Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy

Ny finoana an’i Jesoa Kristy no hery lehibe indrindra omena antsika eto amin’ity fiainana ity. Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, feno fankasitrahana aho noho ny tombontsoa iresahana aminareo amin’izao alahadin’ny Paska izao.1 Nanova ny fiainantsika tsirairay ny sorona fanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Tiantsika Izy ary mitsaoka Azy sy ny Raintsika any An-danitra amim-pankasitrahana isika.

Nandritra ireo enim-bolana lasa izay dia tsy nitsaha-nitolona tamina valanaretina maneran-tany isika. Mampitolagaga ahy ny hery sy ny tanjaka ara-panahy anananareo miatrika aretina sy famoizana, ary fitokana-monina. Mivavaka tsy tapaka aho mba hahatsapanareo ao anatin’izany rehetra izany ny fitiavana tsy mandao ananan’ny Tompo ho anareo. Raha toa ka tamin’ny fampiharana tamin-kery kokoa ny maha-mpianatra no niatrehanareo ireo fitsapana, dia tsy ho zava-poana iny taon-dasa iny.

Androany maraina isika dia nandre ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay avy amina kaontinanta samihafa eto an-tany. Tena natao ho an’ny foko, sy ny fiteny ary ny olona rehetra tokoa ny filazantsara. Fiangonana natao ho an’izao tontolo izao ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. I Jesoa Kristy no mpitarika antsika.

Soa ihany fa na dia ny valanaretina aza dia tsy afaka nampihisatra ny fivoarana mitohy an’ny fahamarinany. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mihitsy no zavatra ilaina eto amin’izao tontolo izao izay misafotofoto, sy feno fifandirana ary trotraka ity.

Ny zanak’ Andriamanitra tsirairay dia mendrika ny hanana ny fahafahana hihaino sy hanaiky ny hafatra manasitrana sy manavotry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy misy hafatra hafa manan-danja mihoatra noho izany ho an’ny fahasambarantsika—anio ary ho mandrakizay.2 Tsy misy hafatra hafa mameno fanantenana mihoatra noho izany. Tsy misy hafatra hafa afaka manafoana ny fifandirana eo anivon’ny fiaraha-monintsika.

Ny finoana an’i Jesoa Kristy no fototry ny finoana rehetra sy fantsona hahazoana ny herin’ Andriamanitra. Araka ny nolazain’ny Apôstôly Paoly manao hoe: “Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo hatao hahazoana sitraka [amin’ Andriamanitra]; fa izay manatona an’ Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.”3

Izay zavatra tsara rehetra eo amin’ny fiainana, izany hoe ny fitahiana manana lanja mandrakizay rehetra, dia manomboka amin’ny finoana. Ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika dia manomboka amin’ny finoana fa Izy dia vonona ny hitarika antsika. Ny fibebahana marina dia manomboka amin’ny finoana fa i Jesoa Kristy dia manana ny hery hanadio, sy hanasitrana ary hampatanjaka antsika.4

“[Aza mandà] ny herin’ Andriamanitra,” hoy ny nambaran’ny mpaminany Môrônia, “fa miasa amin-kery Izy araka ny finoan’ny zanak’olombelona.”5 Ny finoantsika no ahafahantsika mahazo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.

Kanefa, toa manahirana ihany ny fampiharana ny finoana. Mety hanontany tena isika indraindray raha mba ho afaka ny hanana finoana ampy handraisana ireo fitahiana izay ilaintsika fatratra. Kanefa ny Tompo dia nampitsahatra ireny tahotra ireny tamin’ny alalan’ny tenin’i Almà, ilay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
Voan-tsinapy

Mangataka antsika i Almà mba hanandrana fotsiny amin’ny teny sy “hampihatra sombiny amin’ny finoana, eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza [isika].”6 Ilay andian-teny hoe “sombiny amin’ny finoana” dia mampatsiahy ahy ny fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny Baiboly izay milaza fa raha “manana finoana hoatra ny voan-tsinapy isika dia ho afaka ny “hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà ery, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao7

Sary
Vorona eo anivon’ny voan-tsinapy

Takatry ny Tompo ireo fahalementsika amin’ny maha-olombelona antsika. Lavo daholo isika indraindray. Saingy fantany ihany koa ireo zava-dehibe vitantsika. Kely no iantombohan’ilay voan-tsinampy saingy lasa hazo lehibe ahafahan’ny vorona manamboatra trano izany. Ilay voan-tsinampy dia maneho finoana kely kanefa tsy mitsaha-mitombo.8

Tsy mitaky finoana tonga lafatra ny Tompo vao hoe ho afaka ny hahazo ny heriny tonga lafatra isika. Saingy mangataka antsika Izy mba hino.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, ny antso ataoko aminareo amin’izao marainan’ny Paska izao dia ny hampitombo ny finoanareo manomboka anio. Amin’ny alalan’ny finoanareo, i Jesoa Kristy dia hampitombo ny fahafahanareo mamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainanareo,9 na dia lehibe toa ny Mont Everest aza ireo olana atrehanareo manokana.

Mety ho fanirery, na ahiahy, na aretina na olan’ny tena manokana hafa ireo tendrombohitrareo. Hiovaova ireo tendrombohitrareo, saingy ny valiny tsirairay tandrify ireo olanareo dia natao hampitombo ny finoanareo. Mitaky asa ny fampitomboana finoana. Ireo mpianatra malaina sy manao tsirambina dia hijalijaly mandrakariva vao mahangona na dia sombiny amin’ny finoana aza.

Mitaky ezaka ny fahombiazana amin’ny zava-drehetra. Tsy maningana amin’izany ny fahalasana ho mpianatra marina an’i Jesoa Kristy. Mitaky ezaka ny fampitomboana ny finoanao sy ny fahatokianao Azy. Mamelà ahy hanolotra sosokevitra enina hanampiana anao hanana izany finoana sy fahatokiana izany.

Voalohany, mandalina. Aoka ianao ho mpianatra mavitrika. Aoka ny soratra masina ho lasa namanao mba hahatakaranao ny iraka sy ny asa fanompoana nataon’i Kristy. Fantaro ny fotopampianaran’i Kristy mba hahatakaranao ny herin’izany eo amin’ny fiainanao. Ataovy mifantsika ao anaty ilay fahamarinana fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mihatra aminao. Nentiny teo Aminy ny fahorianao, ireo fahadisoanao, ireo fahalemenao ary ireo fahotanao. Nefainy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana ny fahotanao ary nomeny hery ianao mba hamindrana ireo mety ho tendrombohitra rehetra hatrehinao. Azonao izany hery izany amin’ny alalan’ny finoana, sy ny fahatokiana, ary ny fahavononana ny hanaraka Azy.

Mety hitaky fahagagana ny famindrana ireo tendrombohitrao. Mianara momba ny fahagagana. Tonga amin’ny alalan’ny finoanao ny Tompo ny fahagagana. Ivon’izany finoana izany ny fahatokiana Azy sy ny fandaharam-potoany, eny ny fomba sy ny fotoana hitahiany anao amin’ny fanampiana mahagaga irianao. Ny tsi-finoanao ihany no hanakana an’ Andriamanitra tsy hitahy anao amin’ny fahagagana mba hamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainanao.10

Arakaraka ny ianaranao momba ny Mpamonjy no mahamora ny fitokisanao amin’ny famindram-pony, sy ny fitiavany tsy manam-petra, ary ny heriny mampatanjaka, sy manasitrana ary manavotra. Akaiky kokoa anao ny Mpamonjy rehefa miatrika na miezaka ny mandresy ireo olanao amim-pinoana ianao.

Faharoa, misafidiana ny hino an’i Jesoa Kristy. Raha manana fisalasalana momba an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka Malalany ianao, na ny maha-azo antoka ny Famerenana amin’ny laoniny na ny fahamarinan’ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny fiantsoana an’i Joseph Smith ho mpaminany, dia safidio ny hino11 ary mitoera ho mahatoky. Ento any amin’ny Tompo sy ireo loharano azo antoka ireo fanontanianao? Manaova fandalinana omban’ny faniriana ny hino toy izay amin’ny fanantenana mba hahazoanao mahita tsy fahalavorariana eo amin’ny ambaindain’ny fiainan’ny mpaminany na ireo boky mirakitra soratra masina. Atsaharo ny fampitomboana ireo fisalasalanao amin’ny alalan’ny firesahanao izany amin’ireo mpisalasala hafa. Avelao ny Tompo hitarika anao eo amin’ny dianao mankamin’ny fahatakarana ara-panahy.

Fahefatra, manaova asa am-pinoana. Inona no hataonao raha toa ka nanam-pinoana bebe kokoa ianao? Saintsaino izany. Soraty. Ary avy eo dia mandraisa finoana misimisy kokoa amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra izay mitaky finoana bebe kokoa.

Fahadimy, mandraisa anjara amin’ireo ôrdônansy masina amim-pahamendrehana. Amin’ny alalan’ireo ôrdônansy no ahafahana mahazo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.12

Ary fahenina, mangataha fanampiana amin’ny Rainao any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Mitaky asa ny fampitomboana finoana. Mitaky asa ny fahazoana fanambarana. Saingy “izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana.”13 Fantatr’ Andriamanitra ny zavatra izay hanampy ny finoanao hitombo. Mangataha, ary avy eo dia mangataha hatrany.

Mety hiteny ny tsy mpino iray hoe an’ny malemy ny finoana. Saingy izany filazana izany dia manao tsinontsinona ny herin’ny finoana. Moa ve ho nanohy nampianatra ny fotopampianarany taorian’ny fahafatesany ka nampidi-doza ny ainy ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy raha nanana fanahiana ny Aminy izy ireo?14 Moa ve i Joseph sy i Hyrum Smith ho nijaly ka ho faty maritiora tamin’ny fiarovana ny Famerenana amin’ny laoniny Fiangonan’ny Tompo raha tsy hoe nanana tenivavolombelona azo antoka izy ireo fa marina izany? Moa ve ho namoy ny ainy nandritra ny dia ben’ny mpamaky lay15 ireo olomasina efa ho 2.000 isa raha tsy nino izy ireo fa tafaverina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Tena marina fa ny finoana no hery mampatanjaka ireo marefo hahatontosa zavatra heverina tsy ho vita.

Aza atao tsinontsinona ny finoana izay efa ananao. Mitaky finoana ny mikambana ato amin’ny Fiangonana sy mijanona ho mahatoky. Mitaky finoana ny fanarahana ny mpaminany toy izay ireo manam-pahaizana sy ireo petrakevitra ironan’ny besinimaro. Mitaky finoana ny mitory ny filazantsara mandritra ny valanaretina iray. Mitaky finoana ny miaina ao anatin’ny fahadiovam-pitondrantena raha izao tontolo izao kosa manindrahindra fa efa lany andro ny lalàn’ Andriamanitra momba ny fahadiovam-pitondrantena. Mitaky finoana ny mampianatra ny filazantsara ao anatina tontolo tsy mino an’ Andriamanitra. Mitaky finoana ny mivavaka ho an’ny fiainan’olon-kafa, ary mitaky finoana bebe kokoa ny manaiky valim-bavaka tsy araka ny nanantenana azy.

Roa taona lasa izay, nitsidika an’i Samoa, Tonga, Fiji, ary Tahiti izaho sy Rahavavy Nelson. Nanorana an’androny maro ny tany amin’ireo nosin-dranomasina tsirairay ireo. Nifady hanina sy nivavaka ireo mpikambana mba ho voaro amin’ny orana ireo fivoriana ankalamanjana nataon’izy ireo.

Tany Samoa, sy Fiji ary Tahiti, vao nanomboka ireo fivoriana dia nitsahatra ny orana. Saingy tany Tonga dia tsy nitsahatra ny orana. Kanefa Olomasina 13.000 no tonga aloha mba hahazo toerana, niandry tamim-paharetana niaritra ilay orana nikija, ary nipetraka nanatrika ilay fivoriana adiny roa tanaty hamandoana tanteraka.

Sary
Olomasina Tongana ao anatin’ny orana

Nahita fampiharana finoana matanjaka izahay tao amin’ny tsirairay avy amin’ireo mponin’ny nosin-dranomasina ireo, finoana ampy hampitsaharana orana, ary finoana niaretana rehefa tsy nitsahatra ny orana.

Mazàna ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainantsika no tsy mifindra amin’ny fomba na fotoana iriantsika. Saingy ny finoantsika kosa dia hanosika antsika ho lasa lavitra mandrakariva. Ny finoana dia hampitombo mandrakariva ny fahafahantsika mahazo ny herin’ Andriamanitra.

Aoka ho fantatrao izao: na hahafoy anao aza ny zava-drehetra sy ny olon-kafa rehetra izay atokisanao eto amin’izao tontolo izao, i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany kosa dia tsy hahafoy anao na oviana na oviana. Tsy matory na rendrehana ny Tompo.16 Izy no “tsy miova omaly, sy anio, ary [rahampitso].”17 Izy dia tsy hanafoana ny fanekempihavanana,18 na ireo fampanantenana nataony tamin’ny olony, na ny fitiavany ny olony. Manao fahagagana Izy anio ary hanao fahagagana Izy rahampitso.19

Ny finoana an’i Jesoa Kristy no hery lehibe indrindra omena antsika eto amin’ity fiainana ity. Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.20

Ny finoanao tsy mitsaha-mitombo Azy dia hamindra tendrombohitra, tsy tendrombohitra vatolampy izay manatsara ny tany, fa ireo tendrombohitry ny fahoriana eo amin’ny fiainanao. Ny finoanao tsy mitsaha-mandrombona dia hanampy anao hanova ireo olana ho zary fivoarana sy fahafahana tsy misy toa azy.

Amin’izao alahadin’ny Paska izao dia miarahaba anareo indray aho omban’ny fahatsapana fitiavana sy fankasitrahana lalina: “Nitsangana i Kristy.” Nitsangana Izy mba hitarika ny Fiangonany. Nitsangana Izy mba hitahy ny fiainan’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra na aiza na aiza onenan’izy ireo. Miaraka amin’ny finoana Azy, isika dia afaka ny hamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainantsika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Eto am-piarahabana anareo aho dia mahatsiaro fa any amin’ny faritra sasany amin’izao tontolo izao, ny olona dia mampiasa fomba fifampiarahabana manokana sy miavaka amin’ny marainan’ny Paska. Amin’ny fomba fitenin’izy ireo dia toy izao no holazain’ilay mpiarahaba: “Nitsangana i Kristy!” Toy izao avy eo no avalin’ilay arahabaina: “Marina tokoa! Velona Izy!” Ohatra, ny fifampiarahabana eo amin’ireo mpiteny Rosiana dia manomboka amin’ny hoe “Христос воскрес” (Nitsangana i Kristy [nitsangana tamin’ny maty]!), ary valiana amin’ny hoe “Воистину! воскрес!” (Marina tokoa! Velona Izy!).

  2. Jereo ny Môzià 2:41.

  3. Hebreo 11:6. Ny Lectures on Faith dia milaza fa “ny finoana no fitsipika mifehy voalohany izay manana ny hery, sy fanapahana, ary fahefana eo amin’ny zava-drehetra” (Lectures on Faith1985], 5).

  4. Jereo ny Matio 11:28–30; Almà 7:12–13; Etera 12:27.

  5. Môrônia 10:7; nampiana fanamafisana.

  6. Almà 32:27; nampiana fanamafisana.

  7. Matio 17:20, nampiana fanamafisana; jereo ihany koa ny Helamàna 12:9, 13.

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–18. Ny valisoa avy amin’ny fanaisorana ny maha-olon’ny nofo dia ny fahatongavana ho “olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo” (Môzià 3:19).

  9. Jereo ny 1 Nefia 7:12.

  10. Jereo ny Môrmôna 9:19–21; Etera 12:30.

  11. Jereo ny 2 Nefia 33:10–11.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20.

  13. Matio 7:8.

  14. Raha tsy nisy ny herin’ny finoana, moa ve i Abinadia ho niaritra fahafatesana tamin’ny afo noho ny fandavana ny handà ny zavatra fantany fa marina? (Jereo ny Môzià 17:7–20). Raha tsy nisy izany hery izany, moa ve i Etera ho niafina tanaty lava-bato (jereo ny Etera 13:13–14) ary i Môrônia ho niaritra taona maro tanaty fanirery (jereo ny Môrônia 1:1–3) kanefa tokony ho niaina tamim-pilaminana tsara izy ireo raha toa ka nandà ny zavatra ninoan’izy ireo?

  15. Jereo ny Melvin L. Bashore, H. Dennis Tolley, sy ny the BYU Pioneer Mortality Team, “Mortality on the Mormon Trail, 1847–1868,” BYU Studies, vol. 53, no. 4 (2014), 115.

  16. Jereo ny Salamo 121:4.

  17. Môrmôna 9:9.

  18. Jereo ny Isaia 54:10; 3 Nefia 22:10.

  19. Jereo ny Môrmôna 9:10–11, 15.

  20. Jereo ny Marka 9:23.