2019
Tia ny ankizy eo anivontsika i Jesoa
Ôktôbra 2019


Tia ny ankizy eo anivontsika i Jesoa

Mandany fotoana maro hieritreretana ny ankizy aho. Tiako ireo ankizy ao anatin’ny vondron’ny fianakaviako sy ny namako. Ankoatra izany, ny asako ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana dia ahitana ny famoronana sy famoahana pejy ho an’ny ankizy manerana izao tontolo izao. Saingy tao anatin’ny taona vitsy lasa izay dia tsapako fa tsy nandalina velively mikasika ny zavatra ampianarin’ireo soratra masina momba ny ankizy aho. Noho izany dia nanapa-kevitra aho ny hamaky ny Testamenta Vaovao sy ny Bokin’i Môrmôna ary hifantoka bebe kokoa amin’ny zavatra azoko ianarana mikasika io vondrona iray manokana io.

Zavatra iray natao izay nanova fiainana izany! Tao anatin’ireo fahamarinana maro hitako, ny tena faran’izay manan-danja dia ny fitomboan’ny fahatakarako ny halehiben’ny fiahian’i Jesoa an’ireo ankizy. Namerimberina hatrany nanompo ny ankizy tamin’ny naha-vondrona iray manokana azy ireo Izy izay tsy nampifangaroiny tamin’ny hafa. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

Ilay lahatsoratra nosoratako ao amin’ny pejy 18 dia mizara lesona vitsivitsy nosintoniko avy amin’ilay fotoana nandalinana soratra masina miaraka amin’ny hevitra sy fanamarihana avy amin’ireo matihanina maro eo amin’ny sehatry ny fisorohana ny fanararaotana.

Sarobidy tokoa ny ankizy. Manantena aho fa afaka miaraka miasa isika mba hiaro sy hanome hery azy ireo, ka hitondra azy ireo tahaka ny hitondran’i Jesoa azy ireo!

Amim-pitiavana,

Marissa Widdison