Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny antony handehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Ny antony handehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Tena zava-dehibe manokana sy mandrakizay ny mampiavaka ny lalan’ny fanekempihavanana.

Nandritra ny asa fanompoana nataony dia nandalina sy nampianatra mikasika ireo fanekempihavanan’ Andriamanitra nataony tamin’ireo zanany ny Filoha Russell M. Nelson. Izy dia ohatra miavaka amin’ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Tao anatin’ny hafany voalohany tamin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy dia nilaza ny Filoha Nelson hoe:

“Ny fanoloranao tena mba hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa natokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy na aiza na aiza.

“… Ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ireo fanekempihavanana ataonao any dia zava-dehibe eo amin’ny fanamafisana orina ny fiainanao, ny fanambadianao sy ny fianakavianao, ary ny fahafahanao manohitra ny fanafihan’ny fahavalo. Ny fitsaohana ataonao any amin’ny tempoly sy ny asa fanompoana ataonao any dia hanome fanambarana ho an’ny tena manokana sy fiadanana bebe kokoa ho anao ary hanamafy orina ny fanoloran-tenanao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.”1

Inona no atao hoe lalan’ny fanekempihavanana? Ilay lalana mitondra mankany amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra izany. Miditra eo amin’ilay lalana isika rehefa atao batisa ary avy eo “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy … amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra [ireo didy roa lehibe indrindra] … hatramin’ny farany.”2 Eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana (izay marihiko fa mbola mitohy aorian’ity fiainana ity), isika dia mandray ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana rehetra mifandray amin’ny famonjena sy ny fisandratana.

Ny fanolorantenantsika fototra manoloana ny fanekempihavanana nataontsika dia ny manatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny “hankatò ny didiny amin’ny zava-drehetra izay handidiany an[tsika].”3 Ny fanarahana ireo fitsipika sy didy ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isan’andro isan’andro no lalana mitondra fahasambarana sy fahafaham-po indrindra eo amin’ny fiainana. Hahafahana misoroka olana sy nenina maro izany. Mamelà ahy hampiasa fifanahafana mikasika ny fanatanjahantena. Rehefa milalao tennis dia misy ny atao hoe fautes directes. Misy ny hoe mandona baolina azo lalaovina tsara amin’ny harato na manao double fautes rehefa anjaranao ny manolotra ny baolina. Ny fautes directes dia heverina ho hadisoana avy amin’ny mpilalao fa tsy hoe vokatry ny fahaizan’ny mpifanandrina.

Matetika loatra dia isika ihany no mahatonga ireo olana eo amintsika, na vokatry ny safidy tsy dia tsara nataontsika izany, na, azo lazaina hoe vokatry ny “fautes directes” izy ireny. Rehefa mandeha amim-pahazotoana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika dia tena misoroka tsotra izao “fautes directes” maro. Manalavitra ireo karazana fiankinan-doha maro isika. Tsy tafalatsaka ao anatin’ny lavaky ny tsy fahamarinan-toetra isika. Afaka miampita ny hantsan’ny tsy fahadiovam-pitondrantena sy ny fivadiham-pitokisana ao amin’ny fanambadiana isika. Lasa tsy miraharaha ireo olona na zavatra izay, na dia malaza aza, mety hampidi-doza antsika eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy isika. Sorohantsika ireo safidy izay hanimba na hiteraka olana ho an’ny hafa, fa lasa manana fahazarana mifehy tena sy manompo kosa isika.4

Voalaza fa niteny izao manaraka izao ny Loholona J. Golden Kimball: “Na dia tsy mandeha eo amin’ilay lalana ety sy tery foana aza aho dia miezaka ny hiampita eo amin’izany lalana izany araka izay azoko atao aho.”5 Raha ny marina dia azoko antoka fa hanaiky ny Rahalahy Kimball hoe ny fijanonana, fa tsy ny fiampitana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana fotsiny no fanantenantsika lehibe indrindra mba hisorohana ireo fijaliana azo sorohina etsy andaniny, ary mba hiatrehana amim-pahombiazana ireo fahoriana mitranga eo amin’ny fiainana izay tsy azo sorohina etsy ankilany.

Mety hisy hilaza hoe, “Afaka manao safidy tsara aho na natao batisa na tsia; tsy mila fanekempihavanana aho mba ho olona mendri-kaja sy mahomby.” Marina tokoa, maro ireo izay, na dia tsy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana aza, dia manao safidy sy mitondra anjara biriky mitovy amin’ny ataon’ireo izay eo amin’ilay lalana. Mety hiteny ianao hoe mijinja ireo fitahian’ny fandehanana “tsy tapaka eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana” izy ireo. Inona ary izany no mampiavaka ny lalan’ny fanekempihavanana?

Raha ny marina dia tena zava-dehibe manokana sy mandrakizay ny mampiavaka azy. Tafiditra ao anatin’izany ny toetoetran’ny fankatoavantsika, ny toetoetran’ny fanolorantenan’ Andriamanitra amintsika, ny fanampiana masina azontsika, ny fitahiana voafatotra amin’ny fanangonana amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanana antsika, ary ny manan-danja indrindra, dia ny lovantsika mandrakizay.

Fankatoavana nanolorana tena

Voalohany dia ny toetoetran’ny fankatoavantsika an’ Andriamanitra. Mihoatra noho ny hoe manana faniriana tsara fotsiny, isika dia manolo-tena amin’ny fomba lehibe ny hivelona amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra. Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika ao amin’izany, izay tamin’ny alalan’ny nanaovana batisa Azy, “[nampiseho] ny zanak’olombelona araka ny maha-nofo, fa manetry ny tenany eo anoloan’ny Ray Izy ary mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray, fa hankatò Azy amin’ny fitandremana ny didiny.”6

Ao anatin’ny fanekempihavanana, dia manam-piniavana isika tsy hoe hisoroka fahadisoana fotsiny fa hitandrina koa eo amin’ireo fanapahan-kevitra raisintsika. Mahatsapa ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra isika amin’ny safidintsika sy ny fiainantsika. Mitondra ny anaran’i Kristy eo amintsika isika. Mifantoka amin’i Kristy isika, mba ho mahery fo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa ary mba hampitombo ny fananana ny toetran’i Kristy.

Ao anatin’ny fanekempihavanana dia lasa mipaka lalina ao amin’ny fanahintsika mihitsy ny fankatoavana ireo fitsipiky ny filazantsara. Mahafantatra mpivady iray aho izay tamin’ny fotoana nivadian’izy ireo dia mpikambana nalaindaina ravehivavy tao amin’ny Fiangonana ary tsy mbola mpikamban’ny Fiangonana ralehilahy. Ho antsoiko hoe Mary sy John izy ireo, izay tsy tena anaran’izy ireo. Rehefa nanomboka nanan-janaka izy ireo, i Mary dia nahatsapa mafy ny ilana ny hanabeazana azy ireo araka ny voalazan’ny soratra masina hoe “[t]amin’ny fanabeazana sy ny fananarana araka ny Tompo.”7 Nanohana izany i John. Nanao fahafoizan-tena lehibe i Mary mba ho ao an-trano hampianatra tsy tapaka ny filazantsara. Nataony izay hisitrahan’ny fianakaviana tanteraka ny fitsaohana sy ny fiaraha-mientana ao amin’ny Fiangonana. Lasa ray aman-dreny fakan-tahaka i Mary sy i John, ary ireo zanany (izay zazalahy mavitrika avokoa) dia nihalehibe tao amin’ny finoana sy fanolorantena ao amin’ireo fitsipika sy fenitra arahina ao amin’ny filazantsara.

Ny ray aman-drenin’i John, izany hoe ny ray aman-dreniben’ireo zazalahy, dia faly tamin’ny fiainana madio niainan’ireo zafikeliny sy ny zava-bitan’izy ireo, saingy noho ny fisian’ny zavatra notoherin’izy ireo tao amin’ny Fiangonana dia te hampifandray tanteraka izany fahombiazana izany amin’ny fahaiza-manaon’i John sy i Mary amin’ny fanabeazana izy ireo. Na dia tsy mpikamban’ny Fiangonana aza i John dia tsy nanaiky ny hamelana izany tsoan-kevitra izany ho ekena amin’izao. Nohamafisiny fa nanatri-maso ny vokatra nentin’ny fampianarana ny filazantsara izy ireo, dia ny zavatra niainan’ireo zanakalahiny any am-piangonana sy ao an-tokantrano izany.

Na i John koa aza dia nentanin’ny Fanahy, ny ohatra sy ny fitiavana nasehon’ny vadiny, ary ny famporisihana nataon’ireo zanany lahy. Rehefa tonga ny fotoana nampety izany dia natao batisa izy, izay nahafaly tokoa ny mpikambana tao amin’ny paroasy sy ireo namana.

Na dia nisy foana aza ireo olana natrehan’izy ireo sy ny zanak’izy ireo lahy, dia manamafy amin’ny fony manontolo i Mary sy i John fa, raha ny marina dia ny fanekempihavanan’ny filazantsara no fototra niavian’ireo fitahian’izy ireo. Hitan’izy ireo ny fahatanterahan’ny tenin’ny Tompo tamin’i Jeremia teo amin’ny fiainan’ny zanak’izy ireo sy ny fiainan’izy ireo manokana: “Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.”8

Mifamatotra amin’ Andriamanitra

Lafiny iray faharoa mampiavaka ny lalan’ny fanekempihavanana ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra. Ny fanekempihavanana atolotr’ Andriamanitra ny zanany dia mahavita mihoatra ny hoe mitarika antsika fotsiny. Mamatotra antsika Aminy izany, ary rehefa mifatotra Aminy dia afaka mandresy ny zava-drehetra isika.9

Indray andro aho namaky lahatsoratra nosoratan’ny mpanao gazety iray tsy nahazo fampahalalana ampy izay nanazava fa ny fomba fanaovantsika batisa ho an’ny maty dia ny fanitrihana microfilm ao anaty rano. Dia atao hoe vita batisa ny anaran’ireo rehetra izay miseho eo amin’ilay microfilm ny anarany. Mety hanamora zavatra izany fomba fiasa izany saingy tsy miraharaha ny maha-sarobidy mandrakizain’ny fanahy tsirairay sy ny lanja goavan’ny fanekempihavanana ifanaovana manokana amin’ Andriamanitra izany.

“Hoy [Jesoa] hoe … : Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fiainana, ary misy vitsy izay mahita izany.”10 Raha lazaina amin’ny hevi-teny itarina dia tena tery dia tery ilay vavahady hany ka olona iray isaky ny mandeha no afaka miditra izany. Ny tsirairay dia manolo-tena manokana amin’ Andriamanitra ary mandray ho valin’izany, fanekempihavanana manokana avy Aminy, amin’ny anaran’ilay olona manokana, izay mifono hoe azony ianteherana mandritra ity fiainana ity sy mandrakizay. “Miharihary ao amin’ireo ôrdônansy [sy ireo fanekempihavanana] ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” eo amin’ny fiainantsika.11

Fanampiana masina

Izany dia mitarika antsika amin’ilay fitahiana manokana fahatelo entin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Manome fanomezana saika tsy hay takarina mba hanampiana ny mpanao fanekempihavanana ho mpitandrina fanekempihavanana Andriamanitra: dia ny fanomezana ny Fanahy Masina izany. Izany fanomezana izany dia ny zo hanana lalandava ny Fanahy Masina ho namana sy hahazo lalandava ny fiarovany ary ny fitarihany.12 Ny Fanahy Masina izay fantatra ihany koa amin’ny hoe ilay Mpampionona dia “[h]ameno [antsika] amin’ny fanantenana sy fitiavana tanteraka.”13 “Mahalala ny zava-drehetra [Izy] sady vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka,”14 ka isika dia manolo tena ny ho vavolombelon’ Izy Ireo.15

Rehefa eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika dia mahita koa ireo fitahiana tena ilaina dia ny famelan-keloka sy ny fanadiovana amin’ny fahotana izany. Izany dia fanampiana tsy afaka ny ho tonga raha tsy amin’ny alalan’ny fahasoavana masina azo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ihany. “Ankehitriny dia izao no didy” hoy ny Tompo, “Mibebaha, ianareo rehetra faran’ny tany, ary mankanesa aty Amiko ary aoka hatao batisa amin’ny anarako mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany.”16

Tafangona miaraka amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanana

Fahefatra, ireo izay manaraka ny lalan’ny fanekempihavanana dia mahita fitahiana miavaka ihany koa ao amin’ireo fanangonana samihafa voatendrin’ Andriamanitra. Ny faminaniana mikasika ny fanangonana ara-bakitenin’ireo fokon’i Isiraely niely patrana nandritra ny fotoana ela ho ao amin’ny tany lovan’izy ireo dia hita manerana ny soratra masina.17 Ireo faminaniana sy fampanantenana ireo dia efa an-dalam-pahatanterahana ankehitriny miaraka amin’ny fanangonana ny vahoakan’ny fanekempihavanana ho ao amin’ny Fiangonana, ilay fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Nanazava ny Filoha Nelson hoe, “Rehefa miresaka fanangonana isika, dia milaza tsotra fotsiny an’ity fahamarinana fototra ity: ny zanaky ny Raintsika any An-danitra tsirairay avy, eo amin’ny lafy roan’ny voaly, dia mendrika ny handre ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.”18

Mandidy ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny Tompo hoe: “Mitsangàna ary mamirapiràta mba hahatonga ny fahazavanao ho faneva ho an’ireo firenena; … mba hahatonga ny fiaraha-mivondrona eo amin’ny tanin’i Ziona sy eo amin’ny tsatòkany ho fiarovana sy ho fialofana amin’ny tafio-drivotra sy amin’ny fisafoahana, rehefa haidina tsy misy fangarony amin’ny tany manontolo izany.”19

Misy ihany koa ny fivondronan’ny vahoakan’ny fanekempihavanana isan-kerinandro ao amin’ny trano fivavahana amin’ny andron’ny Tompo, mba “hahazoan[tsika] miaro tanteraka kokoa ny tenan[tsika] tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao.”20 Izany dia fivondronana mba handray ny mofo sy ny ranon’ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary fotoana “mba hifad[iana] hanina sy hivava[hana] ary hifampiresa[hana amintsika] samy [isika] ny momba ny fiadanan’ny fanahin[tsika].”21 Fony aho zatovo dia izaho irery no mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny kilasy nisy ahy tao amin’ny lisea. Tiako ny fiarahana tamin’ireo namana tsara tao an-tsekoly, kanefa hitako fa niantehitra betsaka tamin’ny fivondronana amin’ny Sabata isan-kerinandro aho mba hamelombelomako sy hanavaozako ny tenako ara-panahy, sy ara-batana mihitsy aza. Tena nahatsapa mafy ny namoizana izany fanangonana ao amin’ny fanekempihavanana fanao tsy tapaka izany isika eo anatrehan’ilay valanaretina ankehitriny, ary tena miandrandra fatratra ny fotoana hiarahana indray tahaka ny teo aloha isika.

Ny vahoakan’ny fanekempihavanana dia mivondrona ao amin’ny tempoly ihany koa, izay tranon’ny Tompo, mba handray ôrdônansy sy tsodrano ary fanambarana tsy azo raha tsy any. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra hoe: “Inona no tanjon’ny famoriana … ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny taona rehetra manerana izao tontolo izao? Ny hanangana trano ho an’ny Tompo izay ahafahany manambara amin’ny vahoakany ireo ôrdônansy atao ao amin’ny tranony sy ireo voninahitry ny fanjakany, ary ny hampianatra amin’ny vahoaka ny lalana mankany amin’ny famonjena no tanjona fototra; fa misy ireo ôrdônansy sy fitsipika sasany izay, rehefa ampianarina sy ampiharina, dia tsy maintsy atao any amin’ny toerana iray na trano naorina ho amin’izany tanjona izany.”22

Mandova ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana

Farany dia amin’ny alalan’ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ihany no ahafahantsika mandova ireo fitahian’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, dia ny fitahiana faratampon’ny famonjena sy fisandratana, izay Andriamanitra ihany no afaka manome azy.23

Matetika ireo soratra masina rehefa miresaka hoe ny vahoakan’ny fanekempihavanana dia midika hoe taranaka ara-bakitenin’i Abrahama na ny “mpianakavin’i Isiraely” izany. Saingy isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanana ihany koa ireo rehetra izay mandray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.24 Nanazava i Paoly hoe:

“Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy. …

“Fa raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.”25

Ireo izay tsy mivadika amin’ny fanekempihavanany dia “hivoaka amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty.”26 Izy ireo dia “natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa, ilay mpanalalan’ny fanekempihavanana vaovao. … Ireny no ireo izay selestialy ny vatany, izay ny an’ny masoandro ny voninahiny, dia ny voninahitr’ Andriamanitra, ny avo indrindra amin’ny rehetra.”27 “Koa ny zava-drehetra dia azy ireo, na fiainana, na fahafatesana, na ireo zavatra ankehitriny, na ireo zavatra ho avy, ny rehetra dia azy ireo ary izy ireo dia an’i Kristy ary i Kristy dia an’ Andriamanitra.”28

Ndeha isika tsirairay sy isika miaraka hihaino ny antson’ny mpaminany mba hitoetra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Nahita ny vaninandrontsika i Nefia ka nanoratra hoe: “Izaho Nefia dia nahatazana ny herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra fa izany dia nidina tamin’ny olomasin’ny fiangonan’ny Zanakondry sy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, izay naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany; ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe.”29

“Ny fanahiko koa [tahaka an’i Nefia] dia finaritra amin’ny fanekempihavanan’ny Tompo.”30 Amin’ity alahadin’ny Paska ity dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy aho, izay ny Fitsanganany tamin’ny maty no fanantenana sy ny fanomezan-toky tsy azo lavina ho antsika ny amin’ireo zavatra rehetra nampanantenaina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy any amin’ny faran’izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.