Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Endrey! Mampalahelo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Endrey! Mampalahelo

Mila ny olon-drehetra isika ao amin’ny paroasy sy sampana tsirairay—ireo izay mety ho matanjaka ary ireo izay mety ho misedra olana. Ilaina daholo ny rehetra.

Fony aho mbola zazalahy, dia tsaroako ny fandehanana fiara niaraka tamin-draiko ka nahita olona teny amin’ny sisin-dalana izay nisedra zava-tsarotra na nila fanampiana. Dia izao foana no fanamarihana nataon’ny raiko hoe: “Pobrecito,” izay midika hoe “Endrey! Mampalahelo.”

Indray mandeha dia nojereko tsara raha nanampy ny maro tamin’ireo olona ireo ny raiko, indrindra rehefa nandeha nankany Meksika mba hahita ireo raibeko sy renibeko izahay. Nandeha nitady olona tao anaty fahasahiranana izy ary avy eo dia nandeha samirery ka nanolotra ny fanampiana izay nilain’izy ireo. Taty aoriana dia nianatra aho fa nanampy azy ireo hisoratra anarana tany an-tsekoly sy nividy sakafo ho azy ireo ary nanolotra fanampiana tamin’ny fomba isan-karazany ho fanasoavana azy ireo izy. Nanompo ny “mampalahelo” izay nifanojo taminy izy. Raha ny marina, tao anatin’ireo taona maro nitomboako dia tsy tsaroako ny fotoana iray izay tsy nisian’olona niara-nipetraka taminay izay nila toerana iray nipetrahana raha mbola teo an-dalana ho nahaleo tena izy ireo. Ny fijerena ireo zavatra niainana ireo dia nitondra fanahin’ny fangorahana tao amiko ho an’ireo lehilahy sy vehivavy mpiara-belona amiko sy ho an’ireo izay tao anatin’ny fahasahiranana.

Milaza toy izao ny ao amin’ny Torio ny Filazantsarako: “Voahodidin’ny olona maro ianao. Mifanena amin’izy ireo eny an-dalana ianao, sy mamangy azy ireo any an-tokantranony ary mivezivezy eo anivon’izy ireo. Zanak’ Andriamanitra daholo izy ireo, rahalahinao sy anabavinao. … Maro amin’ireo olona ireo no eo am-pitadiavana ny tanjon’ny fiainana. Miahiahy ny amin’ny hoaviny sy ny an’ny fianakaviany izy ireo” (Torio ny Filazantsarako: Boky torolalana amin’ny asa fitoriana [2018], 1).

Nandritra ireo taona maro nanompoana tato amin’ny Fiangonana dia niezaka nitady ireo izay nila fanampiana teo amin’ny fiainany aho, na tamin’ny ara-nofo na tamin’ny ara-panahy. Matetika aho no maheno ny feon-draiko manao hoe: “Pobrecito,” endrey! Mampalahelo.

Mahita ohatra mahafinaritra momba ny fikarakarana ireo mampalahelo isika ao amin’ny Baiboly:

“Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan’ny tempoly tamin’ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.

“Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan’andro teo anoloan’ny vavahadin’ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’izay niditra ny kianjan’ny tempoly;

“Nony nahita an’i Petera sy Jaona efa hiditra eo an-kianjan’ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.

“Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.

“Dia nibanjina azy roalahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.

“Fa hoy i Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.

“Ary noraisiny tamin’ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany: dia natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny” (Asan’ny Apostoly 3:1–7; nampiana fanamafisana).

Rehefa namaky an’io tantara io aho dia nanitikitika ahy ny fampiasana ny teny hoe nibanjina. Ny teny hoe mibanjina dia midika hoe mampitodika ny maso na ny eritreritra, na mijery tsara (jereo ny “fasten,” ao amin’ny Dictionary.com). Rehefa nijery an’io lehilahy io i Petera dia tsy nitovy tamin’ny olon-kafa ny fahitany azy. Nihoatra ny tsy fahafahany mandeha sy ny fahalemeny no nijereny azy ka dia tsapany fa ampy ny finoany hahasitrana azy sy hidirana ao amin’ny tempoly mba handraisana ireo fitahiana izay nokatsahiny.

Tsikaritro fa noraisiny tamin’ny tanany ankavanana ilay lehilahy ary natsangany. Rehefa nanampy ilay lehilahy tamin’izany fomba izany izy dia nositranin’ny Tompo tamin’ny fomba mahagaga ilay lehilahy, ary “dia natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny” (Asan’ny Apostoly 3:7). Ny fitiavany an’io lehilahy io sy ny faniriana hanampy azy dia niteraka fitomboan’ny fahafahan’ilay lehilahy izay nalemy hihetsika sy hanao zavatra.

Fony aho Fitopololahin’ny Vondromparitra dia natokako ny talata hariva hanatontosako ireo famangiana ao amin’ny fanompoana miaraka amin’ireo filohan’ny tsatòka ao amin’ny faritra izay iandraiketako. Nasaiko izy ireo hifanao fotoana tamin’ireo izay tao anatin’ny filana ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na ireo izay tsy teo am-pitandremana ny fanekempihavanana nataon’izy ireo. Notahian’ny Tompo ny ezaka nataonay tamin’ny alalan’ireo fanompoana tsy tapaka sy tamin-kitsim-po, hany ka afaka nahita isam-batan’olona sy fianakaviana izay tao anaty fahasahiranana izahay. Ireo no olona “mampalahelo” izay niaina tao anatina tsatòka samihafa tao amin’ny faritra izay nanompoanay.

Indray mandeha dia niaraka tamin’ny Filoha Bill Whitworth, ny filohan’ny tsatòkan’i Sandy Utah Canyon View aho, mba hanao fitsidihana ao anatin’ny fanompoana. Tena nivavaka momba ireo olona izay tokony hovangianay izy, niezaka ny hanana traikefa nitovy tamin’ny an’i Nefia izay “notarihin’ny Fanahy, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hatao[ny]” (1 Nefia 4:6). Nasehony fa rehefa manompo isika dia tokony hotarihin’ny fanambarana ho any amin’ireo izay tena ao anaty fahasahiranana, ka mifanohitra amin’ny hoe mijery lisitra fotsiny na mamangy olona amin’ny fomba voarindra. Tokony ho tarihin’ny herin’ny fanentanam-panahy isika.

Tsaroaka raha nandeha tao an-tokantranon’ny mpivady vao herotrerony iray izahay, i Jeff sy i Heather ary i Kai zanak’izy ireo lahy. Nazoto hatrany tao amin’ny Fiangonana i Jeff fony fahakeliny mandra-pahalehibebe. Atleta tena nanan-talenta izy ary tena namirapiratra ny hoaviny. Nanomboka nisintaka tamin’ny Fiangonana izy tamin’ny fahatanorany. Taty aoriana dia tratran’ny lozam-pifamoivoizana izy, ary nanova ny lalam-piainany izany. Rehefa niditra tao an-tranon’izy ireo izahay ka nifankafantatra dia nanontany ny antony nankanesanay mba hihaona amin’ny fianakaviany i Jeff. Namaly izahay fa nisy teo ho eo amin’ny 3.000 ny isan’ny mpikambana izay nipetraka tao anatin’ny faritry ny tsatòka. Nanontaniako izy avy eo hoe: “Jeff a! amin’ireo tokantrano rehetra izay azonay notsidihana anio alina, dia mba lazao anay hoe fa nahoana no nalefan’ny Tompo eto izahay.”

Lasa niontam-po i Jeff tamin’izay ka dia nanomboka nizara taminay ny sasany tamin’ireo ahiahiny sy ny olana sasany izay natrehan’ny fianakaviany. Nanomboka nizara fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isan-karazany izahay. Nasainay izy ireo hanao zavatra vitsivitsy manokana izay mety ho toy ny hoe fanamby amin’ny voalohany saingy any aoriana any dia hitondra fifaliana sy fiadanam-po lehibe. Taorian’izay dia nomen’ny Filoha Whitworth tsodranon’ny fisoronana i Jeff mba hanampiana azy handresy ireo olany. Nanaiky ny hanao ny zavatra izay nasainay hataon’izy ireo i Jeff sy Heather.

Teo amin’ny herintaona taty aoriana dia tombontsoa ho ahy ny nijery an’i Jeff nanao batisa an’i Heather vadiny ho mpikambana ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ankehitriny izy ireo dia manomana ny tenan’izy ireo hiditra ny tempoly mba hofehezina ho fianakaviana ho amin’ny fotoana sy ho mandrakizay. Nanova ny lalam-piainan’izy ireo tamin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy ny fitsidihanay.

Hoy ny Tompo hoe:

“Koa aoka ho mahatoky; sahano ny anjara fanompoana izay efa nanendreko anao; vonjeo ny osa, akaro ny tanana izay miraviravy ary hatanjaho ny lohalika malemy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5).

“Ary amin’ny fanaovana ireny zavatra ireny, dia hanao ny soa lehibe indrindra amin’ny mpiarabelona aminao ianao ary hampitombo ny voninahitr’ Ilay Tomponao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:4).

Ry rahalahy sy anabavy, nampianatra singa manan-danja mikasika ny fanompoana ataontsika i Paoly Apôstôly. Nampianatra izy fa isika rehetra dia “tenan’i Kristy ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaran[y] avy” (1 Korintiana 12:27) ary ilaina avokoa ny rantsam-batana rehetra mba hahafahana maka antoka fa mahazo tombontsoa amin’izany ny vatana iray manontolo. Taorian’izay dia nampianatra fahamarinana mahery vaika iray izay niditra lalina tato am-poko izy rehefa namaky izany aho. Nilaza izy, “Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany: ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa amin’ireny no hajaintsika kokoa” (1 Korintiana 12:22–23; nampiana fanamafisana).

Noho izany dia mila ny olon-drehetra isika ao amin’ny paroasy sy ny sampana tsirairay—ireo izay mety ho matanjaka ary ireo izay mety ho misedra olana. Ilaina daholo ny rehetra amin’ny fanorenana manan-danja ny “tenan’i Kristy” manontolo. Matetika aho no misaintsaina hoe iza no tsy tonga amin’ireo mpiangona izay mety hanatanjaka antsika sy hanasitrana antsika.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ato am-piangonana isika dia tsy mianatra ny fotopampianarana masina fotsiny, fa miaina ny fampiharana izany koa. Amin’ny maha-tenan’i Kristy azy ireo, ny mpikamban’ny Fiangonana dia mifanompo amin’ny zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandro. Tsy lavorary avokoa isika rehetra. … Ao amin’ny tenan’i Kristy dia tsy maintsy manao zavatra mihoatra ny fianarana ireo hevitra sy teny nasandratra isika ka hanana traikefa -mivantana- niainan’ny tena manokana rehefa mianatra -[miara-monina] amim-pitiavana- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:45]” (“Nahoana no ilaina ny Fiangonana?,” Liahona, nôv. 2015, 108–9).

Sary
Ny nofin’i Brigham Young

Nanonofy nahita ny Mpaminany Joseph Smith nitarika ondry sy osy be dia be i Brigham Young tamin’ny taona 1849. Lehibe sy tsara tarehy ny sasany tamin’ireo biby ireo; ny sasany kosa dia kely sy naloto. Tsaroan’i Brigham Young ny nibanjinany ny mason’ny Mpaminany Joseph Smith sy nilazany hoe: “Ry Joseph, ianao dia manana ondry aman’osy izay hafahafa indrindra … hitako teo amin’ny fiainako. Inona no handeha hataonao amin’izy ireo?” Ilay Mpaminany, izay toa tsy sahiran-tsaina tamin’ireo ondry aman’osy sarotra fehezina dia namaly tsotra hoe: “[Brigham a!], mety tsara amin’izy ireo ny toerana misy azy rehetra.”

Rehefa nifoha ny Filoha Young dia nahatakatra fa raha manangona karazana “ondry aman’osy” ny Fiangonana, dia andraikiny kosa ny mampiditra azy ireo rehetra sy mamela azy ireo hamantatra ny mety hahatongavan’izy ireo rehefa handray ny toeran’izy ireo ao amin’ny Fiangonana izy ireo. (Namboarina avy amin’ny Ronald W. Walker, “Brigham Young: Student of the Prophet,” Ensign, Feb. 1998, 56–57.)

Ry rahalahy sy anabavy, ny lahateniko dia nitsiry avy tamin’ny fieritreretana lalina momba ny olona izay tsy mavitrika ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao. Te hiresaka amin’ny tsirairay amin’izy ireo mandritra ny fotoana fohy aho. Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell fa “matetika ny olona toy izany dia tsy manalavitra ny Fiangonana saingy tsy mandray anjara feno koa anefa. Tsy miditra ao am-piangonana izy ireo saingy tsy mivoaka ny tokotanim-piangonana ihany koa anefa. Ireo no ireo izay mila ny Fiangonana sy ilain’ny Fiangonana, saingy -miaina tsy miaraka amin’ Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao- amin’ny ampahany [Môzià 27:31]” (“Why Not Now?,” Ensign, Nov. 1974, 12).

Te hampanakoako ny fanasan’ny Filoha Russell M. Nelson malalantsika aho raha niresaka voalohany tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana izy. Hoy izy hoe: “Ankehitriny dia izao no lazaiko amin’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay, mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ny fanoloranao tena mba hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa natokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy na aiza na aiza.”

Avy eo izy dia niangavy hoe: “Ankehitriny, raha niala teo amin’ilay lalana ianao, dia manasa anao miaraka amin’ny fanantenana rehetra ato anatin’ny foko aho mba hiverina. Na inona na inona olana, na inona na inona fanamby atrehanao dia misy toerana iray ho anao ato, ny Fiangonan’ny Tompo. Ianao sy ireo taranaka mbola tsy teraka dia ho voatahy amin’ny alalan’ny asa ataonao ankehitriny mba hiverina eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana” (“Eo am-pandrosoantsika miaraka,” na Liahona, Apr. 2018, 7; nampiana fanamafisana).

Mijoro ho vavolombelona ny Aminy aho, dia i Jesoa Kristy, ilay Mpampianatra Mpanompo sy Mpamonjy antsika rehetra. Manasa antsika rehetra aho mba hitady ireo ““obrecitos” ireo “mampalahelo” eo anivontsika izay ao anatin’ny fahasahiranana. Izany no fanantenako sy vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.