2019
Miatrika ny Pôrnôgrafia: Miaro, mandray andraikitra ary manasitrana
Ôktôbra 2019


Miatrika ny Pôrnôgrafia: Miaro, mandray andraikitra ary manasitrana

Avy amin’ny lahateny iray nibahana nandritra ny fivoriana iraisan-tetika hanoherana ny pôrnôgrafia ao Utah taona 2018 izay notanterahina tao Salt Lake City, Utah.

Ireo fomba fanehoana fitiavana ireo dia afaka manampy ny ankizintsika eo anatrehan’ny fahitana pôrnôgrafia izay mety mianjady amin’izy ireo.

Sary
mother and daughter hugging

Sary avy amin’ny Getty Images; nampiasaina mba hanehoan-javatra, ary olona nindramina no nalaina sary

Fantatro amin’alahelo mihitsy ny fiantraikan’ny pôrnôgrafia na dia eo amin’ireo kely indrindra eo amin’ny fiarahamonintsika aza, dia ireo ankizikelintsika izany. Ny pôrnôgrafia izay zava-doza mihanaka amin’ny fomba mihoa-pampana tokoa dia mety hiteraka fahamenarana, famitahana, fahasimban’ny fihetseham-po, fahaverezan’ny fifehezan-tena, fiankinan-doha goavana, ary fandanindaniam-poana tanteraka ny fotoana, ny fahafahana mieritreritra sy ny hery. Tena ilaintsika rehetra, ray aman-dreny, fianakaviana, mpampianatra ary mpitarika ny mijery sy manome lanja ary miaro marina ireo ankizintsika sy ireo zatovontsika.

Ny fitiavana dia anisan’ireo fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana no didy lehibe anankiroa nomen’i Jesoa Kristy tenany antsika. Ny fitiavana koa no inoako fa fitaovana tena lehibe hiadiana amin’ny pôrnôgrafia.

Hoy tokoa ilay don-teny malaza hoe, “mahafaty fitiavana ny pôrnôgrafia”, kanefa aoka hotsaroantsika koa fa mahafaty pôrnôgrafia ny fitiavana. Tsy midika izany hoe afaka manova ny fiankinan-dohan’ny olona iray amin-javatra na ny fitondrantenany mihitsy aza ny fitiavantsika azy. Fa afaka mandrisika antsika ny fitiavana, eo amin’ny fomba fiomanantsika, amin’ny fomba fandraisantsika andraikitra, amin’ny fomba fihainoantsika, indrindra eo anatrehan’ny ankizintsika. Raha te hanana fanantenana ny hamongotra eto amin’izao tontolo izao ity zava-doza ity isika dia tsy maintsy ny fitiavana no ataontsika ho lohalaharana sy fototry ny ezaka rehetra ataontsika.

Te hanolotra fomba telo hanehoana fitiavana aho izay antenaiko fa hifantohantsika sy hekentsika ary hampiharintsika. Ireo fomba telo hanehoana fitiavana ireo dia mifamatotra amin’ireo karazana ambaratonga telo eo amin’ny fampiasana pôrnôgrafia izay mety mianjady amin’ny zanatsika.

Voalohany, dia maneho isika hoe “tiako ianao” amin’ny alalan’ny fiarovana marina azy ireo. Faharoa, maneho isika hoe “mbola tiako ianao” amin’ny alalan’ny fandraisantsika andraikitra eo anatrehan’ny fahitan’izy ireo ny pôrnôgrafia na amim-panahy iniana izany na tsia. Ary fahatelo dia maneho isika hoe “ho tiako foana ianao” amin’ny alalan’ny fanolorana fanohanana feno fitiavana azy ireo rehefa miezaka ny ho sitrana izy ireo raha niaina fihoaram-pefy tamin’ny fampiasan-javatra na fiankinan-doha tamin-javatra. Ny fitiavana no fanalahidy ao anatin’ny ambaratonga tsirairay.

1. Fiarovana: “Tiako ianao”

Alaivo sary an-tsaina ny ankizy iray tianao. Rehefa miteny amin’io ankizy io ianao hoe “Tiako ianao,” dia inona no dikan’izany? Ny ao anatin’izany dia midika hoe manolotra fiarovana isika mba hahafahantsika manampy an’ireo izay tiantsika mba ho lasa izay tsara indrindra azon’izy ireo hahatongavana sy hiatrika ireo fanambin’ny fiainana. Anisan’ny mandrafitra ny fiarovana ny famoronana fifandraisana mafy orina, azo itokiana ary tsy miova. Izany karazana fifandraisana izany dia manampy amin’ny fanakaikezana ny ankizintsika. Rehefa manorina fifandraisana mafy orina mifono fifampitokiana isika ary miaro ny zanatsika sy ny zafikelitsika, na izay mety ho ankizy, dia manome azy ireo toerana azo antoka azon’izy ireo hanatonana isika. Izany fiarovana izany dia manampy azy ireo hahatakatra hoe iza izy ireo ary manampy azy ireo hahatakatra ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra. Ny fahatsapana fananana lanja sy fitiavana dia manampy ny ankizy hahazo sary an-tsaina an’ilay Ray any An-danitra tia mikarakara izay manome torolalana mba hahazoan’izy ireo fifaliana ary manampy ny ankizy hiantehitra Aminy.

Miahiahy aho noho ny mety tsy fahatsapan’ny ray aman-dreny maro ny tena maha-zava-doza ny pôrnôgrafia na ny mety hieritreretan’izy ireo fa olan’ny hafa izany. Ny marina dia misy fiantraikany eo amin’ny ankizilahitsika sy ankizivavintsika izany olana izany ary tsy dia resahintsika loatra izany.

Taona maro lasa izay dia naheno tantara manan-danja iray izaho sy ny vadiko izay naverimberinay notantaraina tamin’ny zanakay. Izany tantara izany dia mikasika ny bibilava maneno efa antitra iray izay nangataka ankizilahy iray nandalo mba hitondra azy eny an-tampon’ny tendrombohitra mba hijery masoandro milentika farany mialoha ny hahafatesany. Nisalasala ilay ankizilahy saingy nampanantena ilay bibilava maneno fa tsy hanaikitra azy ho tambin’ny fitondrany azy. Rehefa avy nifanaiky dia nentin’ilay ankizilahy soa aman-tsara teny an-tampon’ilay tendrombohitra ilay bibilava ary niaraka nijery ny filentehan’ny masoandro izy ireo.

Rehefa avy nitondra an’ilay bibilava nidina teny amin’ny lohasaha izy dia nahandro sakafo ho azy ilay ankizilahy ary nanamboatra ny fandriana hatoriany. Ny ampitson’izany dia nanontany ilay bibilava hoe: “Ry zazalahikely a! Mba afaka hitondra ahy hody any an-tranoko ve ianao? Tonga izao ny fotoana handaozako an’ity izao tontolo izao ity ary te hiverina hody any amiko aho.” Nahatsapa ilay ankizilahikely fa tsy nisy loza nahazo azy ary nitazona ny teniny ilay bibilava ka nanapa-kevitra izy fa hanatitra ilay bibilava hody araka ny nangatahiny.

Noraisiny tamim-pitandremana tsara ilay bibilava, nofihininy teny an-tratrany ary nentiny niverina tany an-tany efitra izay toeram-ponenany mba ho faty any. Nialoha ny nampidinany an’ilay bibilava maneno dia nitodika ilay bibilava maneno ary nikaikitra ny tratrany. Nihiakiaka ilay ankizilahikely ary natsipiny teny amin’ny tany ilay bibilava. “Nahoana ianao no nanao an’izany Andriamatoa Bibilava? Tena ho faty aho izao!” Nitraka ilay bibilava sady nitsikitsiky ery nanao hoe: “Fantatrao aho hoe inona tamin’ny ianao nibata ahy.”

Eto amin’izao tontolo izao amin’izao fotoana izao dia mahita ray aman-dreny maro aho izay manolotra bibilava ho an-janany. Ny finday smartphone no tiako horesahina. Isika dia tsy tokony hanome finday ahafahana mijery internet sy fitaovana hafa ho an’ny zanatsika mbola kely izay tsy mbola nahazo fampianarana ampy sy tsy mbola manana ny fomba fisainana ilaina sy ny fahaizana mandray fanapan-kevitra ary izay tsy eo ambany fifehezan’ny ray aman-dreny sy tsy voafehin’ny fitaovam-piarovana hafa mba hiarovana azy ireo. Hoy i Jason S. Carroll, prôfesora mikasika ny fiainam-pianakaviana ao amin’ny Oniversite Brigham Young University hoe: “Arovantsika ny zanatsika mandra-pahafahan’izy ireo miaro ny tenany.” Ilay ampahany mandrafitra ny atidoha izay ahitana ilay faritra mirakitra ny fahazoana fahafinaretana, no mivelatra voalohany. Aty aoriana ny fahaizana misaina sy mandray fanapahan-kevitra ao amin’ny ampahan’ny atidoha eo amin’ny faritry ny handrina vao mivelatra tanteraka. “Noho izany dia efa ananan’ny ankizy ny fanitsahana hafainganam-pandeha fa tsy mbola ananany ilay fanitsahana hidinkodiarana.”1

Tokony hisy fiarovana ny finday rehetra na dia ny an’ny zatovo aza. Torohevitra tsara koa izany ho an’ny olon-dehibe. Tsy misy voaro amin’ny kaikitry ny bibilava misy poizina izany. Ny ray aman-dreny sasany dia misafidy ny finday miforitra roa (téléphone à clapet) ho an’ny zanany mba hamerana ny fanaovana antso sy ny fandefasana hafatra.

Ankoatra ny finday smartphone dia tsy tambo isaina ireo fitaovana hafa izay ahafahana mahita fampahalalana tsy ilaina amin’ny alalan’ny internet. Nisy fanadihadiana vao haingana natao izay nampiseho fa ny 79 isan-jaton’ny fahitana tsy nahy pôrnôgrafia dia miseho any an-trano.2 Mety hahita izany ao amin’ny tablette, ny finday smartphone, ny console de jeu, ny lecteur DVD portatif, ary ny téléviseur à puce ny ankizy raha tsy hitanisa afa-tsy ireo fotsiny aho. Mahafantatra fianakaviana aho izay namaritra faritra tokana handalovan’ny rehetra matetika ao an-tranony mba hampiasana ireo fitaovana elektrônika. Antsoin’ireo fianakaviana ireo hoe “efitranon’ny haino aman-jery” izany ary mipetraka hita maso eo amin’ny mazava ny fitaovan’izy ireo rehetra. Tsy misy velively izany hoe olona iray mijanona irery ao amin’ilay efitrano izany ka mikirakira fitaovam-pifandraisana.

Ny fianakaviana hafa dia nisafidy lalàna tahaka ny hoe tsy mahazo mampiasa telefaonina any amin’ny efitrano fandriana sy any amin’ny efitrano fidiovana sy fivoahana. Ny sasany miteny tsotra hoe: “Tsy mitoetra irery velively miaraka amin’ny finday.” Ny sasany koa mampiditra tsikelikely applications azon’ny zanak’izy ireo ampiasaina miaraka amin’ny logiciel izay ahafahan’ny ray aman-dreny manova ny ao anatin’ny findain’ilay ankizy. Amin’izay fomba izay no ampianaran’izy ireo fa misy toetra mendrika takina vao misy ny fahatokiana ary zava-dehibe ny fiarovana ny finday.

Na inona na inona zavatra ilain’ny fianakaviantsika manokana dia aoka isika hampianatra ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana mba hampiasa ny teknôlôjia amim-pahendrena sy amin’ny fomba tsara dieny manomboka, mba hampivelarana toe-tsaina madio. Aoka isika hampianatra amin’ny fomba araka ny tokony ho izy ny ankizy mba hampiasa ny teknôlôjia amin’ny antony tsara. Afaka mampianatra azy ireo isika mba hanampiana azy ireo hanombantombana ny tenany amin’ny alalan’ny fanontaniana hoe: “Moa ve hitondra soa ny fampiasana an’ity?” Ireo fomba safidintsika mba hampianarana ny fianakaviantsika amin’izao fotoana izao dia hisy fiantraikany ho an’ny taranaka ho avy.

Amin’ny maha-ray aman-dreny dia manantena aho fa hodinihintsika tsara ny maha-zava-dehibe ny fifandraisantsika amin’ny zanatsika sy ny ezaka manokana ataontsika mba hiarovana azy ireo. Rehefa manamafy orina izany fifandraisana feno fitiavana izany isika dia ho takatry ny ankizy tsara kokoa ny antony hampitandreman’Andriamanitra mikasika ireo zava-dratsin’ny pôrnôgrafia, ho fantatr’izy ireo ny fomba hisorohana izany ary ho voaomana izy raha sendra an’izany.

Sary
father talking with his son

Sary avy amin’ny Getty Images; nampiasaina mba hanehoan-javatra, ary olona nindramina no nalaina sary

2. Fandraisana andraikitra: “Mbola tiako ianao”

Tsy mora ny mamorona fifampiresahana mahafinaritra sy mahitsy ary mahasarika izay mamporisika ny ankizy mba hizara ny eritreriny sy ny zavatra niainany ary hametraka fanontaniana amin’ny ray aman-dreniny. Afaka manasa ny ankizy avy amin’ny sokajin-taona rehetra isika mba hiresaka amintsika raha toa na rehefa manana olana amin’ny pôrnôgrafia izy ireo na manao ahoana na manao ahoana ny halehibeny, manomboka any amin’ny fahitana aloha loatra sy tampoka an’izany, mankany amin’ny fijerena izany tsindraindray, mankany amin’ny fijerena lava izany, ary hatrany amin’ny fihoaram-pefy eo amin’ny fijerena izany. Tsara kokoa ny fifampiresahana mialoha ary hiresaka tsy am-pihambahambana kokoa ny ankizy rehefa fantatr’izy ireo fa tiana izy ireo ary tsy misy zavatra lazain’izy ireo na ataon’izy ireo afaka manova izany fitiavana izany.

Tena mahalana anefa ny ankizy vao manatona mba hiresaka. Miseho izany matetika rehefa manontany ankizy iray ny ray na reny mandinika iray hoe, “Misy olana angaha?” na “Toa hafahafa ianao izany.” Arakaraka ny hahatsapan’ilay ankizy fitiavana kokoa no hahamora kokoa ny firesahany amin-kitsim-po.

Mitoetra ao an-tsain’izy ireo izany fahatokiana fa tiana izany amin’ny alalan’ireo zavatra kely iainana izay miverimberina miseho. Ireo olana kely resahina amim-pitiavana dia manorina fototra iray iorenan’ny fandraisana andraikitra araka ny tokony ho izy, ka rehefa misy olana lehibe mitranga dia mbola afaka mifampiresaka tsara ihany. Ny tena zava-dehibe dia ny fahafantaran’ny zanaka fa ny valinteninao dia hoe, “Mbola tiako ianao. Tsy hoe hitsahatra ny hitia anao aho satria nisy zavatra iray nitranga. Tiako foana ianao.”

Noho ny antony tsy fantatra dia tsy dia miresaka loatra amin’ny zatovo sy ny ankizy mikasika ny iray amin’ireo filana tena lalina sy fakam-panahy faran’izay lehibe hatrehin’izy ireo isika. Ny fisalasalantsika dia manomana azy ireo amin’ny ankapobeny mba ho ampianarin’ny internet, na ankizy na zatovo hafa, na haino aman-jery malaza mihitsy aza. Ny sasany amintsika dia mety misalasala na ny hampiasa ny teny hoe pôrnôgrafia aza eo imason’ny ankizy noho ny fiezahantsika hiaro ny tsy fananan’izy ireo tsiny. Toa tena mahamenatra izany. Angamba tsy niresaka velively nivantana tamintsika momba izany ny ray aman-drenintsika. Ahoana raha lasa manosika azy ireo hikarokaroka ny fifampiresahantsika amin’izy ireo? Ahoana raha te hahafantatra misimisy kokoa izy ireo? Ahoana moa no ahafahantsika manantena ny zanatsika hiresaka momba ny pôrnôgrafia amintsika raha toa ka tsy miresaka velively momba izany amin’izy ireo isika?

Ry ray aman-dreny, isika no tsy maintsy manomboka ny fifampiresahana fa tsy miandry ny zanaka hanatona antsika. Tiako ilay torohevitra hoe manao fifampiresahana tsy tapaka sy matetika ary mampahazo aina fa tsy fifampiresahana atao indray mandeha fotsiny. Ny tombontsoa avy amin’ny fifampiresahana feno fitiavana dia ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika azo ianteherana no tompon’andraikitra fa tsy ny Google. Afaka mitranga any amin’ny toerana azo antoka ny fifampiresahana ary mampitombo ny fahatokian’ny zanaka ny fifampiresahana. Tiantsika ny zanaka mba hahatsapa fa vonona sy manana hery fa tsy hatahotra. Te hifampiresaka amin’izy ireo isika fa tsy hilaza zavatra amin’izy ireo fotsiny.

Amin’ny maha-ray aman-dreny sy mpampianatra antsika dia tsy afaka manampy ny ankizy isika raha toa ka tsy ampy fahalalana. Tena ilaina ny mampianatra ny atao hoe pôrnôgrafia sy ny antony tokony hisorahana izany. Afaka mianatra ho an’ny tenantsika isika ary manampy ny zanatsika hahatakatra ny maha-ratsy ny pôrnôgrafia, ny maha-mampidi-doza izany, ny antony tsy hitiavantsika ny hanimban’izany azy ireo ary ny zavatra tokony hatao raha mahita izany izy ireo.

Moa ve isika manome antony ampy izay amin’ny fomba mifanaraka amin’ny sokajin-taona? Raha toa ka ny hoe “ratsy izany” no hany antony omentsika azy ireo mba hisorohana ny pôrnôgrafia dia mety ho lasa antony tsy ampy izany. Fa tsy maintsy maneho antony maro araka izay vitantsika isika mba hanorina fitsipi-pitondrantena tsy maintsy arahina izay manome faharisihana ny zatovontsika.

Misy antony maro hisorohana ny pôrnôgrafia saingy ireto misy hevitra vitsivitsy avy amin’ny fikambanana Fight the New Drug (Tolona amin’ilay Zava-mahadomelina Vaovao) izay mety hahaliana ireo tanorantsika:

  • Ny pôrnôgrafia dia afaka manova ny fiasan’ny atidohanao ary ny fanadihadiana natao dia mampiseho fa afaka mampihena sy mampalaindaina ny atidohanao.

  • Afaka mitondra any amin’ny fiankinan-doha ny pôrnôgrafia.

  • Hanimba ny fanananao fahatokian-tena ny pôrnôgrafia.

  • Afaka mamela anao ho manirery ny pôrnôgrafia.

  • Afaka manimba ireo izay tianao ny pôrnôgrafia.

  • Afaka manimba fanaovana firaisana ara-nofo mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny pôrnôgrafia.

  • Mifandray amin’ny herisetra ny pôrnôgrafia.

  • Mahatonga ny olona ho tsy marin-toetra ny pôrnôgrafia amin’ny farany.

  • Horobain’ny pôrnôgrafia ny fotoanareo sy ny herinareo.

  • Mahatonga harerahan-tsaina amam-panahy, fitebitebena ary fahamenarana ny pôrnôgrafia.

Ampiako hoe ny pôrnôgrafia dia mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra. Eo anatrehan’ireo zavatra ireo sy ireo antony maro hafa dia manana porofo isika hanoherana ny pôrnôgrafia, saingy ny fahalalana tsy arahina asa dia mitondra any amin’ny fahasorenana. Tsy maintsy mametraka faritra tsy azo ihoarana sy fetra ary zavatra tiana ho tanteraka izay ara-drariny sy manampy isika. Ny fanampiana ny ankizy mba hananany antony manokana hanalavirana ny pôrnôgrafia dia tena ilaina. Raha toa ny ankizy iray ka tsy manapa-kevitra ho an’ny tenany manokana mikasika ny tokony hisy azy ireo eo anatrehan’izany olana izany dia ho lasa anisan’ny ao anatin’ilay antontan’isa mahazendana amin’izao fotoana izao izy.

3. Fanasitranana: “Ho tiako foana ianao”

Rehefa mahita pôrnôgrafia ny ankizy ary voafandrik’izany dia sarotra ho azy ireo ny mandray andraikitra sy miarina ary mikatsaka fahasitranana. Ilaina ny fanohanana amin-kitsim-po, amim-pahavitrihana, tsy miova, mafy orina ary feno faharetana rehefa mandray andraikitra ny hahazoany fahasitranana ny ankizy ary manohy ny fiainany. Tsy misy olona afaka manolotra izany karazana fanohanana izany ankoatra ny ray na reny. Rehefa avy nampianatra tsara sy nampianatra manokana ny fahamarinana isika, ary rehefa avy nanorina tamim-pahatoniana fifampatokiana ary nanao izay hisian’ny fifampiresahana dia ilain’ny zanaka ny mahafantatra fa na dia eo aza ireo fahadisoana sy safidy ataon’izy ireo, ny fanomezan-toky ataontsika dia hoe: “Ho tiako foana ianao na inona na inona mitranga.”

Tsaroako ny zavatra iray nitranga teo anivon’ny fianakavianay taona maro lasa izay. Tsy tao an-trano izahay mivady ka ny zanakay lahimatoa no niambina ireo ankizy hafa. Naharay antso avy tamin’ny mpifanolobodirindrina taminay izay feno ahiahy izahay, izay nampandre anay fa nisy fiaran’ny mpamonjy trano may teo an-tranonay. Niverina nody haingana izahay ary nahita fa ilay zanakay 10 taona dia nilalao tany amin’ny tokotany tao ambadiky ny trano izay teo akaikin’ny faritra misy bozaka maina avo mirefy 2,5 hekitara. Nandramany raha toa ka afaka mandrehitra afo amin’ny alalan’ny pitik’afo izy.

Nataony tokoa izany! Rehefa tonga teo izahay dia efa voavonon’ny sampan-draharaha misahana ny famonoana afo ilay afo kely. Nahazo lesona avy tamin’ilay mpamonjy trano may ny zanakay lahy ary nanomboka niparitaka ireo mpifanolobodirindrina taminay. Menatra sy natahotra ary nitomany ilay zanakay lahy ary nahafantatra fa tena ho bedy izy.

Niditra tao an-trano daholo izahay. Natahotra mafy ilay zanakay lahy ka na dia saika nampidi-doza aza ilay toe-javatra, ny azonay natao dia ny namihina an’ity zazalahy mahafatifaty ity ary nanome toky azy fa tianay izy ary faly izahay fa tsy naninona izy.

Rehefa mahita pôrnôgrafia ny ankizy ary indrindra rehefa voasambotra ao anatin’ny tranonkalany dia ho menatra sy hatahotra ary hitomany koa izy ireo. Sarotra ny mitondra zavatra iray avy tao anatin’ny haizina ary mamoaka izany eo amin’ny mazava. Mahamenatra sy mampaharefo izany. Mety hiatrika tsy fahombiazana sy olana izy ireo eny an-dalam-piarenana sy eny an-dalam-pahasitranana. Tena lehibe ny filany fitiavana tsy tapaka. Na izany aza, dia tokony ho fantatry ny ray aman-dreny fa hanampy ny fitiavan’izy ireo, saingy tsy ampy izany.

Ao anatin’ny fanasitranana dia hilainao ny mampiasa ny sasany amin’izany fitiavanao ny zanakao izany mba hitadiavana ireo loharano tena afaka manampy. Ny fitiavanao no fototry ny zavatra tokony hiseho, saingy rehefa voafandrika ilay olona tianao dia tena hilainao ny mitady olona matihanina izay afaka manampy ilay olona tianao sy manampy anao koa. 

Rehefa mitady fahasitranana ianao sy ilay olona tianao dia manantena aho fa ianao dia hahita hery ao amin’Ilay Iray izay manana ny hery hanasitranana ny fery rehetra, sy hampifamatorana ny olona rehetra ary hanorenana fifandraisana izay tena mihoatra ny fahatakarantsika amin’izao fotoana izao. Ny Mpamonjy antsika, ilay Mpanasitrana feno fitiavana dia manana ny hery hamonjena. Afaka ny ho ray aman-drenin’ireo zanatsika isika ary manampy azy ireo hanatona Azy, saingy Izy irery ihany no afaka ny ho Mpamonjiny. Ary ny zavatra mahavariana dia tia ny zanatsika amin’ny fomba tonga lafatra kokoa noho ny asehontsika amin’izy ireo aza Izy, na inona na inona mitranga.

Sary
Jesus with children

Sombiny avy tamin’ny Avelao ny zaza hanatona Ahy, nataon’i Carl Heinrich Bloch

Fanamarihana

  1. Jason S. Carroll, in Lisa Ann Thomson, “Eight Strategies to Help Children Reject Pornography,” Liahona, Aug. 2017, 19.

  2. “The Facts about Online Threats,”Parents Television Council Watchdog (blog), June 21, 2017, w2.parentstv.org/blog.