2019
Nitolona aho mba handresena ny pôrnôgrafia. Nahoana izy no tsy hahavita izany?
Ôktôbra 2019


Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Nitolona aho mba handresena ny pôrnôgrafia. Nahoana izy no tsy hahavita izany?

Rehefa hitako fa nanana olana tamin’ny pôrnôgrafia ilay olon-tiako dia niezaka nanao izay vitako aho mba hanampiana azy hitodika any amin’ny Mpamonjy mba hangataka fanampiana.

Monina any Guatemala ny mpanoratra.

Niaraka tamin’ny tovolahy iray aho izay tena naharaiki-pitia be ahy efa ho herintaona teo. Tena nieritreritra aho fa hanambady azy! Saingy tsy nieritreritra mihitsy aho hoe ny fiarahako taminy dia hahatonga ahy hiatrika olana iray izay efa nanahirana mafy ahy ny nandresy azy tamin’ny heriko rehetra.

Rehefa niomana ny handeha hitory aho dia nila nandeha tany amin’ny evekako ka nibaboka fa nanana olana tamin’ny pôrnôgrafia aho tany aloha. Rehefa nibebaka aho ary nanaisotra io enta-mavesatra io tamin’ny fanahiko dia tsy nieritreritra mihitsy hoe mbola hiditra amin’ny fiainako indray ny resaka pôrnôgrafia. Saingy diso aho.

Rehefa hitako fa latsaka tao anatin’ny pôrnôgrafia ity lehilahy izay hovadiako ity dia vonona tsara aho ny hanampy sy hanohana azy mba handresy izany. Efa nandalo ny dingan’ny fibebahana sy ny ezaka handresena ny pôrnôgrafia aho, ary fantatro ny zavatra azon’ny Tompo atao ho azy. Saingy toa isaky ny niezaka nitarika azy ho amin’ny fanampiana izay ilainy aho mba handresena ilay olany dia tsy mety foana. Toa tsy nitady fanampiana ny fahitana azy. Rehefa nandeha ny fotoana dia tsikaritro fa tsy nitovy ny hevitray momba ny pôrnôgrafia. Marina fa samy mpikamban’ny Fiangonana izahay roa, saingy toa tsy nitovy ny fandraisanay ireo fampianaran’ny filazantsara.

Sorena aho. Tiako izy ary nino aho fa raha ampiana izy dia afaka handresy io olana io. Nahatsapa ho marefo ihany koa aho satria efa niatrika io olana io izay nanaovana ezaka mafy ny nandresy azy tany aloha. Tapa-kevitra aho indray alina ny hivavaka sy hangataka fahendrena avy amin’ny Ray any An-danitra momba ny fomba handrosoana satria nila ny hery hanoherana ny fakam-panahy aho, ary te hahafantatra ihany koa aho ny fomba hanampiana ilay olona izay nokasaiko hizarana ny fiainako.

Rehefa tonga ny valiny nony farany dia nahatsapa fiadanana aho ary fantatro fa nila niresaka tamin’ilay lehilahy niaraka tamiko aho sady nanana tanjona tao an-tsaiko. Tiako ho fantany ny zavatra nandrasako amin’ny fiarahana amin’olona, dia ny hanambady any amin’ny tempoly ary hanan-janaka. Tiako ho fantatra raha toa ka nifanitsy ny tanjonay ary raha toa ka nandroso nankany amin’ny Mpamonjy izy. Tiako ho fantatra raha toa ka tokony mbola hiaraka izahay. Nanana fanantenana lehibe aho ny amin’izany ary nino fa rehefa avy niresaka izahay dia handeha tsara ny zava-drehetra.

Tolakandro nibaliaka masoandro tamin’izay raha nizara taminy ny nofinofiko sy ny tanjoko momba ny fianakaviako amin’ny hoavy sy ny fitaizana ireo zanako ao anatin’ny filazantsara aho. Akory ny fahagagako fa rehefa avy nihaino ahy izy dia tezitra tamiko. Hitako fa samy nanana ny fahitany ny hoavy izahay. Ketraka aho saingy nahavariana fa nahatsapa ho maivana aho, ary fantatro fa ny valinteniko dia ny fisarahana. Tsy teo amina toerana iray izay nananany faniriana ny hanandrana handresy ny olany tamin’ny pôrnôgrafia izy na koa hitodika tany amin’ny Mpamonjy mba hahazoana fanampiana, ary tsy afaka nanampy azy aho raha tsy naniry izany fanampiana izany izy.

Nanontany tena ihany aho hoe nahoana na dia efa nanao izay nety sy nanao izay rehetra tokony ho nataoko mba hanampiana azy aza aho dia mbola nalahelo mafy ihany ny foko. Saingy nofafako nony farany ny ranomasoko farany taminy ary nifantoka tamin’ilay fiadanana tsapako tamin’ny fisarahako taminy aho. Fantatro fa avy tamin’ Andriamanitra io valiny io.

Taona vitsivitsy izay no lasa hatry ny nisarahako tamin’io lehilahy io. Dia mbola hitako amin’ny maha-olona tsara azy hatrizay izy. Saingy fantatro fa mila manatona ny Mpamonjy izy mba hahazo fanampiana, tsy azoko terena hanao izany anefa izy. Manana ny fahafahany misafidy izy ary izaho koa dia manana ny ahy. Nanomboka tamin’izay zavatra niainako izay dia niezaka nanaraka ny feon’ny Fanahy Masina tsy am-pihambahambana aho. Fantatro fa manana drafitra ho antsika rehetra ny Ray any An-danitra ary afaka matoky isika fa rehefa mandray fanapahan-kevitra izay mifototra amin’ny bitsiky ny fanahy isika, dia tsy hamela antsika velively ho voatarika any amin’ny lalan-diso Izy. Manomana antsika amin’ny zavatra tsara ho avy foana izy.