2019
Manompo ny Tompo amin’ny fiteny Espaniôla
Ôktôbra 2019


Ohatra maneho herim-po

Manompo ny Tompo amin’ny fiteny Espaniôla

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Sary
Serving the Lord in Spanish

Alaivo sary an-tsaina hoe manolotra anao ny boky tsara indrindra tamin’izay rehetra nananany ny namanao. Sokafanao ny fonony … dia hitanao fa tsy afaka mamaky ilay boky ianao. Amin’ny fiteny hafa ilay izy! Inona no hataonao?

Tao anatin’ireo taona voalohandohany taorian’ny nananganana ny Fiangonana dia natonta tamin’ny teny Anglisy fotsiny ihany ny bokin’i Môrmôna. Ny Filoha Brigham Young dia niantso misiônera roa hitory ny filazantsara tany Mexique sy handika ny bokin’i Môrmôna tamin’ny teny Espaniôla. Saingy nila fanampiana bebe kokoa izy ireo mba hanaovana izany. Saingy tsy fantatr’izy ireo fa tany am-pitan-dranomasina tany, Andriamanitra dia efa nanomana lehilahy iray izay afaka nanome azy ireo ilay fanampiana tena nilain’izy ireo.

I Meliton Gonzalez Trejo dia avy amin’ny fianakaviana mpanankarena iray tao Espagne. Nianatra mafy izy tany an-tsekoly ary lasa manamboninahitra tao amin’ny tafika Espaniôla. Liana tamin’ny fivavahana foana izy, saingy tsy nisy tena nety taminy izay hitany. Indray andro dia nahare manamboninahitra iray hafa izy niresaka mikasika ny vondron’olona iray izay niantso ny tenany hoe “Olomasina.” Mpikambana tao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo ary nisy mpaminanin’ Andriamanitra nitarika azy ireo nankany amin’ny Montagnes Rocheuses tao Etazonia. Nahatsapa faniriana mafy ny hihaona tamin’izy ireo i Meliton. Nandeha tamin’ny fandefasana miaramila hamita iraka tany Philippines izy, ary nanantena fa hanampy azy ho tonga tany Etazonia izany taty aoriana. Saingy sahirana loatra tamin’ny asany i Meliton ka nanomboka tsy dia nanan-danja taminy ny handeha hitsidika ny Olomasina.

Dia lasa narary mafy i Meliton avy eo. Tadidiny ny antony nandehanany tany Philippines ka dia nivavaka tamin’ Andriamanitra izy mba hahafantarany izay tokony hataony. Nanofy zavatra miavaka i Meliton tamin’izay alina izay. Fantany fa tokony handeha tany amin’ny Montagnes Rocheuses izy.

Raha vantany vao sitrana tamin’ny aretiny i Meliton dia nanohy ny diany nankany Etazonia izy. Tonga tany Californie izy tamin’ny 4 jolay 1874 ary nitodi-doha nankany Salt Lake City.

Rehefa tonga tao Salt Lake i Meliton dia nanana olana izy: afaka namaky teny Anlisy izy saingy tsy mbola niteny izany mihitsy. Tsy afaka nifandray na tamin’iza na iza izy! Saingy nanapa-kevitra izy fa raha tsy afaka miresaka amin’ny olona izy dia hanao izay hisarihana azy ireo amin’ny fomba hafa izy. Nanaovan’i Meliton ny fanamiana miaramilany Espaniôla dia nandeha teny an-dalambe izy. Araka ny nandrandrainy dia maro ny olona nahatsikaritra azy! Nony farany izy dia hitan’ny mpikambana iray tao amin’ny Fiangonana izay nantsoina hoe Rahalahy Blanchard, izay mpampianatra teny amin’ny oniversite ary niteny Espaniôla. Nanampy an’i Meliton hanorim-ponenana tao Salt Lake City rahalahy Blanchard ary nampianatra azy ny filazantsara. Vetivety taorian’izay dia natao batisa i Meliton.

Nampifankafantatra an’i Meliton tamin’ny Filoha Brigham Young koa Rahalahy Blanchard. Nilaza tamin’ny Filoha Young i Meliton fa iriny mihoatra ny zavatra rehetra ny mba handika ny bokin’i Môrmôna amin’ny teny Espaniôla.

Nangataka an’i Meliton hanampy an’ireo misiônera handeha tany Mexique ny Filoha Young mba handika ny ampahany amin’ny bokin’i Môrmôna amin’ny teny Espaniôla. Nandany herinandro maro i Meliton nandikana an’ireo teny Anglisy amin’ny fiteny Espaniôla. Nanitsy ny fandikan-teniny niaraka tamin’ireo misiônera izy isan-kalina. Niteny Espaniôla kely ihany izy ireo saingy tsapany fa io fandikan-teny manan-danja io dia nilàna olona miteny Espaniôla izay tera-tany. Fantany fa valin’ny vavaka nataon’izy ireo i Meliton. Tamin’ny 1875 dia navoaka ilay dikanteny. Nantsoina hoe Trozos Selectos del Libro de Mormon ilay izy (Andalana notsongaina avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna).

Vonona ny handeha tany Mexique amin’izay ireo misiônera. Namatratra teo an-damosin’ny soavaly ny tahadika miisa 1500 tamin’ilay soratra masina nadika izy ireo dia nanainga. Izay no fotoana voalohany nahafahan’ireo mpiteny Espaniôla namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteniny! Na dia nipetraka tany amin’ny kilaometatra maromaro tany Espagne aza i Meliton dia nitarika azy tany amin’ny toerana tokony hisy azy ny Ray any An-danitra. Noho ny herim-po sy ny finoan’i Meliton dia nanampy tamin’ny fitondrana ny tenin’ Andriamanitra tany amin’ny olona tsy tambo isaina izy.