2019
Ny fampiarahana sy ny pôrnôgrafia
Ôktôbra 2019


Ho an’ny Tanora

Ny fampiarahana sy ny pôrnôgrafia

Fanampiana sy fanantenana eo amin’ny fiatrehana ny pornôgrafia ao anatin’ny fampiarahan’olon-droa.

Sary
young man speaking to a young woman

Sary sy sary famantarana avy amin’ny Getty Images izay nampiasaina mba hanehoan-javatra, ary olona nindramina no nalaina sary

Amin’ny maha-tanora dia fantatsika rehetra fa mety sady hahafinaritra, no hampatahotra, no hitondra fahafaham-po no hampikorontan-tsaina ny mampiaraka. Rehefa manomboka mifamboraka zavatra isika dia mazava ho azy fa maniry ho azy ny hifankafantatra bebe kokoa, ary ny fampitomboana ny fanehoana ny ao anaty rehetra dia manan-danja amin’ny fanorenana sy ny fanamafisana ny fifandraisana. Inona ny nofinofintsika, ny zavatra mampatahotra antsika sy inoantsika? Inona no zavatra tsapantsika momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana? Inona avy ireo olantsika taloha na amin’izao fotoana izao izay tokony hifampizarantsika?

Na dia mety mampatahotra aza ny firesahana (na fanontaniana) mikasika ireo olana mahakasika ny pôrnôgrafia, ny tsy firesahana momba izany dia mety hiteraka olana goavana any aoriana. Ny olan’ny olona tsirairay amin’ny pôrnôgrafia dia tsy mitovy ary sarotra, ary mety tsy ho fantatry ny olona iray akory aza raha toa izany ka olana na tsy fantany akory ny fomba hiresahana izany amin’ilay olona iarahany, ka noho izany dia zava-dehibe ny hikatsahany fitarihana avy amin’ny Fanahy. Tsy misy vahaolana tokana ho an’ny toe-javatra miseho rehetra, fa ato amin’ity lahatsoratra ity izahay dia manolotra sosokevitra ho an’ireo izay mety manontany hoe:

  • Ahoana no fomba hiresahako ny lohahevitra mikasika ny pôrnôgrafia amin’ilay olona iarahako? Ary inona no fotoana tsara hametrahana fanontaniana na hitantarana?

  • Ahoana no hahafantarako raha tokony handroso hatrany aho ao anatin’ny fiarahako amin’ny olona iray izay efa tafaroboka tao anatin’ny fijerena pôrnôgrafia?

  • Ahoana no ahafahanay miara-miasa mba handresy ny pôrnôgrafia?

Ho an’ireo izay efa nanana olana na manana olana

Raha efa nanana olana tamin’ny pôrnôgrafia ianao taloha na manana olana amin’izany amin’izao fotoana izao, ny fieritreretana hoe hampiaraka dia mety hitondra fahatsapana hakiviana na tebiteby. Saingy raha toa ka manana faniriana amin-kitsim-po mba hanaisotra ny pôrnôgrafia eo amin’ny fiainanao ianao (na efa nanaisotra izany ianao), dia fantaro fa miaraka amin’ny ezaka ataonao manokana sy ny fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka miaina fiarahana amin’olona izay madio sy maharitra ianao. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa miaraka amin’olona ianao.

1. Tena mila miresaka izany tokoa ve isika?

Ny fanontaniana be mpametraka dia hoe: “Moa ve aho tena mila miresaka mikasika ny tantarako momba ny fijereko pôrnôgrafia amin’ny olona izay iarahako na dia efa nibebaka ny amin’izany aza aho?” Na “Moa ve aho mila miresaka amin’ny olona izay iarahako mikasika ny olana ananako momba ny pôrnôgrafia amin’izao fotoana izao?” Amin’ny ankapobeny dia tena ilaina resahina izany—amin’ny fotoana mety amin’izany sy amim-pitandremana tsara. Rehefa manao io fifampiresahana io ianareo dia tadidio ireto fitsipika manan-danja vitsivitsy ireto:

  • Ny fotoana hanaovana azy: Ilay fifampiresahana dia tokony hatao rehefa mihamatotra kokoa ilay fiarahana ary mazava ho azy fa efa takina ao anatin’izany ilay izy.

  • Ny fahamarinan-toetra: Tokony hifototra amin’ny fifampitokiana sy ny fahamarinan-toetra ny fiarahana. Na mety hisafidy ny hamarana ilay fiarahana aza ny olona iarahanao dia mila takatr’izy ireo hoe toy ny ahoana ilay olana, sy ny fivoaranao eo am-panoheranao izany, ary ny drafitra novolavolainao mba hiadiana amin’izany raha miverina indray ilay izy any aoriana any.

  • Ny famelan-keloka: Ny filazanao amin-kitsimpo ny fijerenao pôrnôgrafia amin’ny olona iarahanao dia tsy midika hoe mila milaza amin’ny antsipiriany ny zava-nitranga tao anatin’izany ianao rehefa miresaka ilay izy. Raha efa nibebaka ianao ary mahatsapa ho efa voavela heloka, dia tsy tokony hahatsapa ho meloka ny amin’izany intsony. Ny Tompo dia tsy mahatsiaro ny fahotantsika raha efa nibebahantsika izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42), ka noho izany ilay fifampiresahanao amin’ny olona iarahanao dia tsy dia hoe “fibabohana” loatra fa mahakasika ny fanorenana fifampitokiana bebe kokoa kosa, hizarana ny drafitrao mba hisian’ny fitohizan’ny fahasitranana sy ny fahazoanao ny fanohanan’izy ireo.

  • Ny fahasitranana: Na dia efa nibebaka aza ianao, ny fijerena ao anatin’ny fotoana maharitra na ny fijerena betsaka ny pôrnôgrafia dia afaka ny hanana fiantraikany maharitra eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-piarahamonina. Mety ho asa mafy ny dingan’ny fahasitranana ary mety haharitra ela, kanefa mety tena hisy tokoa ny fahasitranana feno sy ny fahasitranana marina. Ao anatin’izany dingana izany dia hila fanampiana sy fanohanana mifanaraka tsara amin’izany ianao, ary tokony ho tafiditra ao anatin’izany ilay mety ho lasa vadinao.

2. Vonona hiroso amin’ny fiarahana matotra ve aho?

Anisan’ireo fahasamihafana tena lehibe indrindra eo amin’ny olona izay vonona ny hiroso amin’ny fiarahana matotra sy ny olona izay tsy vonona amin’izany ny fahavononan’izy ireo ho marin-toetra tanteraka amin’ny olona izay iarahany. Raha manana olana amin’ny pôrnôgrafia ianao dia misafidy, na hamela ny tahotrao hampisy tsy fifampitokiana ao anatin’ny fiarahanao amin’ny olona iray, na hampiasa finoana mba hiarahana miatrika ireo fanamby.

Na dia tsy hahazoana aina sy mampatahotra aza ny mizara ny tantaranao tamin’ny fijerena pôrnôgrafia dia tsy hanao afa-tsy ny hampitombo ny fahatsapanao tahotra sy henatra ny tsy fizarana izany. Ny fahatahoranao sao hisarahan’izany olona izany dia vao mainka mety hahatonga anao handà na tsy hiezaka hitantara ilay izy manontolo, ka mety hanimba ny fifampitokiana ary hanimba ny fiarahanareo any aoriana any.

Mifanohitra amin’izay, rehefa manaja ny fahafahana misafidy an’ilay olona iarahanao ianao dia hanaja ny safidin’izy ireo mba hijanona ao anatin’ilay fiarahana ao anatin’ny fahalalana ny zavatra tsara sy ny zavatra ratsy. Mety mbola hatahotra ny vokatr’izany ihany anefa ianao, saingy zava-dehibe ny miaiky fa eo anatrehan’ireo fampahalalana rehetra, dia afaka ny hanampy anao ihany koa ilay olona amin’ny ezaka ataonao sy ny fanirianao hanaisotra ny pôrnôgrafia eo amin’ny fiainanao. Saingy na mety ilay fiarahana na tsia, dia afaka manohy mandeha amin’ny lalan’ny fahasitranana ianao miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra.

Ireo izay miaraka amin’olona efa nanana olana

Satria ny sokajin-taona amin’ny ankapobeny ahitana voalohany pôrnôgrafia dia eo amin’ny manodidina ny 11 taona eo ary tena mora ny mahita izany, dia ny ankamaroan’ny tanora no efa nahita pôrnôgrafia tamin’ny fomba samihafa eo amin’ny faha-18 taona eo. Mampiahiahy izany raha mahakasika ny fampiarahana. Saingy ny mahita dia tsy mitovy amin’ny hoe miankin-doha, ary misy ambaratonga samihafa ny fandraisana anjara amin’ny fijerena pôrnôgrafia (jereo ny Dallin H. Oaks, “Afaka amin’ny fandriky ny pôrnôgrafia,” Liahona, ôkt. 2015, 50–55). Ny vaovao mahafaly anefa dia afaka manome hery sy fahasitranana ho an’ny rehetra izay mikatsaka izany ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy azo eritreretina rehefa miha-mivoatra ny fiarahanareo.

1. Rahoviana aho no tokony hanontany mikasika ny pôrnôgrafia ary ahoana no fomba tokony hanaovako izany?

Ny fanapahana hevitra ny amin’ny fotoana sy ny fomba hiresahana izany amin’ilay olona iarahanao dia mety tokony horesahina amin’ny ray aman-dreninao na ireo zokinao na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na izay olona atokisanao fa afaka manome torohevitra tsara. Mitadiava fomba izay tsapanao fa mety ary avy eo dia ataovy amin’ny fotoana mahamety azy izany fifampiresahana izany, rehefa tsy mieritreritra olon-kafa intsony ianareo na lasa mihamatotra kokoa amin’ny fampiarahanareo.

Izany akory tsy midika hoe mila manomboka ny fampiarahana voalohany rehetra amin’ny fametrahana fanontaniana momba ny lasan’izy ireo ianao, fa rehefa mivoatra ny fiarahanareo dia afaka mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy ianao mba hanampy anao hahafantatra ny fomba hametrahana fanontaniana mikasika ny tantaran’izy ireo mahakasika ny pôrnôgrafia sy ny fotoana hametrahana izany.

Sary
hands holding two torn pieces of a photograph

2. Ahoana no fomba tokony hamaliako?

Rehefa manomboka mizara ireo zavatra tena tsapa ianao sy ilay olona iarahanao dia afaka mitondra fahasitranana izany. Zava-dehibe ny mahafantatra ny eritreritrao sy ny fahatsapanao manokana rehefa nisy ny famborahana ny fampiasana ny pôrnôgrafia. Mety hahatonga anao ho lasa mpitsikera, na tezitra, na tsy hahahetsika, na hahatsapa ho voafitaka izany. Saingy miaraka amin’izay, ny famborahan’izy ireo izany koa dia afaka mampitombo ny fahatokiana, ny fangorahana sy ny fitiavana ary ny fifandraisam-po eo aminareo. Diniho ny zavatra tsapan’izy ireo sy tsapanao rehefa mamaly ianao.

3. Ahoana no fomba handrosoako?

Ny fahafantarana fa manana olana amin’ny pôrnôgrafia ilay olona iarahanao dia tokony ho zavatra mampanahy anao, saingy aza mivadi-pitokiana amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fizarana ny olany manokana amin’ny olona hafa. Ny firesahana manokana amin’ny eveka na mpitsabo iray, na ny firesahana amin’ny namana iray na mpitarika iray azo itokiana, raha nahazo lalana avy amin’ilay olona iarahanao dia tena hanampy ihany koa.

Rehefa manapa-kevitra raha toa ka hanohy na tsia ilay fiarahana ianao dia tokony hikatsaka mandrakariva fitarihana avy amin’ny Fanahy. Fa mety hanampy ihany koa ireto sosokevitra manaraka ireto:

  • Anontanio azy ireo hoe hatraiza ny fiantraikan’ny pôrnôgrafia teo amin’ny fiainan’izy ireo ary aiza ho aiza izy ireo eo amin’ny dingan’ny fahasitranana. Tokony hoe efa nampiseho ny faniriany hamongotra ny pôrnôgrafia eo amin’ny fiainany izy ireo amin’ny alalan’ny fanatanterahana izay dingana ilainy atao.

  • Aoka ho fantatrao fa ny endrika sasantsasan’ny fampiasana pôrnôgrafia (ohatra, ny pôrnôgrafian’ny ankizy) dia mari-pamantarana lehibe iray fa mila fanampiana avy amin’ny matihanina ilay olona ary mety tandindomin-doza.

  • Fantaro fa tena misy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Afaka mamela heloka ianao ary afaka ny ho sitrana izy ireo.

  • Manapaha hevitra fa tsy hanaiky zavatra izay latsaka ambanin’ny fahitsim-po aman-tsaina tanteraka ianareo ao anatin’ny fiarahanareo sy ny fahamendrehana hanambady any amin’ny tempoly.

  • Manana fahatakarana fa mila fotoana ny fahasitranana. Mety hisy ny fiverenana amin’izany indray, ary ireo izay miezaka ny ho sitrana dia hila fanampiana. Tafiditra ao anatin’izany ny fahalalana ny fihetsehen’izany (ireo zavatra izay mety mahatonga azy ireo hitodika any amin’ny pôrnôgrafia) ary ny fanohanana na fanampiana eo amin’ny fametrahana fomba fiarovana araka ny tokony ho izy.

  • Raha mivoatra mankany amin’ny fanambadiana ny fiarahanareo dia makà antoka fa ianareo roa dia mitovy hevitra fa tsy azo ekena ny pôrnôgrafia ary tsy maneho ilay firaisana ara-nofo madio ao anatin’ny fanambadiana izany.

Ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny fandrosoana dia miankina amin’izay mety hobitsihin’ny Fanahy Masina mba hataonao, izay mety ho zavatra miainga amin’ny hoe manohy ilay fiarahana miaraka amin’ny fahatakarana fa tsy maintsy hatsahatra ilay fijerena pôrnôgrafia, ary mety hiafara amin’ny fampitsaharana ilay fiarahana fa manohy manohana kosa ny ezaka ataon’izy ireo mba hiova. Na inona na inona fanapahan-kevitrao dia tokony hahatakatra ilay olona miaraka aminao fa mety hiova ny toe-javatra, izay miankina amin’ny fivoaran’izy ireo na ny tsy fisian’ny fivoarany eo amin’ny fandresena ny pôrnôgrafia.

Miara-miasa mba handresy ny pôrnôgrafia

Mety hila fotoana maharitra sy asa mafy ny fandresena ny pôrnôgrafia, saingy azo tanterahina izany. Ary amin’ny farany, ny fiarahana mandresy izany dia afaka manamafy orina ny fiarahanareo rehefa samy mahazo fahatakarana lalina ny amin’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy ianareo roa ary mianatra mifanohana ao anatin’ny zava-tsarotra. Diniho ireto manaraka ireto rehefa miara-miasa mba handresy izany ianareo:

  • Ilay pejy ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana overcomingpornography.ChurchofJesusChrist.org dia manolotra loharano maro (anisan’izany ny fampahalalana ao amin’ny fandaharan’asa fanasitranana amin’ny fiankinan-doha ataon’ny Fiangonana) izay afaka manampy anareo roa hamakivaky io dingan’ny fahasitranana io.

  • Hevero ny hananana toerana sy fotoana manokana hiresahana momba ny pôrnôgrafia mba tsy hahatonga izany ho zavatra hifantohana ao anatin’ny fiarahanareo. Rehefa miresaka momba izany ianareo dia aza manakina be loatra na manivaiva. Ny fiarahanareo dia tokony ho toerana azo antoka hahafahanareo roa mahatsapa ho tiana sy mahazo fanohanana, fa tsy mahatsapa ho voahadihady sy ambanimbaniana.

  • Ireo zavatra atao ara-panahy dia afaka manolotra fiarovana amin’ny fakam-panahy. Mifankahereza mba hihazonana sy hanamafisana orina ireo fahazarana ara-panahy atao tsy tapaka—anisan’izany ny fandalinana ny soratra masina manan-danja sy ny fitsaohana any amin’ny Tempoly (rehefa afaka manao izany), ny fanajana ny andro Sabata, ny fifanompoana, ny fifadian-kanina tsy tapaka, ary ny vavaka atao amin-kitsimpo—miaraka amin’ny faniriana bebe kokoa hanamafy orina ny fifandraisanareo amin’ny Mpamonjy sy ny Ray any An-danitra. Izany fifandraisana izany dia afaka manampy amin’ny fampihenana ny fanjakazakan’ny pôrnôgrafia eo amin’ny fiainanareo. Zavatra katsahina mandritra ny fiainana ny maha-mpianatra, ary ny hery azontsika amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika dia hanampy antsika handresy ny olantsika rehetra eo amin’ny fiainantsika, fa tsy ny pôrnôgrafia fotsiny ihany.

  • Raha tsy mahomby ny ezaka ataonao, dia aza matahotra na menatra ny hitady fanampiana avy amin’ny matihanina nanao fiofanana manokana momba ny fahasalamana ara-tsaina eo amin’ny sehatry ny fiankinan-doha amin’ny zavatra mahakasika ny firaisana ara-nofo. Mety ho afaka ny hanampy anao izy ireo mba hahazo hevitra bebe kokoa eo amin’ny fiadiana amin’ny pôrnôgrafia sy eo amin’ny famahana ireo antony mahatonga azy.

  • Tadidio fa isika dia voahodidin’ny haino aman-jery ratsy izay maka fanahy antsika mba hanota. Raha toa ka miverina amin’ny fanaony taloha ilay olona miaraka aminao, ny hafainganan’ny fiverenan’izy ireo eo amin’ny lalana tokony ho izy dia mari-pamantarana tsara ny fanolorantenany mba hamongotra ny pôrnôgrafia eo amin’ny fiainan’izy ireo. Saingy rehefa manomboka mahatsapa ianao fa toa ianao indray no marisika bebe kokoa noho izy ireo amin’ny hisian’ny fiovana, dia tokony handinika ianao fa tokony hamarana ny fiarahanareo.

  • Mety hahery vaika ny hery mitarika entinao eo amin’ilay olona iarahanao saingy tsy tokony ho izany no antony voalohan’ny fiovana eo amin’ny fitondrantenan’izy ireo. Ny fanirian’izy ireo hiova dia tokony ho avy ao anaty fa tsy avy aminao.

Ankoatra izany dia mikatsaha fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra ary tsarovy fa misy foana ny fanantenana amin’ny alalan’ny Mpamonjy. Ampy ny fahasoavany mba hanasitranana sy hanovana antsika. Eo ny Sorompanavotany ho anareo roa mba hanome hery anareo sy hanampy anareo sy hanampy anareo hamela heloka. Na izany aza, dia mila mikatsaka amim-pahavitrihana ny fanampian’ny Mpamonjy ny olona iray manana olana amin’ny pôrnôgrafia mba handresena izany. Tsy misy olon-kafa afaka manao izany eo amin’ny toeran’izy ireo. Manàna finoana ary matokia ny Ray any An-danitra. Hitarika anao izy ao anatin’ilay toe-javatra iainanao manokana.