2019
Ny fanambin’ny tempoly
Ôktôbra 2019


Ny fanambin’ny tempoly

“Hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2).

Sary
The Temple Challenge

Indray Alahady dia nanatrika fivoriam-piangonana iray izaho sy ireo mpanolotsaiko. Nanao lahateny mikasika ny tempoly sy ireo zavatra manokana miseho any izahay. Taorian’ilay fivoriana dia nisy zatovolahy 12 taona iray nantsoina hoe Colby nanatona ahy ary nandray ny tanako. Niresaka mikasika ny tempoly izahay. Dia nampanaoviko fanamby mba hitady anaran’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana izy mba hoentina any amin’ny tempoly.

Fotoana fohy taorian’izany dia naharay taratasy avy amin’i Colby aho. Izao no nolazain’i Colby ahy:

“Nandeha nody aho ary nahita anarana vaovao. Tena nahita ny rain’ny rain’ny rain’ny raibeko aho!

“Fotoana fohy taorin’izay dia nandeha tany amin’ny tempoly aho ary natao batisa ho azy. Tena niavaka izany satria ny rahalahiko no nanao batisa ahy ary ny raiko no nandray ahy ho mpikambana mba ho azy.

“Nahatsapa hafanana izay nitondra fiadanana aho tao anatiko. Nahatsapa aho fa ny zavatra nataoko ho an’ny rain’ny rain’ny rain’ny raibeko dia tena tsara satria afaka mankany amin’ny fanjakana selestialy izy izao mba hiaraka hiaina amin’ny fianakaviany. Tena nahatsapa fiadanana tao anaty aho nandritra ny ambiny manontolon’ilay andro.

“Hitako koa fa tsy nisy nahafantatra hoe iza ireo ray aman-drenin’ny rain’ny rain’ny rain’ny raibeko, noho izany dia afaka mitady ny anaran’izy ireo aho ary mitondra izany any amin’ny tempoly koa!”

Tena ohatra miavaka i Colby! Na firy taona ianao na firy taona ianao, dia afaka ny ho ohatra ho an’ny fianakavianao sy ireo namanao. Afaka mizara ny filazantsara amin’ny olona rehetra fantatrao ianao, eny fa na amin’ireo razambenao aza!