2019
Voatarika ho any amin’i Monica
Ôktôbra 2019


Ny feon’ny Olomasin’ny Andro Farany

Voatarika ho any amin’i Monica

Rosana Soares

Utah, Etazonia

Sary
woman standing on balcony watching other woman at window

Sary nataon’i Stan Fellows

Fony aho nipetraka tao São Paulo, Brésil dia lasa nahafantatra vehivavy iray miavaka antsoina hoe Graça aho. Vehivavy maha-te ho tia sy tsara fanahy ary naman’ny olona rehetra izy.

I Graça no namako mpiara-mamangy isan-tokantrano. Manan-janaka telo izy, manao asa tsy amin’ny fotoana feno, ary tsy nanana fiara na telefaonina, saingy tsy nisy nahasakana azy hanompo ireo.

Afaka nahatazana avy eny amin’ny lavarangako ny varavarankely iray tamin’ny tranony aho. Rehefa nanana fotoana i Graça dia nametraka lamba mena teo amin’izany varavarankely izany mba hampahafantarana fa vonona ny handeha hanao famangiana izy. Tsy nitady fialan-tsiny tsy hanompoana mihitsy izy. Nieritreritra matetika ny fampahafantarana nataon’i Graça aho sy ny ohatra tena tsara amin’ny asa fanompoana amim-pahatokiana sy tsotra izay nasehony.

Misy zavatra niainana iray tadidiko izay tena manan-danja ho ahy. Niomana izahay ary nivavaka mialoha ny handehanana hitsidika ny iray tamin’ireo rahavavy nampandraiketina anay. Rehefa nanatona ny tranony izahay dia tonga saina fa hay tany amin’ny tranon’ny rahavavy iray hafa izahay no nandeha raha ny marina! Nomena andraikitra hamangy io rahavavy izay renim-pianakaviana manan-janaka kely roa ary malaindaina io izahay, saingy tsy nanao drafitra ny hamangy azy tamin’io andro io. Koa satria efa tonga teo izahay dia nandondona, saingy tsy nisy namaly.

Nanapa-kevitra ny hisisika ihany izahay ary hiandry. Tonga ihany nony farany ilay rahavavy, dia i Monica izany ary nilaza taminay fa sahirana be izy. Tsikaritray fa reraka izy ary efa hila hitomany. Rehefa nilaza izahay fa hanampy no nahatongavanay, dia navelany niditra izahay. Nitomany ny zazakeliny ka dia nasainay nikarakara ny zazakeliny izy fa hiandry izahay. Rehefa niara-niakatra tamin’ilay zazakely tany ambony rihana i Monica dia niasa izahay, nanadio efitrano maro ary namalona ireo lamba rehetra izay hitanay.

Rehefa hitan’i Monica ny hatsaran’ny endriky ny tranony dia nanomboka nitomany izy, vonona ny hamboraka izay tao am-pony taminay, ary nizara ny sasantsasany tamin’ireo olany. Nampanantena ny hanampy azy izahay, dia noresahanay tamin’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ny olana nananany. Ny alahady taorian’izay dia tonga tao am-piangonana i Monica.

Lasa rahavavy mavitrika sy faly i Monica, ary nanohy nanompo azy tamim-pitiavana sy tamim-pikarakarana izahay. Mbola eo foana ireo olana nananany, saingy afaka niatrika izany tamin’ny finoana sy herim-po bebe kokoa izy noho ny fahavitrihany ao amin’ny Fiangonana.

Feno fankasitrahana aho noho ny ohatra nasehon’i Graça teo am-piarahanay nanompo. Nivavaka izahay mba hahazo fitarihana, ka dia nitondra anay tany amin’i Monica Andriamanitra.