2019
Nitsidika an’i Chili ny Loholona Stevenson
Ôktôbra 2019


Apôstôly manerana izao tontolo izao

Nitsidika an’i Chili ny Loholona Stevenson

Mandeha mitety an’izao tontolo izao ny apôstôly mba hanompo ny olona sy hampianatra azy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
Elder Stevenson Visits Chile

Ny Loholona Gary E. Stevenson sy Rahavavy Lesa Stevenson dia niara-nandeha tamin’ny Filoha Russell M.Nelson sy Rahavavy Wendy Nelson nankany Chili mba hamonjy hetsika iray tena manan-danja. Nisy tempoly vaovao iray handeha hatokana tao amin’ny tanànan’i Concepción!

Io tempoly vaovao tsara tarehy io no tempoly faharoa haorina ao Chili ary tempoly faha-18 ao Amerika Atsimo.

Betsaka ny horohoron-tany mitranga ao Chili. Ny tempolin’i Concepción Chili dia manana fototra namboarina manokana mba hiarovana izany tsy ho simba raha misy horohoron-tany mamely.

Nanampy tamin’ny fametrahana ny vato farany teo ivelan’ny tempoly i Laura sy Alicia O. Io no antsoina hoe vato fehizoron’ny tempoly. Taorian’izay dia vonona ny hatokana amin’izay ilay tempoly.

Nisy ankizy tonga niaraka tamin’ireo ray aman-dreniny mba hihaino ny Filoha Nelson hanao vavaka manokana mba hanokanana ilay tempoly.

Ankehitriny ireo mpikambana mendrika ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia afaka ny hiditra ao anatin’izany mba hofehezina amin’ny fianakaviany sy hanompo amin’ny alalan’ny fanaovana batisa ao amin’ny tempoly!

Izao no nolazain’ny Loholona Stevenson momba ilay fanokanana: