Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny zavatra ianarantsika ka tsy ho hadinontsika mandrakizay
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Ny zavatra ianarantsika ka tsy ho hadinontsika mandrakizay

Rehefa jerenao ombam-bavaka ny fiainanao dia mino aho fa hahita fomba maro nitarihan’ny Tompo anao ianao tao anatin’ity fotoana sarotra ity.

Ry rahalahiko malala, niandrandra fatratra ity fivoriana am-pitain-davitra miaraka aminareo ity aho. Tamin’ny aprily 2019 isika no nanatanteraka fivoriamben’ny fisoronana farany. Betsaka ny zavatra nitranga tao anatin’izay roa taona lasa izay! Ny sasany aminareo nilaozan’ny olona akaikin’ny fony. Ny hafa very asa, na fivelomana, na fahasalamana. Ny hafa koa lasa tsy manana fiadanam-po na fanantenana ny amin’ny hoavy. Mangoraka ny foko ho anareo tsirairay izay niaritra izany na niaritra fahaverezana hafa. Mivavaka tsy tapaka aho mba hampionona anareo ny Tompo. Rehefa manohy mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanareo ianareo, dia fantatro fa manana fanantenana momba ny hoavinareo Izy tahaka ny nataony hatrizay.

Na teo aza ny fahalasana nisy teo amin’ny fiainantsika dia nisy zavatra hafa ihany koa tonga teo amintsika. Mety nahazo finoana lalina kokoa an’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ny sasany. Ny sasany lasa nanana fomba fijery vaovao ny fiainana, fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Mety lasa nanana fifandraisana matanjaka kokoa ianareo amin’ireo olona lalainareo sy amin’ny Tompo. Manantena aho fa lasa nitombo ny fahafahanareo hihaino Azy sy handray fanambarana ho an’ny tenanareo manokana. Matetika ny fitsapana sarotra dia manolotra fahafahana hitombo izay tsy ho nitranga tamin’ny fomba hafa.

Ataovy jery todika izay roa taona lasa izay. Tamin’ny fomba ahoana no nitomboanao? Inona no nianaranao? Mety haniry ny hiverina any amin’ny taona 2019 ianao amin’ny voalohany ka hijanona any! Saingy rehefa mijery ny fiainanao ombam-bavaka ianao dia mino aho fa hahita fomba maro nitarihan’ny Tompo anao ianao tao anatin’ity fotoana sarotra ity, ka nanampiany anao ho lasa feno fanoloran-tena kokoa, sy niova fo kokoa: tena olon’ Andriamanitra.

Fantatro fa manana drafitra lehibe sy mahatalanjona ho antsika ny Tompo, ho an’ny isam-batan’olona sy ho an’ny sarambaben’olona. Tamin’ny fo mangoraka sy faharetana Izy no nilaza hoe:

“Ianareo dia ankizy madinika ary tsy mbola takatrareo ny halehiben’ireo fitahiana … nomaniny ho anareo;

“Ary tsy mahatanty ny zavatra rehetra ianareo ankehitriny; kanefa, matokia fa hitari-dalana anareo Aho.”1

Ry rahalahiko malala, mijoro ho vavolombelona aho fa tena efa nitarika antsika Izy, ary mbola mitarika antsika, rehefa mikatsaka ny hihaino Azy isika. Tiany ny hitomboantsika sy hianarantsika, na dia amin’ny alalan’ny fahoriana aza, ary angamba indrindra amin’ny alalan’ny fahoriana.

Mpampianatra lehibe ny fahoriana. Inona no nianaranao tao anatin’izay roa taona lasa izay ka tianao hotsaroana? Samy hanana ny valiny manokana ho anareo ianareo, saingy mamelà ahy hanolotra lesona efatra izay antenaiko fa nianarantsika rehetra ary tsy ho hadinontsika mandrakizay.

Lesona 1: Ny tokantrano no ivon-toeran’ny finoana sy ny fitsaohana

Matetika rehefa mampitandrina antsika momba ny loza mety hitranga amin’ny andro farany ny Tompo, dia manoro hevitra Izy hoe: “Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina.”2 Azo antoka fa tafiditra ao anatin’izany “toerana masina” izany ireo tempoly sy trano fiangonan’ny Tompo. Saingy rehefa noferana tamin’ny fomba samy hafa ny fivoriantsika any amin’ireo toerana ireo dia nianatra isika fa anisan’ireo toerana masina indrindra eto an-tany ny tokantrano, eny, ny tokantranonao.

Ry rahalahy, mihazona ny fisoronan’ Andriamanitra ianareo. “Ny zon’ny fisoronana dia mifamatotra amin’ny herin’ny lanitra.”3 Efa nandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana ianao sy ny fianakavianao. “Miharihary ao amin’ny ôrdônansin’ny [fisoronana] ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.”4 Manana izany hery izany ianareo sy ny fianakavianareo any an-tokantranonareo rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana nataonareo ianareo.5

185 taona katroka izao, tamin’ny andron’ny 3 aprily 1836, dia namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana i Elia, izay nanome fahafahana ny fianakaviantsika ho fehezina mandrakizay. Izany no mahatonga ny fizarana ny fanasan’ny Tompo any an-tokantranonareo ho tena mahafinaritra tokoa. Nisy fiantraikany tamin’ny olona ao amin’ny fianakavianareo amin’ny fomba ahoana, araka ny eritreritrareo, ny mahita anareo, izay rainy, raibeny, vadiny, zanany na anadahiny, manatanteraka io ôrdônansy io? Inona no hataonareo mba hihazonana izany fahatsapana masina izany ao amin’ny fianakavianareo?

Mety hahatsapa ianareo fa mbola misy zavatra hafa ilainareo atao mba hahatonga ny tokantranonareo ho fitoeran’ny finoana. Raha izany no izy dia ataovy! Raha manambady ianao, miaraha-midinika amin’ny vadinao amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta aminao azy ao amin’ity asa lehibe ity. Vitsy ny zavatra atao manan-danja kokoa noho izany. Manomboka izao ka mandra-piavin’ny Tompo indray, dia mila ny tokantranontsika ho toerana milamina sy azo antoka isika rehetra.6

Ny fihetsika sy ny zavatra atao izay manasa ny Fanahy no hampitombo ny fahamasinan’ny tokantranonareo. Azo antoka koa fa hanjavona ny fahamasinana raha misy zavatra manafintohina ny Fanahy Masina ny fihetsikareo na ny tontolo manodidina anareo, satria “misintona ny lanitra”7 amin’izay fotoana izay.

Moa ve efa nanontany tena ianareo hoe nahoana no tian’ny Tompo hataontsika ho ivon-toeran’ny fianarana sy fiainana ny filazantsara ny tokantranontsika? Tsy natao hanomana antsika, sy hanampy antsika, amin’ny valanaretina fotsiny izany. Mbola hifarana ireo famerana ankehitriny amin’ny fivoriana. Fa ny fanoloran-tenanareo hanao ny tokantranonareo ho fitoerana fototra iorenan’ny finoana kosa anefa dia tsy tokony hifarana na oviana na oviana. Arakaraka ny mampihena ny finoana sy ny fahamasinana eto amin’ity tontolo lavo ity no ilanareo toerana masina kokoa. Mamporisika anareo aho mba hanao ny tokantranonareo ho tena toerana masina ka “tsy hoesorina8 amin’izany tanjona manan-danja izany.

Lesona 2: Mila mifanampy isika

Tian’ Andriamanitra hiara-hiasa sy hifanampy isika. Izany no antony nandefasany antsika teto an-tany tao anatina fianakaviana ary nandaminany antsika ho anaty paroasy sy tsatòka. Izany no mahatonga Azy mangataka antsika mba hifanompo. Izany no mahatonga Azy mangataka antsika mba ho eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.9 Afaka mahavita zavatra betsaka isika rehefa miaraka toy izay rehefa irery.10 Tsy handeha ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana raha toa ka mitokatokana ireo zanany.

Niavaka ilay valanaretina vao tsy ela satria nahavoa ny olona rehetra manerana izao tontolo izao tamin’ny fotoana iray. Na dia nijaly mihoatra ny sasany aza ny hafa, dia samy nandalo fahasarotana avokoa isika rehetra. Noho izany dia manana ny fahafahana tsy misy toa azy hampiray ireo zanak’ Andriamanitra ilay fitsapana iombonantsika. Koa manontany aho hoe: nampifanakaiky anareo tamin’ny mpiara-belona aminareo (ireo rahalahy sy anabavinareo eny amin’ny manodidina sy manerana izao tontolo izao) ve ity fitsapana iarahana ity?

Afaka manampy antsika amin’izany ireo didy roa lehibe: voalohany dia ny fitiavana an’ Andriamanitra, faharoa, dia ny fitiavana ny namantsika.11 Maneho ny fitiavantsika isika amin’ny alalan’ny fanompoana.

Raha mahafantatra olona manirery ianao, dia ampio izy, na dia manirery koa aza ianao! Tsy voatery manana antony na hafatra na asa hifampiraharahana ianareo. Arahabao fotsiny izy ary asehoy ny fitiavanao. Afaka manampy anao ny teknôlôjia. Na misy valanaretina na tsia, dia mila mahafantatra ny zanaka sarobidin’ Andriamanitra tsirairay fa tsy irery izy.

Lesona 3: Ny kôlejin’ny fisoronana izay misy anao dia tsy natao hivoriana fotsiny

Nandritra ilay valanaretina dia nofoanana amin’ny fotoana voafetra ireo fivorian’ny kôlejy. Ny kôlejy sasany izao dia afaka manao fivoriana virtoaly. Na izany aza dia tsy natokana ho an’ny fivoriana fotsiny ihany ny asa nomen’ny Tompo ny kôlejin’ny fisoronana. Ny fivoriana dia ampahany kely fotsiny amin’ny antony isian’ny kôlejy sy ny zavatra azony atao.

Ry rahalahiko ao amin’ny Fisoronana Aharôna, avelaro kokoa ny fijerinareo ny antony ananantsika ny kôlejy. Ahoana no antenain’ny Tompo hampiasanareo ny kôlejy misy anareo mba hanatanterahana ny asany, izao? Mikatsaha fanambarana avy amin’ny Tompo. Manetre tena! Mangataha! Mihainoa! Raha nantsoina hitarika ianao, miaraha midinika amin’ny fiadidiana sy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy. Na inona na inona anjara fanompoana na antso anananao ao amin’ny fisoronana, dia avelao Andriamanitra hanjaka amin’ny fanoloran-tenanao amin’ny maha-mpikamban’ny kôlejy misy anao anao sy ao amin’ny fanompoana ataonao. Iaino am-pifaliana ny fahamarinana entinao rehefa “[m]azoto [h]irotsaka amin’ny tanjona tsara”12 ianao. Manana toerana manokana ny kôlejy hanafaingana ny fanangonana an’ Isiraely eo amin’ny lafiny roa amin’ny voaly.

Lesona 4: Maheno kokoa an’i Jesoa Kristy isika rehefa tony

Miaina ao anaty fotoana izay novinaniana taloha ela be isika hoe: “hisamboaravoara ny zava-drehetra; ary ho ketraka marina tokoa ny fon’ny olona; fa ho tonga amin’ny olon-drehetra ny tahotra.”13 Marina izany talohan’ilay valanaretina, ary mbola ho marina aorin’izany. Hitombo hatrany hatrany ny savorovoro eto an-tany. Mifanohitra amin’izany, ny feon’ny Tompo dia “tsy ny feon’ny kotro-baratra … fa indro kosa izany dia feo malefaka sy tony tanteraka miova tsy ny bitsika iray, ary izany dia mandoaka na dia hatrany amin’ny aty fanahy aza.”14 Mba hahafahana mahare io feo tony io, dia mila tony ihany koa ianao!15

Nofoanan’ilay valanaretina amin’ny fotoana voafetra ireo zavatra atao izay ho nameno ny fiainantsika raha ny tokony ho izy. Tsy ho ela dia mety ho afaka misafidy ny hameno izany fotoana izany indray amin’ny tabataba sy savorovoron’izao tontolo izao isika. Na afaka mampiasa ny fotoantsika isika mba hihainoana ny feon’ny Tompo mibitsika ny fitarihany sy ny fampiononany ary ny fiadanany. Fotoana masina ny fotoana hanginana, fotoana izay hanamora ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy hampisy fiadanana.

Fehezo ny tenanao mba hanana fotoana irery sy miaraka amin’ireo olona akaikin’ny fonao. Sokafy amin’ Andriamanitra ao anatin’ny vavaka ny fonao. Makà fotoana hirotsahana ao anatin’ny famakiana soratra masina sy amin’ny fanompoana any amin’ny tempoly.

Ry rahalahiko malala, betsaka ireo zavatra tian’ny Tompo hianarantsika avy amin’ireo zavatra niainana nandritra ity valanaretina ity. Efatra fotsiny no notanisaiko. Manasa anareo aho mba hanao lisitra anareo manokana, sy handinika tsara izany, ary hizara izany amin’ireo izay tianareo.

Mamiratra ny hoavin’ireo vahoakan’ Andriamanitra mpitandrina fanekempihavanana.16 Hiantso hatrany ireo mpanompony izay mihazona amim-pahamendrehana ny fisoronana ny Tompo mba hitahy sy hampionona ary hankahery ny olombelona sy hanampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy ho amin’ny Fiaviany Fanindroany. Anjarantsika ny manao izay hahamendrika antsika ny fanendrena masina noraisintsika. Vitantsika izany! Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, miaraka amin’ny fanehoako ny fitiavako anareo tsirairay avy, ry rahalahiko malala, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.