2019
Asehoy sy lazao
Ôktôbra 2019


Asehoy sy lazao

Amin’ity volana ity ny fihaonamben’ny Fiangonana! Ireto ny zavatra ankafizin’ny ankizy sasantsasany mikasika ny fihaonambe.

Sary
Show and Tell

I Abel C. sy i Tina S., 10 sy 9 taona, ao Comté de Bong, Libéria dia mpianadahy. Tia ny fihaonambe i Abel “satria amin’io no hanohanantsika ny mpaminanintsika amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy isan-taona.” I Tina dia “tia ny fihaonambe rehefa miresaka mikasika ny tempoly ny mpaminany.”

Nijery fihaonambe niaraka tamin’ny reniny i Anna B., 10 taona, ao Maharashtra, Inde. Mitondra ny diariny sy ny peniny izy isaky ny fihaonambe mba hanoratana ireo fijoroana ho vavolombelona sy hafatra reny.

I David sy i Juliana M., 4 sy 6 taona, ao Hollande du sud, Pays-Bas, dia mameno lovia baolina 15 amin’ny tsakitsaky kely ary mametraka sarina Apôstôly iray na mpikambana iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany eo ambonin’ny tsirairay avy amin’izany. Rehefa mandahateny ny Rahalahy iray dia hanin’izy ireo ny ao anatin’izany kaopy izany!

Tiako ny mihaino ny mpaminany satria miteny amin’ny alalany ny Tompo.

Andrés C., 12 taona, Valle del Cauca, Colombie

Tia mijery ny fihaonambe aho satria tiako ny mianatra avy amin’ny mpaminany, ary tiako ny miaraka amin’ny fianakaviako mandritra izany fotoana izany.

David J., 9 taona, Sololá, Guatemala

Tiako ny mihaino ireo tantara sy ny amboaram-peo mihira. Tiako ihany koa ny mihaino ireo fanoharana omen’izy ireo.

Yuri H., 8 taona, Taoyuan, Taiwan