Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Manana andraikitra mivantana ny tsirairay avy amintsika mba hanaraka ny ohatra nasehon’ilay Mpampianatra sy hampianatra toa Azy.

Mpampianatra miavaka

Volana vitsy lasa izay, ny mpiara-mianatra tamiko teo aloha avy tao amin’ny tanànan’i Overton Nevada niaviako dia nanolotra hevitra ny hikarakarana fanomezana noho ny Krismasy ho an’ny mpampianatra anay fony ankizy madinika, izay vao nankalaza ny faha-98 taonany. Nampianariny anay ny mba ho tsara fanahy, ny lanjan’ny torimaso fohy amin’ny antoandro, ny fifaliana avy amin’ny ronono sy bisky, ary ny fifankatiavana. Misaotra anao ry Rahavavy Davis fa tena mpampianatra nahafinaritra ianao.

Sary
Rahavavy Davis

Nanana mpampianatra miavaka iray hafa koa aho raha nianatra tao Ricks College taona maro lasa izay. Niomana ny hanao asa fitoriana aho ary nihevitra fa hanampy ny fanatrehana kilasy fiomanana ho misiônera. Nanova ny fiainako ny zavatra niainako.

Hatramin’ny fotoam-pianarana voalohany no nahafantarako fa teo anatrehan’ny mpampianatra matihanina aho. Rahalahy F. Melvin Hammond ilay mpampianatra. Fantatro fa tia ny Tompo sy tia ahy Rahalahy Hammond. Hitako teny amin’ny endriny sy reko tao amin’ny feony izany. Rehefa nampianatra izy dia nanazava ny saiko ny Fanahy. Nampianatra fotopampianarana izy, sady nanasa ahy ihany koa mba hianatra izany amin’ny tenako manokana. Nanampy ahy hahita mazava ny andraikitra hianatra amin’ny tenako manokana ny fotopampianaran’ny Tompo izany fanasana izany. Nanova ahy mandrakizay izany zavatra niainako izany. Misaotra anao ry Rahalahy Hammond noho ny fampianarana araka ny fomban’ny Mpamonjy.

Rahalahy sy ranabavy, mendrika ny hahazo izany karazana traikefa amin’ny fianarana izany, sady any an-trano no any am-piangonana koa ny olon-drehetra.

Ny fampahafantarana ny Avia, hanaraka Ahy dia nanolotra fahitana ny zava-bitan’ny fampianarana araka ny nataon’i Kristy. “Ny tanjon’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara rehetra,” hoy izany, “dia ny hampitomboana ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy sy hanampiana antsika hitovy bebe kokoa Aminy. … Ilay karazana fianarana filazantsara izay manamafy orina ny finoantsika sy mitondra fahagagana ateraky ny fiovam-po dia tsy mitranga eo no eo. Mihitatra mivoaka ny efitrano fianarana izany ka mankany amin’ny fo sy ny tokantranon’ny tsirairay.”1

Ny soratra masina dia maneho fa ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tany Amerika fahiny dia tena nisy fiantraikany lehibe sy niparitaka tokoa ka “niova fo ho an’ny Tompo avokoa ny vahoaka eran’ny lafiny rehetra teo amin’ny tany, na Nefita na Lamanita, ary tsy nisy fifandirana na fifanjihirana teo anivony, ary ny olona tsirairay dia nifampitondra araka ny hitsiny tokoa teo amin’izy samy izy.”2

Ahoana no ahafahan’ny fampianarantsika mitondra fiantraikany mitovy amin’izany eo amin’ireo olon-tiantsika? Ahoana no ahafahantsika mampianatra tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa sy manampy ny hafa ho lasa miova fo lalina kokoa? Mamelà ahy hanolotra anareo sosokevitra vitsivitsy.

Alaivo tahaka ny Mpamonjy

Voalohany ary manan-danja indrindra, ataovy andraikitrareo ny hianatra izay rehetra azonareo ianarana momba Azy ilay Mpampianatra Matihanina mihitsy. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoany fitiavana ho an’ny hafa? Inona no tsapan’izy ireo rehefa nampianatra Izy? Inona no nampianariny? Inona ireo zavatra nandrasany tamin’ireo izay nampianariny? Rehefa avy nandalina fanontaniana toy ireo ianareo, dia tombano sy ahitsio ny fomba fampianaranareo mba hitovy amin’ny fombany kokoa.

Manolotra loharom-pitaovana fampianarana maro ny Fiangonana ao amin’ny application Bibliothèque de l’Evangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Isan’izany loharano izany ilay mitondra ny lohateny hoe Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Manasa anareo aho hamaky sy handalina ny teny tsirairay ao amin’izany. Hanampy anareo amin’ireo ezaka ataonareo mba hitovy kokoa amin’i Kristy ao amin’ny fampianaranareo ireo fitsipika ireo.

Avoahy ny herin’ny fianakaviana

Ny sosokevitro manaraka dia azo aseho amin’ny alalan’ny zavatra niainako iray volana vitsy lasa izay rehefa nitsidika namana malala iray aho. Henoko ny vadiny niresaka tamin’olona tany ambadika tany ka niala tsiny haingana aho mba hahafahany miverina miaraka amin’ny fianakaviany.

Adiny iray na mahery taorian’izay dia nandray izao hafatra izao avy tamin’ilay vadiny mahafinaritra aho: “Rahalahy Newman, misaotra anao nandalo. Tokony nanasa anao hiditra izahay, kanefa tiako hozaraina aminao ny zavatra nataonay. Hatramin’ny nisian’ny valanaretina dia nifanakalo hevitra momba ny Avia, hanaraka Ahy tamin’ireo zanakay efa olon-dehibe tamin’ny alalan’ny Zoom izahay isaky ny alahady. Tena mitondra fahagagana izany. Heveriko fa izany angamba no fotoana voalohany namakian’ny zanakay vavy ny Bokin’i Môrmôna samy irery. Androany ny lesona farany momba ny Bokin’i Môrmôna ary vao nanapitra izany izahay rehefa nandalo ianao. … Nieritreritra aho fa ho liana ianao ny handre ny fomba nitondran’ny Avia, hanaraka Ahy sy ny Zoom ary ny valanaretina fahafahana manova fo amin’ny fotoana tena mety amin’izany. Mahatonga ahy hanontany tena izany hoe firy ireo fahagagana kely maro mitranga nandritra ity fotoana niavaka ity.”

Amiko izany dia toy ny fahatanterahan’ilay fampanantenana nataon’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny ôktôbra 2018. Nilaza izy fa ilay fandaharam-pampianarana manome sehatra ny fiainana sy fianarana ny zavatra ara-panahy ao an-tokantrano, izay hamafisin’ny zavatra atao any am-piangonana dia “manana ny fahafahana hamoaka ny herin’ny fianakaviana, rehefa miezaka manao zavatra am-pahamalinana sy am-pitandremana ny fianakaviana tsirairay mba hanova ny fonenany ho toerana masina isian’ny finoana. Mampanantena aho fa rehefa miasa amim-pahavitrihana hanamboatra ny tokantranonareo ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara ianareo dia ho tena fahafinaretana ny andro Sabatanareo rehefa mandeha ny fotoana. Hazoto hianatra sy hiaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ny zanakareo. Ho lehibe sy hampahery ireo fiovana ao amin’ny fianakavianareo.”3 Fampanantenana lehibe tokoa izany!

Mba hahatonga ny fiovam-po ho amin’i Jesoa Kristy ho tena manova fiainana dia tsy maintsy ahitana ny fanahintsika manontolo ary manenika ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika izany. Izany no antony tsy maintsy hifantohan’izany eo amin’ny ivon’ny fiainantsika, dia ny tokantranontsika.

Tsarovy fa an’ny tena manokana ny fiovam-po

Ny sosokevitro farany dia ny hahatsiarovana fa tsy maintsy avy ao anaty ny fiovam-po. Araka ny naseho ao amin’ilay fanoharana momba ireo virijiny folo dia tsy afaka manome ny soliky ny fiovam-pontsika amin’ny olon-kafa isika, na toy ny ahoana aza faniriantsika hanao izany. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Azo indray mitete isak’izay mandeha ity solika sarobidy ity … amim-paharetana sy tsy an-kijanona. Tsy misy fomba tsotra sy tsy mitaky ezaka; tsy misy fiomanana maimaika azo atao amin’ny fotoana farany.”4

Ny Avia, hanaraka Ahy dia mifototra amin’izany fahamarinana izany. Ampitahaiko amin’ilay anjely izay nanampy an’i Nefia hianatra momba an’i Jesoa Kristy izany rehefa nilaza izy hoe: “Jereo!”5 Toy izany anjely izany, ny Avia, hanaraka Ahy dia manasa antsika hijery ao amin’ny soratra masina sy ireo tenin’ireo mpaminany maoderina mba hahitana ny Mpamonjy sy handrenesana Azy. Toa an’i Nefia, isika dia hampianarin’ny Fanahy manokana rehefa mamaky sy mandalina ny tenin’ Andriamanitra. Ny Avia, hanaraka Ahy dia hazo fitsambinkinana izay mamela antsika hiroboka lalina ao amin’ireo rano velon’ny fotopampianaran’i Kristy.

Mitovy amin’izany amin’ny fomba maro ny andraikitry ny ray na reny iray. Mandova zavatra maro avy amin’ny ray aman-dreniny ny zanaka, saingy tsy anisan’izany ny fijoroana ho vavolombelona. Tsy afaka manome fijoroana ho vavolombelona ho an’ny zanatsika isika tahaka ny tsy ahafahantsika manery ny voa iray mba haniry. Saingy afaka manolotra tontolo mamokatra, miaraka amin’ny tany tsara, tsy misy tsilo izay mety “[h]angeja ilay teny” isika. Azontsika atao ny miezaka mamorona ireo fepetra tsara indrindra mba hahafahan’ireo zanatsika—sy ireo hafa izay tiantsika—mahita toerana ho an’ilay voa, “[mandre] ny teny, sy [mahatakatra] izany”6 ary mahita amin’ny tenan’izy ireo “fa tsara ilay voa.”7

Sary
Rahalahy Newman sy i Jack zanany lahy

Taona maro lasa izay, izaho sy i Jack zanako lahy dia nanana fahafahana nilalao tamin’ilay Fifaninana Tranainy tany St. Andrews tany Ecosse, izay niantombohan’ny lalao golf. Tena mahavariana tsotra izao izany! Rehefa tafaverina aho dia niezaka nampita tamin’ny hafa ny hatsaran’ilay zavatra niainako. Saingy tsy afaka nanao izany aho. Tsy nahavita izany ireo sary sy horonan-tsary ary ireo famaritako tsara indrindra. Fantatro nony farany fa ny hany fomba ahafantaran’ny olona iray ny halehiben’i St. Andrews dia ny miaina izany, mijery ireo tokontanim-pilalaovana golf midadasika, mifoka ny rivotra, mahatsapa ny kopa-drivotra eo amin’ny tarehy, ary mikapoka baolina golf hankao amin’ireo lavaka toy ny zohy na any amin’ireo kirihitra matevitevina.

Toy izany koa ny tenin’ Andriamanitra. Afaka mampianatra izany isika, afaka mitory izany, afaka manazava izany. Afaka miresaka momba izany isika, afaka mamariparitra izany, afaka mijoro ho vavolombelona momba izany mihitsy aza. Kanefa mandra-pahatongan’ny olona iray hahatsapa ny fahamasinan’ny tenin’ Andriamanitra mitsika ao amin’ny fanahiny toy ny ando avy any an-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy,8 dia ho toy ny mijery kara-tsary alefa paositra na sarin’ny fialan-tsasatry ny olon-kafa izany. Mila mankao mihitsy ny tenanao. Dia an’ny tena manokana ny fiovam-po—dia mikasika fanangonana.

Izay rehetra mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana dia afaka manolotra fahafahana ho an’ny hafa mba handray ny traikefa ara-panahy ho azy ireo manokana. Amin’ny alalan’ireny zavatra iainana ireny dia ho azon’izy ireo “fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra”.9 Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Raha manana fanontaniana avy amin’ny fo momba ny filazantsara na ny Fiangonana ianao, rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka ianao dia ho voatarika ianao hahita sy hahatakatra ny tena fahamarinana mandrakizay izay hitarika anao eo amin’ny fiainanao sy hanampy anao hijanona ho mafy orina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.”10

Hatsarao ny fampianarana

Manasa ireo mpitarika sy mpampianatra any amin’ny rafitra rehetra ato amin’ny Fiangonana aho mba hifanakalo hevitra miaraka amin’ny ray aman-dreny sy ny zatovo hahafahana manatsara kokoa ny fampianarana amin’ny lafiny rehetra, any amin’ny tsatòka, any amin’ny paroasy ary any an-tokantrano. Ho tontosa izany amin’ny alalan’ny fampianarana fotopampianarana sy fampidirana fifanakalozan-kevitra feno ny Fanahy momba ireo fahamarinana nampianarin’ny Fanahy Masina antsika nandritra ireo fotoana manginan’ny fandalinantsika manokana.

Ry namako malala ao amin’i Kristy, manana andraikitra ny tsirairay avy amintsika mba hanaraka ny ohatra nasehon’ilay Mpampianatra sy hampianatra toa Azy. Ny fombany no tena fomba! Rehafa manaraka Azy isika, “rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy tahaka ny maha- Izy Azy; mba hananantsika izany fanantenana izany; mba hahazoana manadio antsika tahaka Azy izay madio.”11 Amin’ny anaran’Ilay efa nitsangana tamin’ny maty, ilay Tompo Mpampianatra Izy tenany, dia i Jesoa Kristy, amena.