2019
Zatovo
Ôktôbra 2019


Zatovo

Sary
Carol with her brother

Sary nalain’i Leslie Nilsson

Lafo vidy ny finday ao Chili, saingy nametraka tanjona aho tamin’ny 2016 ny hikarama mba hitady vola ampy hividianana iray. Nandritra ny herintaona maninjitra dia nividy vatomamy sy alfajores* ambongadiny aho ary nivarotra izany tamin’ireo namako tany an-tsekoly. Nangoniko avokoa izay vola rehetra azoko. Tsy nandeha nisakafo antoandro aho, ary tsy nandeha nijery horonan-tsary.

Tsy te hangataka an’ireo ray aman-dreniko mba hividy telefaonina ho ahy aho. Tiako ny mba ho afaka hiteny hoe avy amin’ny herim-poko no nahazoako izany. Namporisika ahy ny raiko. “Tohizo ry Carol a!”, hoy izy tamin’izany.

Nianatra zavatra maro aho. Tsy misy zavatra azo maimaim-poana izany. Mila ezaka ny tanjona apetraka, saingy tsy tokony hilavo lefona mihitsy isika. Rehefa mahazo zavatra isika ary mahatsapa ny halehiben’ny asa nilaina natao mba hahazoana izany, dia manan-danja misimisy kokoa amintsika izany.

Nianatra aho fa tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’ny zavatra tiako hotontosaina aho sy ny toerana tiako haleha. Raha te hanambady any amin’ny tempoly aho dia mila mandeha mivavaka sy mianatra seminera ary aty aoriana dia mamonjy institiota sy ireo fiaraha-mientan’ny tanora tokan-tena. Ary mila mampiaraka amin’ireo zatovolahy mendrika aho. Ny fanatratrarana tanjona dia mitaky fahafoizan-tena amin’izao fotoana izao mba hahazoana zavatra tsaratsara kokoa any aoriana.

Carol, 15 taona, Chili

  • Biscuit nentim-paharazana avy ao Amerika Atsimo