2019
Ny Vato Fehizoro Indrindra ho an’ny finoantsika
Ôktôbra 2019


Ny teny farany

Ny Vato Fehizoro Indrindra ho an’ny finoantsika

Nalaina avy tamin’ny lahateny natao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 1984.

Ao amin’ny tempoly vaovao tsirairay dia manao lanonana fametrahana vato fehizoro mitovy amin’ny fomba nentim-paharazana iray tamin’ny andro fahiny isika. Mialoha ny fampiasana ny laron-tsimenitra sy vatokely amin’ny ankapobeny dia namboarina tamin’ny vato lehibe ireo rindrina fototr’ilay trano. Nisy lavaka natao ary nisy vato napetraka mba ho fototra. Niainga avy teo amin’ny toerana iray nanombohana, dia naorina nanaraka lalana iray nankeny amin’ny vatofehizoro iray ny fototra. Avy eo dia navily lalana ilay vatofehizoro dia naorina nizotra nankeny amin’ny zoro manaraka ilay rindrina, izay nametrahana vato iray hafa, ary avy teo no nanorenana ilay rindrina nandeha nizotra nankeny amin’ny zoro manaraka, ary avy teo no niverina teny amin’ny toerana niaingana. … Ilay vato farany no nolazaina fa vato fehizoro indrindra, ary ny fametrahana izany dia lasa antony nanaovana fankalazana be. Rehefa tafapetraka io vato fehizoro io dia vonona ny hirafetan’ny vatan’ny trano ilay fototra. Izay no nahatonga ilay fanoharana nampiasain’i Paoly rehefa namariparitra ny Fiangonana izy:

“Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra;

“Natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;

“Ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo” (Efesiana 2:19–21).

Isika dia manana vato fehizoro fototra izay nanorenan’ny Tompo ity Fiangonan’ny andro farany lehibe ity ary naorina mba “[h]irafetan’ny rafitra rehetra.” Zavatra tena ilaina amin’ity asa ity ireo vato fehizoro ireo, ny fototra mihitsy, izay andry fototra ijoroan’izany. … [Saingy] ny fehizoro indrindra no nolazaiko, izay fantatsika sy hajaintsika amin’ny hoe Jesoa Kristy Tompo. …

Izy no fehizoro indrindran’ny Fiangonana izay mitondra ny anarany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tsy misy anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay hahazoana mamonjy antsika (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:12). Izy no loharanon’ny famonjena antsika, ilay mpanome ny fiainana mandrakizay (jereo ny Hebreo 5:9). Tsy misy mitovy Aminy. Tsy mbola nisy. Ary tsy hisy mihitsy. Isaorana anie Andriamanitra noho ny nanomezany ny Zanany malalany, izay nanolotra ny ainy mba hahafahantsika ho velona ary izay vato fehizoro indrindra tsy mihozongozona ho an’ny finoantsika sy ny Fiangonany.