ny hafa, dia tsy manan-danja.24 Misy fotoana rehefa toa goavana be ilay fifanolanan’ny zatovo amin’ny ray aman-drenin’izy ireo, dia ilay olona miahy ny kôlejin’izy ireo sy hanomezan’izy ireo valinteny ilain’ny mpitarika, no ilay hanatonan’ny ray aman-drenin’izy ireo koa rehefa hiresaka mikasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Izany dia mametraka ny eveka eo amin’ny toerana tokana mba hifandinika amin’ilay zatovo sy ny ray aman-dreniny rehefa nampisara-bazana ilay fifanolanana. Afaka manampy ny roa tonta ny eveka mba hijery ny toe-javatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay sy hamaha ireo olana izay manan-danja na toa tsy manan-danja. Manoro hevitra izahay ny mba tsy hampiandraiketana fanompoana fianakaviana ny eveka mba hahafahany manokana ny fotoany sy ny heriny amin’ny fanompoana ny zatovo sy ny fianakavian’izy ireo izay miaina ireo karazana toe-javatra ireo.25

Mahafantatra eveka iray aho izay afaka nandamina fifandirana goavana nisy teo amin’ny zanakalahy iray sy ny ray aman-dreniny, ary nitondra filaminana teo anivon’ilay tokantrano sy fanolorantena bebe kokoa ho an’ny filazantsara. Nampian’ilay eveka ilay ray aman-dreny hahatakatra fa ny fiezahana ho mpianatr’i Jesoa Kristy dia manan-danja kokoa noho ny fomba tena izy hanatanterahana ireo raharaha ataon’ny fianakiaviana ao an-tokantrano.

Mba hahafahana manana fotoana bebe kokoa iarahana amin’ny zatovo, na aiza na aiza misy azy ireo, tafiditra ao anatin’izany, ny any anaty hetsika na fiaraha-mientana any an-tsekoly, dia notoroina hevitra ny episkôpà mba hampiandraikitra olon-dehibe hafa ireo fivoriana sy fotoana fifampiresahana hanoroan-kevitra izay mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Rehefa afaka misahana toe-javatra tena goavana sy maika ny eveka, dia manoro hevitra izahay ny hampiandraiketana an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona na Fikambanana Ifanampiana, matetika ireo fiadidiana na rahalahy mpanompo na rahavavy mpanompo, ny fifampiresahana hanoroan-kevitra efa andalam-pizorana mahakasika toe-javatra mitohy lavareny sy tsy dia maika ary tsy mitaky fanapahan-kevitra mahakasika ny fahamendrehana. Hitarika an’ireo mpitarika ny Fanahy26 mba hisafidy ireo mpikambana mety amin’ny fiandraiketana izany fifampiresahana hanoroan-kevitra izany. Mahazo fanambarana ireo izay nampiandraiketina ny fanaovana izany fifampiresahana hanoroan-kevitra izany. Mazava ho azy fa tsy maintsy manaja ny fihazonan-javatra ho tsiambaratelo izy.

Ireo mpitarika tia mikolokolo dia nahafoy tena foana ho an’ny taranaka vao misondrotra. Ao no handanian’ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà ny ankamaroan’ny fotoana hanompoan’izy ireo ao amin’ny Fiangonana.

Izao aho dia te hilaza mivantana zavatra vitsivitsy amin’ny zatovo ary avy eo amin’ireo evekantsika.

Maro aminareo ry zatovo sarobidy no mety tsy mahita mazava hoe iza ianareo ary afaka ny ho tonga inona. Kanefa mbola eo an-tokonan’ireo fanapahan-kevitra manan-danja izay horaisinareo eo amin’ny fiainanareo ianareo. Aoka ianareo sady hiresaka amin’ny ray aman-dreninareo no hiresaka amin’ny evekanareo mikasika ireo safidy manan-danja eo anoloanareo. Avelao ny eveka ho namanareo sy mpanolotsaina anareo.

Fantatray fa mifanehatra amin’ny fitsapana sy fakam-panahy ianareo na aiza na aiza. Mila mibebaka isan’andro isika araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson. Resaho amin’ny evekanao izay mety ho toe-javatra azon’ny mpitsara tsotra iray hitondrana fanampiana anao mba handaminana ny fiainanao hifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo mba hiomanana amin’ilay “asa lehibe” hampiandraiketany anao amin’izao fotoampitantanana farany izao.27 Araka ny efa nanasan’ny Filoha Nelson anao, dia aoka ianao ho mendrika ny ho anisan’ilay tafiky ny tanoran’ny Tompo!28

Izao dia ity misy teny kely ho anareo ry eveka maminay amin’ny alalan’ireo mpitarika sy mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Maneho ny fankasitrahanay lalina anareo izahay. Eo anatrehan’ireo fanovana izay nangatahina mba hataonareo tao anatin’izay taona vitsy lasa izay, dia aoka ho fantatrareo ry eveka malala fa tena tianay sy ankasitrahanay ianareo. Tsy hay faritana ny anjara biriky entinareo ao amin’ny fanjakana. Ny Fiangonana dia manana eveka sy filohan’ny sampana miisa 30.900 izay manompo manerana izao tontolo izao.29 Maneho fanajana anareo tsirairay izahay.

Ireo teny sasany sy ireo antso masina izay faritan’izy ireo dia saika feno lanjany ara-panahy sy ambony dia ambony. Ny antson’ny eveka dia tena any amin’ny toerana faratampon’ireo teny toy izany. Tena miavaka amin’ny lafiny maro dia maro ny manompo ny Tompo eo amin’io toerana io. Ny fiantsoana, sy fanohanana ary fanokanana eveka iray dia zavatra iainana tsy hay hadinoina velively. Anisan’ireo zava-miseho vitsivitsy tena miavaka izany satria miteraka fahatsapan-javatra goavana sy lalina. Mitoetra tsara ao anatin’ilay ambaratonga ahitana zava-niseho tena sarobidy izany toy ny fanambadiana, ny fahatongavana ho raim-pianakaviana, izay tsy hay faritana amin’ny teny vitsy.30

Ry eveka isany, manohana anareo izahay! Ry eveka isany, tianay ianareo! Tena mpiandry ny andian’ondrin’ny Tompo tokoa ianareo. Tsy handao anareo ny Tompo ao anatin’ireo antso masina ireo. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, amin’izao faran’ny herinandron’ny Paska izao, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Vas-tu faiblir ô jeunesse,” Cantiques, no. 164.

  2. Mifampizara izany andraikitra izany ireo mpitarika ny zatovo sy ireo fiadidian’ny kôlejy sy ny kilasy ary ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana.

  3. Ny eveka no filohan’ny kôlejin’ny mpisorona. Ny mpanolotsainy voalohany no miandraikitra ny kôlejin’ny mpampianatra, ary ny mpanolotsainy faharoa no miandraikitra ny kôlejin’ny diakona. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 10.3, ChurchofJesusChrist.org.)

  4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28.

  5. Jereo ny Quentin L. Cook, “Fanovana mba hanamafisana orina ny zatovo,” Liahona, nôv. 2019, 40–43.

  6. Ny fampiasana ny teny hoe eveka dia miantefa amin’ny hery mitovy any amin’ireo filohan’ny sampantsika feno fahatokiana.

  7. 1 Petera 2:25.

  8. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 6.1.1.

  9. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 6.1.2.

  10. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 6.1.3.

  11. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 6.1.4.

  12. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 6.1.5.

  13. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 6.1.1; jereo koa ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 6.1.1.1–6.1.1.4.

  14. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 6.1.1.

  15. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 6.1.4.

  16. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 21.2; 23.5; 25.2.

  17. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 6.1; 14.3.3.1; jereo koa ny Quentin L. Cook, “Fanovana mba hanamafisana orina ny zatovo,” 40–43. Namporisihina koa ny eveka mba hanokana fotoana bebe kokoa iarahana amin’ny vadiny sy ny fianakaviany. Tanteraka izany karazana fifantohana izany raha toa misy olon-dehibe mpanorohevitra sy manana fahaiza-manao antsoina mba hanampy ireo fiadidian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny episkôpà ao anatin’ny andraikitra sahanin’izy ireo.

  18. Russell M. Nelson, “Vavolombelona sy kôlejin’ny fisoronana Aharôna ary kilasin’ny Zatovovavy,” Liahona, nôv. 2019, 39.

  19. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:87–88.

  20. “Ny Tompo dia manantena ny zatovolahy afaka manao izany mba hiomana hanao asa fitoriana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:1, 4–7). Ireo zatovovavy sy mpikambana zokiolona izay maniry ny hanompo dia tokony hiomana koa. Anisan’ny ampahany iray manan-danja ao anatin’ny fiomanana ny fiezahana ny ho lasa niova fo ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Ireo izay maniry ny hanompo dia miomana koa ara-batana, ara-tsaina, sy ara-pihetsehampo ary ara-bola” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 24.0).

  21. Tamin’ny 17 desambra 1980 no nananganana ilay paroasy. Ny Loholona John H. Groberg tao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy no nanampy tamin’ny fananganana izany paroasy miteny Tongana izany. (Jereo ny Gordon Ashby, chairman, and Donna Osgood, ed., The San Francisco California Stake: The First 60 Years, 1927–1987 [1987], 49–52.)

  22. Ny Eveka Mahe dia nahazo fisondrotan-toerana ho mpitantana tao amin’ny Pan American Airlines tao amin’ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tany San Francisco, Californie.

  23. Jereo ny History of San Francisco California Stake, 49.

  24. Mety hikomy koa amin’ny zavatra izay manana ny lanjany mandrakizay izy ireo.

  25. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 21.2.1.

  26. Ny eveka dia hiaraka handrindra amin’ny kôlejin’ny loholona sy ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ny mikasika an’izay olona tokony hotendrena sy ny fomba tokony hanatanterahana ilay fanaraha-maso mifono fitiavana sy fiahiana.

  27. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33.

  28. Jereo ny Russell M. Nelson “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org.

  29. Raha ny isa tamin’ny 19 febroary 2021, dia misy eveka miisa 24.035 sy filohan’ny sampana miisa 6.865 manompo manerana an’izao tontolo izao.

  30. Nantsoin’ny Filoha David B. Barlow ho eveka tao amin’ny paroasin’i Burlingame tany Californie aho tamin’ny 1974 ary tamin’ny 15 septambra 1974 dia natokan’ny Loholona Neal A. Maxwell, izay vao nantsoina ho Mpanampy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany.