2019
Fitahiana fanampiny
Ôktôbra 2019


Ny feon’ny Olomasin’ny Andro Farany

Fitahiana fanampiny

Roberto Atúncar Nieto

Lima, Pérou

Sary
man holding bags of food

Sary nataon’i Ale + Ale, Morgan Gaynin

Vao niteraka ny zanakay voalohany izaho sy i Carmen vadiko no nantsoina ho evekan’ny paroasinay aho. Nanana olana ara-bola izahay tamin’izany fotoana izany. Lasa niteraka rarin-tsaina ho ahy ny namelona ny fianakaviako sady niahy sy nikarakara ireo mpikambana tao amin’ny paroasinay.

Indray alahady dia nahatsikaritra renim-pianakaviana tokan-tena iray niaraka tamin’ireo zanany efatra mbola kely tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo aho. Nipetraka teny amin’ny seza farany tao amin’ny trano fiangonana izy ary niezaka nampangina ireo zanany araka izay vitany. Fantatro fa nanana olana ara-bola ihany koa izy, saingy tsy mba nangataka fanampiana izany mihitsy. Lasa ny herinandro vitsivitsy, ary tonga tao am-piangonana niaraka tamin’ireo zanany izy isaky ny alahady.

Indray andro dia naharay ny seky nisy ny karamako aho. Noho izaho notahina ka nahazo tambin-karama dia nanapa-kevitra aho ny hampiasa ilay vola amboniny mba hividianana vatsim-pitaovana hanaovana fanamboarana tena nilaina tokoa tamin’ny tranoko. Saingy rehefa nitodi-doha ho any an-tsena aho dia tadidiko io rahavavy io sy ireo zanany. Tsapako fa tokony hampiasaiko hividianana sakafo ho azy ireo ilay vola amboniny. Niantso an’i Carmen aho dia nilaza taminy ny zavatra tsapako fa nilaiko natao. Nanaiky izy.

Rehefa niantsena aho dia nitopy teny amin’ny biscuits vitsivitsy ny masoko. Nieritreritra aho fa mety te hihinana zava-mamy ireo ankizy. Nofenoiko sakafo ny harona roa dia nandeha nankany amin’ny tranon’ilay rahavavy aho.

Nandondona imbetsaka teo amin’ilay varavaran-kazo efa simba aho. Rehefa iny aho handeha iny dia nivoha ihany ilay varavarana nony farany. “Eveka,” hoy ilay rahavavy, “Tsy nanampo ny hahita anao aty aho.” Niaraka tamin’izay dia nihazakazaka nivoaka avy tao aoriany ireo zanany.

“Nitondra sakafo ho anareo aho,” hoy aho.

Nahita ireo biscuits ny iray tamin’ireo zanany vavy dia nihorakoraka hoe: “Biscuits!” Nitangorona tamim-pifaliana ireo anadahiny sy rahavaviny. Namihina ahy ny zanany vavy iray fito taona. “Misaotra anao ry Eveka,” hoy izy.

Nojereko ny tao an-tokantranon’izy ireo dia hitako fa nanasa lamba tao anaty koveta teo amin’ny tany io rahavavy io. Tsy nanana latabatra ilay fianakaviana ary natory tamin’ny kidoro teo amin’ny tany. Tsapako fa tena nila fanampiana be tokoa izy ireo. Nanao fandaminana aho mba hahazoana antoka fa hanana latabatra izy ireo ary hanana fandriana ny tsirairay avy.

Io zavatra niainana io dia nanampy ahy hahafantatra fa mitarika sy mitahy ny mpanompony ny Tompo. Tsy mila antso manokana isika mba hahafahana manampy ireo rahalahintsika sy anabavintsika. Mila mahay mihaino tsara ny Fanahy fotsiny isika, mahafantatra izay olona mila ny fanampiantsika, ary vonona ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo.