Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Miaro ny lalàmpanorenantsika izay nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Miaro ny lalàmpanorenantsika izay nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra

Ny finoantsika ny tsindrimandry avy amin’ Andriamanitra dia manome ny Olomasin’ny Andro Farany ny andraikitra hanohana sy hiaro ny Lalàmpanorenan’i Etazonia sy ireo fitsipiky momba ny lalàmpanorenana.

Amin’izao fotoan-tsarotra izao dia mahatsapa ny tokony hiresahana momba ny Lalàmpanorenan’i Etazonia izay azo tamin’ny tsindrimandry aho. Izany Lalàmpanorenana izany dia manan-danja manokana ho an’ireo mpikambana ato Etazonia, saingy izy io anefa dia lova itambaran’ireo lalàmpanorenana manerana izao tontolo izao ihany koa.

I.

Ny lalàmpanorenana no fototra iorenan’ny governemanta. Mitondra ny rafitra sy ny fetra ahafahan’ny governemanta mampiasa ny fahefany izany. Ny Lalàmpanorenan’i Etazonia no lalàmpanorenana voasoratra tranainy indrindra izay mbola manan-kery ankehitriny. Raha mpanjanan-tany vitsy fotsiny no nampiasa azy tamin’ny voalohany, vetivety ihany dia lasa fakan-tahaka ho an’ny firenena maro maneran-tany ilay izy. Amin’izao fotoana izao dia mampiasa lalàmpanorenana voasoratra daholo ny firenen-drehetra, afa-tsy firenena anakintelo.1

Ato amin’ny lahateniko aho dia tsy hoe hisolo-tena antoko pôlitika iray na vondrona anankiray. Ny Lalàmpanorenan’i Etazonia izay nohalaliniko nandritra ny 60 taona mahery no hisoloako tena. Avy amin’ny traikefako tamin’ny naha-mpahay lalàna niasa ho an’ny Lehiben’ny Mpitsara ao amin’ny Fitsarana Tampony eto Etazonia no hiresahako. Avy amin’ny naha-profesora mpampianatra lalàna ahy nandritra ny 15 taona, sy ny 3 taona sy tapany naha-lehiben’ny fitsarana tao amin’ny Fitsarana Tampony eto Utah ahy no hiresahako. Fa indrindra indrindra, avy amin’ny 37 taona maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy ahy no hiresahako, ny maha-tompon’andraikitra ahy amin’ny fandalinana ny zavatra fonosin’ilay Lalàmpanorenan’i Etazonia izay nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra, eo amin’ny asan’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny.

Miavaka ny Lalàmpanorenan’i Etazonia satria nanambara Andriamanitra fa Izy no “nametra[ka]” izany ho an’ny zo sy ny fiarovana ny nofo rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:77; jereo ihany koa ny andininy 80). Izany no antony maha-manan-danja manokana an’io lalàmpanorenana io ho an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao. Anjaran’ireo firenena hafa any amin’izao tontolo izao no misafidy raha hampihatra ireo fitsipika ao anatiny na ny fomba hampiharany izany.

Inona no tanjon’ Andriamanitra tamin’ny nanorenana ny Lalàmpanorenan’i Etazonia? Hitantsika ao amin’ny fotopampianaran’ny fahafahana misafidy ara-môraly izany. Nandritra ireo folo taona voalohany namerenana ny Fiangonana tamin’ny laoniny dia nenjehina antokon’olona isan-karazany teo amin’ny sisin-tany andrefana ny mpikambana tao aminy. Isan’ny anton’izany ny nanoheran’izy ireo ny fanandevozana izay nisy tao Etazonia tamin’izany fotoana izany. Tao anatin’izany toe-javatra nampalahelo izany dia nanambara fahamarinana mandrakizay momba ny fotopampianarany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith Andriamanitra.

Nomen’ Andriamanitra ny zanany ny fahafahana misafidy ara-môraly—dia ny hery hisafidianana sy hanaovana zavatra. Ny fepetra tsara indrindra hampiasana izany fahafahana misafidy izany dia ny fahalalahana tanteraka ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy hanao zavatra araka ny safidiny manokana. Dia manazava ilay fanambarana avy eo fa “ny olona tsirairay dia ho azo ampamoahina ny amin’ny fahotany avy amin’ny andro fitsarana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78). “Koa,” hoy ny Tompo nanambara, “tsy rariny ny fisian’ny olona andevozin’ny olona hafa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:79). Mazava ho azy fa midika izany hoe tsy mety ny fanandevozana olona. Ary araka io fitsipika io ihany, dia tsy mety ny tsy ananan’ny olom-pirenena safidy amin’ny fifidianana izay ho mpanapaka azy ireo na ny famolavolana ny lalàn’izy ireo.

II.

Ny finoantsika ny maha avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra ny Lalàmpanorenan’i Etazonia dia tsy midika hoe fanambarana avy amin’ Andriamanitra no nanononana ny teny sy ny andian-teny tsirairay ao anatin’izany, toy ireo fanampin-dalàna mitsinjara ny isan’ny solontenan’ny faritanim-panjakana tsirairay na ny taona ambany indrindran’izy ireo ohatra.2 Tsy “lahatsoratra efa voavolavola hatramin’ny farany,” ilay Lalàmpanorenana hoy ny Filoha J. Reuben Clark. “Fa,” hoy izy nanazava, “mino kosa isika fa tsy maintsy hivoatra sy hihatsara izany mba hifanaraka amin’ny zavatra takian’ny tontolo mandroso.”3 Ohatra, ireo fanitsian-dalàna avy tamin’ny tsindrimandry dia nanafoana ny fanandevozana ary nanome ny vehivavy ny zo hifidy. Saingy tsy ahitantsika fahazoana tsindrimandry ny fanapahan-kevitra tsirairain’ny Fitsarana Tampony izay mampihatra ny Lalàmpanorenana.

Mino aho fa mirakitra fitsipika dimy nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra farafahakeliny ny Lalàmpanorenan’i Etazonia.4

Ny voalohany dia ilay fitsipika hoe ny vahoaka no loharanon’ny fahefan’ny fitondram-panjakana. Tamin’ny vanim-potoana izay nanekena maneran-tany ny fahefana masi-mandidy avy amin’ny zo masin’ny mpanjaka na avy amin’ny fahefana ara-miaramila, dia fiovan-javatra be ny nanomezana ny fahefana masi-mandidy ho an’ny vahoaka. Efa niaro izany ireo mpandala filôzôfia saingy ny Lalàmpanorenan’i Etazonia no nampihatra izany voalohany indrindra. Ny fahefana masi-mandidy ao amin’ny vahoaka dia tsy midika hoe afaka mitsabaka amin’ny fampitahorana na fanerena ny governemanta hanao zavatra ny andian-bahoaka na vondron’olona hafa. Nanorina repoblika demôkratika mandala ny lalàmpanorenana ny Lalàmpanorenana, izay hampiharan’ny vahoaka ny fahefany amin’ny alalan’ireo solontena voafidin’izy ireo.

Ny fitsipika faharoa nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia ny fizarana ny fahefana ho amin’ny firenena sy ireo faritanim-panjakana ao aminy. Ao amin’ny rafitra federaly misy antsika dia nasiam-panovana tsindraindray tamin’ny alalan’ny fanitsian-dalàna nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra io fitsipika tsy mbola nisy nampihatra teo aloha io, toy ireo izay nanafoana ny fanandevozana sy ny fanitarana ny zo hifidy ho an’ny vehivavy, izay voalaza teo aloha. Manan-danja tokoa fa ny Lalàmpanorenan’i Etazonia dia mametra ny fampiharana ny fahefana nomena mivantana na an-kolaka an’ny governemanta nasionaly, ary ny fahefam-pitondrana hafa rehetra dia “an’ny faritanim-panjakana isany avy na an’ny vahoaka.”5

Fitsipika iray hafa nomen’ny tsindrimandry ihany koa ny fitsinjaram-pahefana. Efa ho zato taona mahery talohan’ilay Fifanarahana nankatoavana ny Lalàmpanorenana tamin’ny 1787 no nanombohan’ny Parlemanta Anglisy ny fanasarahana ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpanatanteraka rehefa naka an-keriny ny fahefana tamin’ny mpanjaka izy ireo. Ny tsindrimandry tao amin’ilay fifanarahana Amerikanina dia ny fanomezana fahefana tsy miankina ny sampan-draharaha mpanatanteraka, mpanao lalàna ary mpitsara, mba ahafahan’ireo telo ireo mifametra fahefana.

Ny fitsipika iray fahaefatra nomen’ny tsindrimandry dia ao amin’ny fitambaran’ireo fanomezana antoka ny zon’isam-batan’olona izay iankinan’ny aina sy ny fetra manokana amin’ny fahefan’ny governemanta izay hita ao amin’ilay fanambarana momba ny zo navoaka telo taona monja taorian’ny nampiharana ny Lalàmpanorenana. Tsy zava-baovao ny fanambarana momba ny zo. Eto ilay tsindrimandry dia ao amin’ny fampiharana an’ireo fitsipika natomboka tany Angletera, nanomboka tamin’ilay Grande Charte. Tsy zoviana tamin’ny mpanoratra ny Lalàmpanorenana ireo zavatra ireo satria nahitana ireo fanomezana antoka ireo ny sata sasany napetraky ny mpanjanan-tany.

Raha tsy nisy ilay fanambarana momba ny zo dia tsy ho afaka ny ho ilay toerana niavian’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara i Amerika, izay nanomboka telopolo taona monja taty aoriana. Nisy tsindrimandrin’ Andriamanitra ilay fanampin-dalàna voalohany izay namaritana fa tsy tokony hisy fepetra ara-pivavahana mibaiko ny fahafahana mirotsaka amin’ny asa-panjakana iray,6 saingy ny fanampiana ireo fanomezana antoka mahakasika ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny maha-laika ny fanjakana ao amin’ny Fanitsian-dalàna Voalohany dia tena zava-dehibe. Ahitana ny tsindrimandrin’ Andriamanitra ihany koa ao amin’ny fahalalahana amin’ny fanehoan-kevitra sy ny fanaovan-gazety ao amin’ny Fanitsian-dalàna Voalohany ary ao amin’ireo fiarovana manokana ao amin’ireo fanitsian-dalàna hafa, toy ny amin’ny fampanoavana heloka bevava ohatra.

Sary
Isika vahoaka

Fahadimy farany, mahita ny tsindrimandrin’ Andriamanitra aho ao amin’ny tanjona lehiben’ilay Lalàmpanorenana manontolo. Ny lalàna no tokony hitantana antsika fa tsy ny olona, ary ny fahatokiantsika dia tokony ho amin’ny Lalàmpanorenana sy ireo fitsipika sy lamina ao aminy, fa tsy ao amin’izay mpitondra fanjakana. Amin’ny alalan’izany fomba izany dia mitovy lenta avokoa eo anatrehan’ny lalàna ny olon-drehetra. Ireo fitsipika ireo dia manakana ny faniriana hampihatra didy jadona izay manimba ny demôkrasia any amin’ny firenena sasany. Midika ihany koa izy ireo fa, tsy tokony hisy na iray aza amin’ireo sampan-draharaham-panjakana telo hanapaka amin’ny iray hafa na hanakana ny iray hafa amin’ny fanatontosana ny asany araka ny lalàmpanorenana mba hifametra fahefana.

III.

Na dia nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra aza ireo fitsipiky ny Lalàmpanorenan’i Etazonia, rehefa nampiharin’olombelona tsy tonga lafatra izy ireo dia tsy nahavita nanatanteraka foana ny antom-pisiany. Ny fitondrana federaly dia nanaisotra ny fitantanan’ireo faritanim-panjakana volavolan-dalàna manan-danja, toy ny lalàna sasany mifehy ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana ohatra. Ny fiarovan’ny Fanitsian-dalàna Voalohany ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra dia voaloto tsindraindray tamin’ny fanafoanana lafin-dresaka tsy eken’ny maro. Ny fitsipiky ny fitsinjaram-pahefana dia efa voateritery foana noho ny fanembatsembanana ataon’ny sampan-draharaham-panjakana iray na ny fanakanany ny fampiharan’ny sampana iray hafa ny fahefany.

Misy ihany koa ireo fandrahonana hafa manambana ny hanimba ireo fitsipiky ny Lalàmpanorenan’i Etazonia izay azo avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra. Lasa mihen-danja ny toeran’ny Lalàmpanorenana noho ny ezaka hanolo ny antony nanorenana izany amin’ny fironana ara-piarahamonina malaza ankehitriny, kanefa tokony ho ny fahalalahana sy ny fitondrana malalaka. Ny fahefana hoentin’ilay Lalàmpanorenana dia lasa tsinontsinoavina rehefa tsy miraharaha ireo fitsipika ao anatiny ireo mpirotsaka ho fidina sy ireo manampahefana. Ny lanja sy ny herin’ilay Lalàmpanorenana dia ahenan’ireo izay mampiasa izany ho fanehoana ny fanohanany na teny filamatra ara-pôlitika fotsiny, fa tsy ny toerany ambony amin’ny maha-loharanon’ny fanomezam-pahefana sy ny fetran’ny fahefan’ny fitondrana azy.

IV.

Ny finoantsika ny fahazoana tsindrimandry avy amin’ Andriamanitra dia manome ny Olomasin’ny Andro Farany ny andraikitra hanohana sy hiaro ny Lalàmpanorenan’i Etazonia sy ireo fitsipika momba ny lalàmpanorenana na aiza na aiza misy antsika. Tokony hatoky ny Tompo sy mijery ny lafitsaran-javatra momba ny hoavin’ity firenena ity isika.

Inona koa no tokony hataon’ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky? Tsy maintsy mivavaka amin’ny Tompo mba hitarika sy hitahy ireo firenena sy ny mpitarika ao amin’izy ireo isika. Ao anatin’ny fanekem-pinoantsika izany. Mazava ho azy fa ny fanoavana filoha sy mpanapaka7 dia tsy sakana amin’ny tsy faneken’olon-tokana lalàna na fenitra arahina. Mitaky antsika mba hampihatra ny fitaomantsika amim-pahalalam-pomba sy am-pilaminana izany, araka ny rafitra sy lamina napetraky ny lalàmpanorenantsika sy ireo lalàna mipetraka. Eo anatrehan’ireo olana tsy mampifanaiky dia tokony hikatsaka ny handravona sy hampiray hina isika.

Misy ihany koa ireo adidy hafa izay ao anatin’ny fanohanana ilay Lalàmpanorenana azo avy amin’ny tsindrimandry. Tokony hianatra sy hiaro ireo fitsipika nentanim-panahy ao amin’ilay Lalàmpanorenana isika. Tokony hitady sy hanohana ireo olona hendry sy tsara izay hanohana ireo fitsipika ireo amin’ny asa mivantana ataon’izy ireo isika.8 Tokony ho olom-pirenena manam-pahalalana mavitrika amin’ny ezaka hahatsapana ny fitaomantsika ao amin’ireo raharaha sivily isika.

Eto Etazonia sy any amin’ireo demôkrasia hafa dia ampiharina amin’ny alalan’ny firotsahana eo amin’ny sehatra pôlitika (izay zavatra amporisihanay) ny fitaomana ara-pôlitika, amin’ny alalan’ny fifidianana, ny fanohanana ara-bola, ny fikambanana sy fiasana ao amina antoko pôlitika, ary amin’ny fifandraisana mitohy amin’ireo manamboninahitra sy ireo antoko ary ireo kandidà. Mba hiasany araka ny tokony ho izy, ny demôkrasia iray dia mila ireo zavatra rehetra ireo, saingy ny olom-pirenena tonga saina dia tsy mila manome ireo zavatra rehetra ireo.

Betsaka ireo olana ara-pôlitika ary tsy misy antoko na sehatra na kandidà tokana mahafapo ny zavatra tiana manokana rehetra. Noho izany ny olom-pirenena rehetra dia tsy maintsy manapa-kevitra amin’ny fotoana iray hoe olana inona no tena manan-danja aminy. Dia tokony hikatsaka fanentanam-panahy ny mpikambana ny amin’izay hampiharana ny fitaoman’izy ireo araka ny laharampahamehan’izy ireo manokana. Tsy ho mora izany. Mety hitaky famadiham-palitao izany, ary isak’izay misy fifidianana mihitsy aza.

Indraindray ny fanapahan-kevitra tsy mitanila toy izany dia hitaky ny mpifidy hanohana kandidà na antoko pôlitika na sehatra izay tsy eken’izy ireo ny foto-keviny hafa.9 Izany no antony iray amporisihanay ny mpikambana ato amintsika mba tsy hifampitsara eo amin’ny safidy ara-pôlitika. Tsy tokony hilaza mihitsy isika fa ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky iray dia tsy tokony hikambana ao amina antoko iray na hifidy kandidà iray manokana. Mampianatra fitsipika marina izahay ary avelanay ireo mpikambana ato amintsika hisafidy izay ho laharampahamehana ary hampihatra ireo fitsipika ireo eo anatrehan’ny olana miseho amin’ny fotoana iray. Manamafy ihany koa izahay, ary mangataka ireo mpitarika ao an-toerana mba hanamafy, ny tsy tokony hampianarana na hiarovana ny fironana ara-pôlitika amin’izay mety ho fivoriana ato amin’ny Fiangonana.

Mazava ho azy fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mampihatra ny zony amin’ny fankatoavana na fanoherana ny volavolan-dalàna manokana izay inoanay fa hipaka amin’ny fahalalahana ara-pivavahana na ny tombontsoa fototr’ireo fikambanana ato amin’ny Fiangonana.

Mijoro ho vavolombelona aho fa nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra ny Lalàmpanorenan’i Etazonia ary mivavaka aho hoe, isika izay manaiky ilay Andriamanitra nipoirin’izany dia hanohana sy hiaro hatrany ireo fitsipika lehibe fonosiny. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Mark Tushnet, “Constitution,” ao amin’ny Michel Rosenfeld and András Sajó, ed., The Oxford Handbook of Comparative Constitutional Law (2012), 222. Ireo firenena telo tsy manana lahatsoratry ny lalàmpanorenana voafaritra tsara dia ny Royaume Uni, Nouvelle-Zélande, ary Israël. Ireo firenena tsirairay ireo dia samy fantatra teo amin’ny tantarany amin’ny fampiharana fitsipiky ny lalàmpanorenana, na dia tsy narafitra ho anatina lahatsoratra tokana aza ireo andinin-dalàna.

  2. Jereo ny Lalàmpanorenan’i Etazonia, andininy 1, fizarana 2.

  3. J. Reuben Clark Jr., “Constitutional Government: Our Birthright Threatened,” Vital Speeches of the Day, Jan. 1, 1939, 177, Voatonona ao amin’ny Martin B. Hickman, “J. Reuben Clark, Jr.: The Constitution and the Great Fundamentals,” in Ray C. Hillam, ed., By the Hands of Wise Men: Essays on the U.S. Constitution (1979), 53. I Brigham Young dia nihazona fijery mitovy amin’izany momba ny tokony hivoaran’ny Lalàmpanorenana; nampianatra izy fa ireo mpanangana dia “nanorina ny fototra, ary ireo taranaka any aoriana no hametraka ireo rafitra goavana eo amboniny” (Discourses of Brigham Young, nofantenin’i John A. Widtsoe [1954], 359).

  4. Ireo dimy ireo dia mitovy fa tsy sahala amin’ireo izay naroso tao amin’ny J. Reuben Clark Jr., Stand Fast by Our Constitution (1973), 7; Ezra Taft Benson, “Our Divine Constitution,” Ensign, Nov. 1987, 4–7; and Ezra Taft Benson, “The Constitution—A Glorious Standard,” Ensign, Sept. 1987, 6–11. Jereo, raha ny amin’ny ankapobeny, Noel B. Reynolds, “The Doctrine of an Inspired Constitution,” in By the Hands of Wise Men, 1–28.

  5. Lalàmpanorenan’i Etazonia, fanitsian-dalàna 10.

  6. Jereo ny Lalàmpanorenan’i Etazonia, andininy 6.

  7. Jereo ny Fanekem-pinoana 1:12.

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:10.

  9. Jereo ny David B. Magleby, “The Necessity of Political Parties and the Importance of Compromise,” BYU Studies, boky 54, lah. 4 (2015), 7–23.