2019
Miaro ny zanaka amin’ny pôrnôgrafia
Ôktôbra 2019


Miaro ny ankizy amin’ny pôrnôgrafia

Sary
mother and her son walking down a path

Sarina fianakaviana mielo, zazalahy mipetraka eo an-joron-trano, vondron’ankizy avy amin’ny Getty Images, ampiasaina mba hanehoan-javatra, ary olona nindramina no nalaina sary

Rahavavy Joy D. Jones, Filohan’ny Kilonga maneran-tany, dia milaza fa ny fitiavana no fitaovana tena lehibe hiadiana amin’ny pôrnôgrafia: “Hoy ilay don-teny malaza hoe: -mahafaty fitiavana ny pôrnôgrafia,- kanefa aoka hotsaroantsika koa fa mahafaty pôrnôgrafia ny fitiavana.” Ireto misy fomba telo izay maneho fa ny fanehoana fitiavana dia miaro ny zanaka amin’ny fitaoman’ny pôrnôgrafia.

Fiarovana: “Tiako ianao”

Manorena fifandraisana izay hahatsapan’ireo zanakao ho voaro sy tiana.

Fandraisana andraikitra: “Mbola tiako ianao”

Iresaho mikasika ny pôrnôgrafia ny zanakao ary asao izy ireo hanatona anao dia hametraka ny fanontaniana ananany.

Fanasitranana: “Ho tiako foana ianao”

Omeo toky ny zanakao fa na dia manana olana amin’ny pôrnôgrafia aza izy ireo dia tsy miova ny fitiavanao azy ireo.