2019
Inona no foto-kevitra ijoroan’ny Fiangonana momba ny tontolo iainana?
Ôktôbra 2019


Inona no foto-kevitra ijoroan’ny Fiangonana momba ny tontolo iainana?

Teny manan-danja iray hahatakarana ny foto-kevitra ijoroantsika momba ny tontolo iainana ny hoe fitantanana. Tsy midika akory izany fa an’ny olona ny tany ary afaka mampiasa izany araka izay tiany izy ireo, fa ny dikan’izany kosa dia hoe tompon’andraikitra isika amin’ny fomba ampiasantsika ny zavatra rehetra izay misy eo aminy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:13–15). Na dia hoe “manana ny ampy sy ny hotehirizina aza” ny tany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:17), dia tian’ Andriamanitra isika ny hampiasa amim-pahendrena ireo zavatra izay misy eto an-tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:20).

Nahary ny tany Andriamanitra ary nanambara fa ny zavatra nohariany dia “tsara indrindra” (jereo ny Genesisy 1:1, 31). Ity tany ity dia nohariana mba hampiantranoana ny zanak’Andriamanitra izay ao anatin’ny drafitry ny famonjeny. Hohamasinina ny tany ary handray voninahitra selestialy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:18–19).

Tsy vitan’ny hoe nataon’ Andriamanitra ho azo ampiasaina fotsiny ny tany fa nataony tsara tarehy ihany koa. Ny zavatra rehetra eto an-tany “dia natao ho tombontsoa sy hampiasain’ny olona, sady hahafinaritra ny maso no hamalifaly ny fo,” ary koa “hamelombelona ny fanahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:18–19).

Tokony hanome voninahitra an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fankamamiana ny zava-boariny, ny fanehoana fankasitrahana noho izany, ary ny fiezahana hihazona izany ho tsara tarehy. Isika dia tokony hiaro ireo zavatra azo ampiasaina, hiaro ny voary, ary hisoroka ny fandotoana sy ny fandanindaniam-poana.