2019
Tsy te hiavaka aho!
Ôktôbra 2019


Tsy te hiavaka aho!

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

“Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10).

Sary
I Dont Want to Be Different

Tsy andrin’i Mika foana izay hanatrehana ny kilasy fianarana mandihy. Tiany ny mihaino ny hira. Tiany ny manao ilay sora-dihy maneho lolo manidina sy ny manao tsara izany. Ary tiany indrindra indrindra ny manao izany rehefa miara-mihetsika manao izany daholo ny iray kilasy. Rehefa nanao izany izy ireo dia toy ny hoe mitovy daholo ireo mpandihy. Toy ireny hoe tsy izy irery ireny no tratran’ny trisomie 21.

Androany izy ireo dia nianatra sora-dihy iray vaovao. Nijery ny mpampianany nitsambikina ambony i Mika. Nijery ireo zazavavy hafa nanandrana nanao izany izy. Avy dia nahay izany ny sasany. Ny sasany dia nanao andrana vitsivitsy vao nahay. Nanandrana foana i Mika, saingy tsy nahavita izany tsara izy.

“Afaka manampy ahy ve ianao ry mpampianatra?” Hoy i Mika nanontany.

Nijery an’i Mika ilay ankizivavy teo akaikiny. Dia nitongilana kely teo amin’ny namany izy. “Fa maninona izy no manao toy izany rehefa miteny?” hoy izy nibitsibitsika. Samy nitodika nijery an’i Mika izy roa vavy.

Teny an-dalana hody rehefa avy nianatra dia tsy niteny mihitsy i Mika.

Rehefa tonga tany an-trano izy ireo dia namolavola koba tao an-dakozia i Neny. Nisy lafarinina ny takolany. Nampihomehy an’i Mika izany indraindray. Saingy androany izy dia nametraka ny kitapony teo amin’ny tany fotsiny dia nipetraka tamin’ny seza teny akaikin’ny latabatra.

“Nanao ahoana ny fianarana mandihy?” Hoy i Neny nanontany.

“Ratsy be,” hoy i Mika. “Nangataka fanampiana aho, dia nisy ankizivavy iray niteny hoe mampihomehy ny fiteniko. Dia nijerijery be ahy izy avy eo.” Niondrika i Mika. “Tsy te handeha hianatra handihy intsony aho.”

“Indry! Ry Mika!” Hoy i Neny. “Mampalahelo izany. Tia mijery anao mandihy izaho sy i Dada. Mirehareha ny amin’ny ezaka lehibe ataonao izahay!”

Tsapan’i Mika ho nanomboka nitomany izy. “Tsy tiako ny trisomie 21 ato amiko. Tsy tiako fa hafahafa ny tarehiko. Raha mba tsy sarotra be toy izany mantsy ho ahy ny mianatra zavatra vaovao. Na ny miresaka aza dia ilàko hanaovana fanazaran-tena!”

Nipetraka teo akaikin’i Mika i Dada dia nisakambina azy. “Mika a! Tianay be tokoa ianao. Tsy misy na dia zavatra iray aza tianay hovaina mahakasika anao.”

Saingy nanifikifika ny lohany fotsiny i Mika dia nanafina ny lohany teo anelanelan’ny sandriny roa. “Tsy te hiavaka aho. Tiako hoesorina ato amiko ny trisomie 21 ato anatiko!”

Nangina kely vetivety i Dada sy i Neny.

“Mahita hevitra aho,” hoy i Neny. Namoaka ny lohany avy teo anelanelan’ny sandriny roa i Mika. “Fa maninona ianao raha manontany ny Ray any An-danitra mikasika ny zavatra tsapany momba anao?

Nandinika momba izany i Mika. Tia nivavaka izy. Naneho tsimoramora fihetsika manaiky tamin’ny lohany izy. “Azonao soratana ve ilay fanontaniana mba ho tadidiko ny zavatra tokony hangatahiko?”

Nosoratan’i Neny ilay fanontaniana. Dia nalain’i Mika ilay taratasy ary nandeha tany amin’ny efitranony izy mba hivavaka.

Rehefa nankao an-dakozia i Mika minitra vitsy taorian’izay dia namiratra toy ny takamoa ny tarehiny. “Namaly ny Ray any An-danitra!” hoy izy.

“Inona no nolazainy?” Hoy i Neny nanontany.

“Hoy Izy hoe: -Mika a! Toy izao mihitsy no itiavako anao,-” hoy i Mika. “Ary nolazainy tamin’ny feo Mafy izany!”

Ny herinandro manaraka tany amin’ny fianarana dihy dia tsy niraharaha izay neritreretin’ireo zazavavy hafa momba ny trisomie 21 nahazo azy i Mika. Fa izy kosa dia nahatsikaritra zazavavy iray hafa antsoina hoe Sara, izay toa nalahelo. Sahirana mafy nianatra ny sasany tamin’ireo fihetsika vaovao koa i Sara.

Rehefa tonga tany an-trano i Mika dia nanapa-kevitra izy ny hanoratra teny kely ho an’i Sara. Nanao sarina fo be dia be izy. Nanampy azy tamin’ny tsipelina i Neny.

“Ry Sara malala,” hoy i Mika nanoratra. “Mpandihy tena mahay ianao. Te ho namanao aho. Faly aho manana anao ao amin’ny kilasy fianarako dihy.”

Tsy andrin’i Mika ny hanomezana an’i Sara ilay taratasy. Tiany ho faly sy hahatsapa hoe tiana any amin’ny kilasy fianarana dihy koa i Sara.