Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tsarovy ny lalana mitondra anao miverina mody
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Tsarovy ny lalana mitondra anao miverina mody

Manana ny ohatra tonga lafatr’i Jesoa Kristy hoharahina isika, ary tsy azo tanterahina ny diantsika mankany amin’ny fonenantsika mandrakizay raha tsy noho ny fampianarany sy ny fiainany ary ny sorompanavotany.

Tamin’ny 1946, ilay tanora mpikaroka Arthur Hasler dia nianika nanaraka sakelidrano an-tendrombohitra iray teo akaikin’ny tranon’ny fahazazany ka tamin’izay no niainany zavatra iray izay nitarika tamina fahitana manan-danja momba ny fomba ahitan’ny trondro ny lalana izay mitondra azy ireo miverina any amin’ilay sakelidrano nahaterahany.

Niverina tampoka ny fahatsiarovan’i Hasler rehefa nianika tendrombohitra iray, na dia tsy tazany aza ilay riandrano nankafiziny indrindra tamin’ny fahazazany. Hoy izy: “Rehefa nifaoka ny faritry ny vatolampy ny tsio-drivotra mangatsiatsiaka izay nanana ny hanitry ny volombato sy ny voninkazo dia tonga tampoka tao an-tsaiko ny antsipirian’io riandrano io sy ny toerana nisy azy teo amin’ny lafin’ilay tendrombohitra.”1

Namelombelona ny fahatsiarovana tamin’ny fahazazany sy nampahatsiahy azy ny fonenany ireo hanitra ireo.

Raha toa ka afaka hitondra fahatsiarovana toy izany ho azy ny fofona dia nampanjohy hevitra izy fa angamba ny fofona dia mety miantso fitadidiana ho an’ny trondro saumon izay, na dia efa an-taonany maro aza no tany an-dranomasimbe midadasika dia tafaverina any amin’ilay sakelidrano nahaterahany iny mihitsy mba hanatody.

Avy tamin’io traikefa io no nanohizan’i Hasler sy ireo mpikaroka hafa nanaporofo fa ny saumon dia mahatadidy ireo hanitra izay hanampy azy ireo hitety kilaometatra an’arivony mba hahita ny fodiany avy any an-dranomasina.

Io tantara io dia nahatonga ahy hieritreritra fa iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra azontsika atao amin’ity fiainana ity ny mamantatra sy mahatsiaro ny lalana miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra ary maharitra am-pifaliana mandritra ny dia.

Nahatsiaro fampahatsiahivana efatra aho izay rehefa ampiasaina sy ampiharina tsy tapaka amin’ny fiainantsika, dia afaka mamelombelona indray ireo fahatsapana tany amin’ny fonenantsika any an-danitra.

Voalohany, afaka mitadidy isika fa isika dia zanak’ Andriamanitra

Isika dia manana lova araka an’ Andriamanitra. Ny fahafantarana fa isika dia zanak’ Andriamanitra ary tiany hiverina eo anatrehany dia dingana iray eo amin’ny dia iverenana any amin’ny fonenantsika any an-danitra.

Ampahatsiahivo ny tenanao io lova io. Manokàna fotoana tsy tapaka hanamafisana ny hery fiarovanao ara-panahy amin’ny fahatsiarovana ireo fitahiana azonao avy tamin’ny Tompo. Matokia an’ireo torolalana nomena anao avy Aminy fa tsy hitodika any amin’izao tontolo izao fotsiny rehefa handrefy ny lanjanao manokana sy hitady ny lalanao.

Vao tsy ela akory izay no nitsidihako olon-tiana iray taorian’ny nidirany hôpitaly. Tamim-pientanam-po no nilazany tamiko fa raha nandry teo am-pandriana tao amin’ny hôpitaly iny izy, ny hany niriany dia ny mba hisy hihira aminy ilay hira hoe “Zanaky ny Ray aho.” Io eritreritra io fotsiny, hoy izy, dia ampy nanome azy ny fiadanam-po izay nilainy tamin’io ora nijaliana io.

Ny fahafantarana hoe iza ianao dia manova ny zavatra izay tsapanao sy ny zavatra izay ataonao.

Manomana anao tsaratsara kokoa hamantatra sy hahatsiaro ny lalanao miverina any amin’ny fonenanao any an-danitra sy haniry ny ho any ny fahatakaranao hoe iza marina moa ianao.

Faharoa, afaka mahatsiaro ny fototra izay miaro antsika isika

Tonga amintsika ny hery rehefa mitoetra ho feno fahamarinan-toetra sy marina ary mahatoky amin’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy isika, eny fa na dia tsy miraharaha mihitsy ny didin’ Andriamanitra sy ireo fitsipiky ny famonjena aza ny olon-kafa.2

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Helamàna dia nampianatra an’ireo zanany lahy mba hahatsiaro fa izy ireo dia tsy maintsy manorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy mba hananany ny hery hanoherana ny fakam-panahin’ny fahavalo. Mamely antsika ny rivo-mahery sy ny tafiotra maherin’i Satana, saingy tsy hanan-kery hitarihana antsika any ambany izy ireny raha toa ka mametraka ny fatokisantsika amin’ny toerana izay azo antoka indrindra isika—dia amin’ny Mpanavotra antsika.3

Fantatro avy amin’ny zavatra niainako manokana fa raha toa ka misafidy ny hihaino ny teniny sy hanaraka Azy isika, dia handray ny fanampiany. Hahazo fomba fijery mivelatra kokoa isika momba ny toe-javatra iainantsika ary fahatakarana lalina kokoa momba ny tanjon’ny fiainana. Ho tsapantsika ireo tosika ara-panahy izay hitarika antsika ho any amin’ny fonenantsika any an-danitra.

Fahatelo, afaka mahatsiaro ny hazoto hivavaka isika

Isika dia miaina amin’ny vanim-potoana izay kasika iray monja na baiko amin’ny feo fotsiny dia azo hanombohana fikarohana valiny amin’ny saika ireo lohahevitra rehetra ao anatin’ny tahirim-pahalalana sy ny tambajotran-tserasera izay sarotra sy mirindra ary midadasika ao amin’ny tambajotran-tsolosaina.

Etsy ankilany indray, isika dia manana ny fahatsoran’ilay fanasana mba hanomboka hikaroka valiny avy any an-danitra. “Mivavaha mandrakariva, dia haidiko aminao ny Fanahy.” Dia nampanantena ny Tompo hoe: “Ary ho lehibe ny fitahiana anao—eny, mihoatra noho izay mety ho azonao amin’ny rakitsoan’ny tany.”4

Tena mahafantatra tanteraka antsika tsirairay Andriamanitra ary vonona ny hihaino ny vavaka ataontsika. Rehefa mahatsiaro mivavaka isika dia hahita ny fitiavany izay manohana, ary arakaraka ny hivavahantsika amin’ny Ray any An-danitra amin’ny anaran’i Kristy no hitondrantsika ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainantsika sy ny hamantarantsika tsara kokoa ny lalana mitondra any amin’ny fonenantsika any an-danitra izay nofaritany.

Fahefatra, afaka mahatsiaro ny hanompo ny hafa isika

Rehefa miezaka manaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanompoana sy fanehoana hatsaram-panahy amin’ny hafa isika dia mahatonga an’izao tontolo izao ho toerana tsaratsara kokoa.

Afaka mitahy tokoa ny fiainan’ireo izay manodidina antsika sy ny fiainantsika manokana ihany koa ny zavatra ataontsika. Ny fanompoana am-pitiavana dia manatsara na ny fiainan’ilay mpanolotra na ny an’ilay mpandray.

Aza manao tsinontsinona ny fahafahanao manainga ny hafa ho amin’ny tsara, amin’ny alalan’ny asa fonompoana ataonao sy ny asa fanompoana entin’ny ohatra asehonao.

Ny fanompoana am-pitiavana ny hafa dia mitarika antsika amin’ny lalana mankany amin’ny fonenantsika any an-danitra—ilay lalana ahatongavana tahaka ny Mpamonjy.

Tamin’ny 1975, vokatry ny ady an-trano dia tsy maintsy nandao ny tranon’izy ireo sy ny zavatra rehetra izay naorin’izy ireo nandritra ny amam-polo-taona maro nanaovana asa mafy i Arnaldo sy Eugenia Teles Grilo ary ireo zanak’izy ireo. Niatrika ny fanamby hoe hanomboka hatramin’ny voalohany indray ny Rahalahy sy Rahavavy Teles Grilo raha tany Pôrtogaly firenena niavian’izy ireo. Saingy taona maro taty aoriana, rehefa tafiditra ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo dia nilaza hoe: “Very ny zava-drehetra izay nanananay, saingy zavatra tsara izany satria nanery anay hifantoka amin’ny lanjan’ny fitahiana maharitra mandrakizay.”5

Very ny tranon’izy ireo ety an-tany, saingy nahita ny lalana mitondra azy ireo miverina any amin’ny fonenany any an-danitra izy ireo.

Na inona na inona zavatra izay tsy maintsy avelanao any aoriana mba hanarahana ny lalana mitondra mody mankany amin’ny fonenanao any an-danitra dia ho toy ny tsy mamoy na inona na inona izany indray andro any.

Manana ny ohatra tonga lafatr’i Jesoa Kristy hoharahina isika, ary tsy azo tanterahina ny diantsika mankany amin’ny fonenantsika mandrakizay raha tsy noho ny fampianarany sy ny fiainany ary ny sorompanavotany—tafiditra amin’izany ny fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra.

Manasa anao aho mba hiaina ny fifaliana azo avy amin’ny fahatsiarovana fa isika dia zanak’ Andriamanitra, ary dia tena tiany tokoa izao tontolo izao, hany ka nalefany ny Zanany Lahy6 mba hanoro antsika ny lalana. Manasa anareo aho mba hahatsiaro ny ho mahatoky, ny hampitodika ny fiainanao amin’ny Mpamonjy ary ny hanorina ny fototra iorenanao eo Aminy. Tsarovy ny ho tia mivavaka eo amin’ny dianao ary manompoa ny hafa mandritra ny dia.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, amin’ity alahadin’ny Paska ity dia mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra sy Mpamonjy an’izao tontolo izao. Izy ilay hany tokana afaka mampandroso antsika eo amin’ny latabatry ny fiainana feno fifaliana sy hitarika antsika ao amin’ny diantsika. Enga anie isika hahatsiaro ka hanaraka Azy hody. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Arthur Davis Hasler, ao amin’ny Gene E. Likens, “Arthur Davis Hasler: January 5, 1908–March 23, 2001,” tao amin’ny akademia nasiônalin’ny siansa, Biographical Memoirs boky faha-82 (2003), 174–75.

  2. Jereo ny Boky Torolalana ho an’ny mpianatra mikasika ny Bokin’i Môrmôna (2009), 268–73.

  3. Jereo ny Helamàna 5:6–12.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:38.

  5. Jereo ny Don L. Searle, “Discovering the Gospel Riches of Portugal,” Ensign, Okt. 1987, 15.

  6. Jereo ny Jaona 3:16.