2019
Tsy matahotra ny hizara ny fahamarinana
Ôktôbra 2019


Tsy matahotra ny hizara ny fahamarinana

Noho izy manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara sy ny fitahiana avy amin’izany dia tsy navelan’i Fabian nanakana azy tsy ho lasa mpikambana misiônera matanjaka sy tsy matahotra ny maha-mbola kely taona azy.

Sary
Fabian with missionaries

Mody masoandro ao Las Tomas, toerana iray naorina eo ambony fasika misolampy izay mitatao eo ambonin’i Antofagasta. Ery ambany ery dia manomboka mamiratra ireo jiro rehefa milentika ny masoandro amin’io tanàna misy ny seranan-tsambo ao amin’ny tapany avaratr’i Chili io.

Sabotsy hariva ny andro, ary afaka nandeha niaraka tamin’ireo namany i Fabian H. izay 13 taona. Saingy naleon’i Fabian, izay mpikambana vaovao ato amin’ny Fiangonana nisafidy ny hampiasa ny takarivany hiarahana tamin’ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Fotoana izao “mba hanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely.”1

Amin’ireo mpikambana misiônera manolo-tena rehetra izay niarahan’i Kellen VanNatter sy i Jordan Shelton niasa nandritra ny asa fitoriana tamin’ny fotoana feno nataon’izy ireo tao Chili dia i Fabian no niavaka indrindra.

Raha vao nanana fotoana malalaka izy dia nandeha niaraka taminay nanao asa fitoriana,” hoy i Kellen. “Rehefa tapitra ny fialan-tsasatra tamin’ny fahavaratra dia nalahelo izy noho izy tsy maintsy niverina nianatra tany an-tsekoly, fa tsy vitan’izay ihany fa noho izy tsy nanana fotoana betsaka hiarahana taminay ihany koa.”

I Jordan izay namana mpiara-manompo tamin’i Kellen nandritra ny volana maro dia nanampy hoe: “Inefatra na indimy isan-kerinandro teo mihitsy i Fabian no niaraka taminay, isan-kerinandro, nandritra ny fotoana niarahanay nanompo tao Antofagasta. Izy no mpikambana misiônera tsara indrindra niarahanay niasa hatramin’izay.”

Inona no mahatonga ny zatovolahy iray hanana fahavononana tokoa toy izany mba hanao asa fitoriana na dia eo aza ny fankahalan’ireo mpiara-mianatra sy ny tsy firaharahian’ny olona tsy fantatra? Ny valin’izany ho an’i Fabian dia hita ao anatin’ireo fitahiana izay noraisin’izy sy ny fianakaviany hatramin’ny naneken’izy ireo ny filazantsara, izay fitahiana tiany hozaraina amin’ny hafa.

Sary
Fabian teaching with missionaries

“Fifaliana tsy hay lazaina”

I Fabian dia nanomboka nianatra ireo leson’ny misiônera fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno nandondona ny varavarany. Mbola tsaroany foana ny fivoriana fanasan’ny Tompo natrehany voalohany.

“Tsy nahafantatra na iza na iza aho rehefa niditra tao amin’ny trano fiangonana, ka dia somary natahotra aho,” hoy izy. “Saingy nahatsapa zavatra nahatalanjona aho. Tsapako ho toy ny hoe efa tao amin’ny Fiangonana nandritra ny volana na taona maro aho.”

Nandritra ny batisany herinandro vitsy taorian’izay: “Nahatsapa fifaliana tsy hay lazaina aho tamin’ny nanitrihana ahy tao anaty rano sy ny nivoahako tao. Nahatsapa ho toy ny olom-baovao aho, ary fantatro fa hanaraka an’i Jesoa Kristy aho ary hanao izay tsara indrindra vitako mba hitandrina ny didiny.”

Rehefa niaraka tamin’ny zanany lahy nandritra ny leson’ireo misiônera ireo ray aman-drenin’i Fabian izay tsy mbola nivady ara-dalàna dia nianatra momba ny fanambadiana any amin’ny tempoly sy ny fianakaviana mandrakizay izy ireo. “Herinandro taty aoriana dia nametraka daty hanaovana ny fanambadiany ny raiko,” hoy i Fabian. “Faly ery ny reniko.”

Efa-bolana taorian’ny nidiran’i Fabian ho mpikamban’ny Fiangonana dia nanaraka azy ka natao batisa i Angela. “Fitahiana tena nahafinaritra izany,” hoy izy.

Nisy fitahiana hafa tonga haingana taorian’izay. I Leonardo, izay efa vita batisa fony izy mbola kely dia niverina navitrika tao amin’ny Fiangonana. Lasa zavatra iray tena nilaina tao an-tokantranon’izy ireo ny fandalinana ny filazantsara. Lasa nihanifanakaiky am-po ireo olona tao amin’ny fianakaviana. Nahita asa mahavelona tsara i Leonardo. Dia nahazo ny fisoronana Aharôna i Fabian.

“Tiako ny mihazona ny fisoronana mba hahafahako mizara ny fanasan’ny Tompo amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy manampy azy ireo hanavao ny fanekempihavanany,” hoy i Fabian. “Ny mahafaly ahy indrindra dia rehefa mandalo eo amin’ny fianakaviako sy ireo misiônera nampianatra ahy aho. Mahafaly ahy tokoa ilay fijerin’ny raiko ahy izay mirehareha noho ny amiko rehefa hitany mizara ny fanasan’ny Tompo aho.”

Sary
Fabian with missionaries talking to a young man

“Tena hahafinaritra izany”

Talohan’ny nanaovana batisa azy i Fabian dia efa nanomboka nanao asa fitoriana ataon’ny mpikambana.

“Nilaza tamin’ny telo tamin’ny namako aho fa hatao batisa. Tonga ny roa tamin’izy ireo,” hoy izy. “Tiako ny mizara ny filazantsara mba hahatakaran’ireo namako ny zavatra inoantsika sy ny zavatra ataontsika any am-piangonana ary mba hahafahan’izy ireo mianatra ny filazantsara, hatao batisa, ary hanana fiainana sambatra kokoa. Ho faly be tokoa aho raha ho vita batisa ny iray amin’izy ireo ary lasa isan’ny mpikambana ao amin’ny kôlejiko. “Tena hahafinaritra izany.”

Mitondra Bokin’i Môrmôna miaraka aminy any an-tsekoly i Fabian, ary mitondra ireo boky kely fizaran’ny misiônera mba homena namana. Faly izy mamaly fanontaniana momba ny Fiangonana ary manasa namana hanatrika ireo fivoriana alahady sy ny fiaraha-mientan’ny zatovo amin’ny hariva. Ary tsy matahotra manatona olona eny an-dalana izy ary, araka ny nampianarin’ny misiônera azy, dia manasa azy ireo izy hianatra momba ny Fiangonana sy hiomana ho amin’ny batisa.

“Tsy mampaninona an’i Fabian na dia misy olona mieritreritra azy ho hafahafa aza noho izy mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany,” hoy i Kellen. Fantany fa zavatra tsara no ataony. Fantany fa manan-danja kokoa noho izay mety ho zavatra hafa ny zavatra ara-panahy.”

Rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany i Fabian, hoy i Jordan, dia mahazo hery avy amin’ny fiovam-pony sy ny fitiavany ny filazantsara ary ireo fitahiana azony izy.

“Hitany ireo fitahiana tonga teo amin’ny fianakaviany, ary izany no mitaona azy hahery fo tokoa sy mahitsy avy hatrany amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny namany,” hoy i Jordan. “Indray mandeha izy dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny naman’ny Fiangonana iray fa fitahiana lehibe ho an’ireo ray aman-dreniny ny firosoana tamin’ny fanambadiana saingy sarotra tokoa ho azy ny niandry efa-bolana taorian’ny batisany mba hanaovana batisa ny reniny. Feno ny fony, ary latsa-dranomaso izy. Nijoro ho vavolombelona izy avy eo fa raha mitandrina ny didy isika dia hikarakara antsika Andriamanitra.”

Mahatonga an’i Fabian ho mpikambana misiônera matanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany, hoy i Kellen nanampy.

“Izy dia tsy miteny zavatra toy ny hoe: -Naheno olona niteny an’izao tany am-piangonana aho.- Fa izy kosa dia mizara foana ny zavatra niainany manokana tahaka ilay fahatsapana nananany rehefa nandeha nivavaka voalohany izy sy ny zavatra tsapany rehefa mamaky ny bokin’i Môrmôna izy. “Tena marina sy tena misy avokoa izany.”

“Mahatsiaro ho maivamaivana kokoa foana aho”

Ho an’i Fabian, ny fizarana ny filazantsara dia mitondra fitahiana hafa.

“Indraindray dia misy zavatra ratsy mitranga amiko any an-tsekoly, kanefa tonga mandondona ny varavarako ny misiônera avy eo dia manontany raha vonona ny hanampy azy ireo hampianatra aho,” hoy izy. “Rehefa avy miaraka amin’izy ireo aho dia mahatsapa ho toy ireny tsy manana olana ireny mihitsy. Mahatsiaro ho maivamaivana kokoa foana aho rehefa miaraka amin’izy ireo, miara-mamaky ny soratra masina amin’izy ireo, ary manampy azy ireo hizara ny filazantsara. Ny fizarana ny filazantsara sy ny tantaran’ny fiovam-poko dia mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananako. Ary ny fampianarana ny filazantsara dia manome ahy fahafahana ho lasa ohatra ho an’ny hafa, anisan’izany ny zandriko vavy.”

Tsy mahagaga raha ny ho lasa misiônera manompo amin’ny fotoana feno no iray amin’ireo tanjon’i Fabian lehibe indrindra aorian’ny hahavitan’ny fianarany ao amin’ny lisea.

“Te hizara ny fahamarinana amin’izay tsy mahafantatra izany aho,” hoy izy. “Te hanasa azy ireo aho mba ho voadio amin’ny fahotany. Te hampianatra azy ireo ny fomba hahafahany ho tonga fianakaviana mandrakizay aho. Te hanasa azy ireo aho mba ho faly amin’izao fotoana izao ary hiaina ao anatin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana aorian’izao fiainana izao.”

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org.