2019
Tsy lavitra Izy rehefa mivavaka
Ôktôbra 2019


Tsy lavitra Izy rehefa mivavaka

Natahotra ny hiverina hatory i Prodi. Ahoana raha hanofy ratsy indray izy?

“Eny, mivavaha, fa mihaino anao Izy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6).

Sary
Just a Prayer Away

Tafapetraka haingana teo am-pandriany i Prodi. Nidobodoboka mafy ny fony.

Nitaitaika tao an-tafon-trano ny orana rehefa nipetraka tao anatin’ny haizina izy. Naheno rano nikoriana avy teo amin’ilay aviavy Afrikana tany ivelan’ny varavarankeliny izy ary nanempotra sy nafana ny rivotra. Niaina mafy indray mandeha i Prodi ary niezaka ny ho tony. Nofy fotsiny iny.

Niala teo am-pandriana izy ary niditra tao amin’ny efitranon’ny ray aman-dreniny. Natory tamim-pilaminana i Dada sy i Neny. Nivonkina tao am-pandriany koa i Célia zandriny vavy. Nilamina ny zava-drehetra. Tsy nisy natahorana mikasika ny fianakaviany.

Niverina tao am-pandriany i Prodi ary niezaka ny natory indray. Nikofoka dia nivadika izy, dia nikofokofoka sy nivadibadika teo. Fantany fa tsy tena izy ilay nofiny saingy nampatahotra tokoa izany! Na dia reraka azy izy dia natahotra ny hiverina hatory. Ahoana raha hanofy ratsy indray izy?

Nitsilany i Prodi ary nijery ny valindrihana. Niezaka nieritreritra zavatra mahafinaritra izy. “Ray any An-danitra ô! Moa ve ao Ianao, ka mety handre ireo ankizy ‘zay mitalaho?” Nisy fahatsapana hafanana nanenika an’i Prodi rehefa nieritreritra ireo teny tao anatin’ilay hiran’ny Kilonga tena tiany izy. Nampianatra azy ireo rahavavy Kioska fa miambina azy ireo foana ny Ray any An-danitra. Afaka mivavaka Aminy foana izy ireo ary na aiza na aiza.

Fantatr’i Prodi ny zavatra tokony hatao. Niala teo am-pandriany izy ary nivavaka.

“Ry Ray any An-danitra malala!” hoy izy, “Tena matahotra aho. Mba arovy ny fianakaviako. Ary mba ampio aho hatory sy tsy hanofy ratsy intsony.”

Nofaranan’i Prodi ny vavaka nataony dia niverina tao am-pandriana izy. Nihanalefaka ny vatany ary nitony ny sainy. Vetivety izy dia resin-tory.

Rehefa tonga ny maraina dia nifoha i Prodi niaraka tamin’ilay masoandro mafana namirapiratra avy eo amin’ny varavarankely. Naheno ireo vilany nanenoneno tao an-dakozia izy ary nitsangana nankany amin’i Neny. Teo amin’ny latabatra nihinana ambina mangahazo i Célia. I Neny teo am-panafanana mangahazo mba hohaniny koa.

Bonjour,” hoy i Neny. “Natory tsara ve ianao?”

“Nanofy zavatra tena nampatahotra aho,” hoy i Prodi. “Fa nivavaka aho avy eo. Nampian’ny Ray any An-danitra aho mba hilamin-tsaina.”

“Mampalahelo izany fa nanofy ratsy ianao!” hoy i Neny. Nofihininy mafy sy maharitra i Prodi. “Saingy faly aho fa nivavaka ianao. Tena nampian’ny Ray any An-danitra ianao izany.”

“Nampiany aho,” hoy i Prodi. “Afaka niverina natory aho ary tsy nanofy ratsy intsony.” Nofihinin’i Prodi mafy i Neny. Faly izy noho ny fahafantarany fa na matahotra toy ny inona aza izy dia tsy lavitra ny Ray any An-danitra rehefa mivavaka izy.