2019
Nandroso hatrany taorian’ny nahafantarako hoe tafalatsaka tao anatin’ny pôrnôgrafia ny fofombadiko
Ôktôbra 2019


Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Nandroso hatrany taorian’ny nahafantarako hoe tafalatsaka tao anatin’ny pôrnôgrafia ny fofombadiko

Niaiky ihany ilay fofombadiko nony farany fa nanana olana tamin’ny pôrnôgrafia. Tokony mbola hanambady azy ve aho?

Monina any Polynésie française ny mpanoratra.

Nihaona tamin’ilay ho vadiko aho fony izahay samy mpanolotsaina tamin’ny RTM. Sondriana tamin’ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka nananany sy ny fomba fampianarany ary ny fomba nifaneraserany tamin’ireo tanora aho.

Rehefa nanomboka niaraka izahay dia nahatsapa ho toy ireny nisy zavatra nandrasan’ny Tompo ireny tamin’ny fiarahanay. Rehefa nihanivoatra anefa ny fiarahanay dia lasa naneritery izy tamin’ny fomba fanehoany fitiavana. Nanomboka niahiahy aho hoe nanana olana tamin’ny pôrnôgrafia izy kanefa rehefa niresaka momba izany izahay dia nolaviny izany.

Nanomboka nametraka lalàna hentitra kokoa izahay mba hiarovana ny tenanay. Rehefa nangataka ahy ho vady izy dia nekeko ary nihanilamina ny zava-drehetra mandra-pahatonga ny andro iray izay nanombohany naneritery indray haneho ny fitiavany ahy tamin’ny fomba izay tsy nampahazo aina ahy.

Mbola nanana ilay fanahiako ihany aho hoe tafalatsaka ao anatin’ny pôrnôgrafia izy, koa nolazaiko izy indray andro momba ireo mpiara-manompo tamiko nandritra ny fitoriako ny filazantsara izay nanana olana tamin’ny pôrnôgrafia talohan’ny nanaovany asa fitoriana. Nanao izay vitako aho mba hanehoana fahatakarana sy fitiavana ary tsy fitsaratsarana satria tena olona tsara izy. Dia nanontaniako indray izy raha efa niaina fiankinan-doha tamin’ny pôrnôgrafia, ary nilaza tamiko ihany izy nony farany fa efa niaina izany.

Ratra sy fahasitranana

Tamin’ny voalohany dia tena mafy tamiko ny niresaka taminy sy ny nijery azy amin’ny maso mivantana. Nila tsy ho zaka ny fahatsapana nananako satria tsapako fa efa niteny tamiko ny Tompo fa io lehilahy io dia afaka ny ho vadiko mandrakizay. Kanefa na dia naratra aza aho dia fantatro fa nila niezaka namela azy, ary nahatsapa ho voataona mba tsy hampitsahatra ny fiarahanay aho.

Nivavaka mafy sy nandalina lahateny maro momba ny famelana ny hafa sy ny fampiasana ny pôrnôgrafia aho. Namaky lahatsoratra sy fijoroana ho vavolombelona maro momba ny olona efa manambady izay nanana olana tamin’io poizina io aho. Teo am-pamakiako dia nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ahy sy ilay fofombadiko aho, ary naharay fanamafisana indray aho fa tena io lehilahy io no ilay vadiko mandrakizay. Nianatra lafiny iray hafa amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy aho, dia ny fahafahany manasitrana ny fanahy mibebaka (ny an’ilay fofombadiko) sy ny fo maratra (ny ahy).

Ny zavatra iray tena nampandroso ny dianay dia ny firesahana tamin’ny evekan’ilay fofombadiko. Nanampy anay ho sitrana sy hifanatona bebe kokoa amin’ny maha-mpifankatia anay ny tari-dalana nomeny. Tena nanana faharetana izy rehefa tafalatsaka tao anatin’izany indray ilay vadiko, ary nisy fiantraikany tamiko ny ohatra tahaka ny an’i Kristy sy feno fitiavana nasehony ary nanampy ahy hamela sy hiady tamin’io olana io niaraka tamin’ny fofombadiko.

Nandritra ny fotoana elaela, dia mafy tamin’ilay fofombadiko ihany ny nahita ahy nijaly noho ny safidy nataony ka saika tsy te hanambady ahy intsony mihitsy izy! Fa rehefa niara-nitolona nandritra ny volana maro mba hampadio azy izahay dia nahatsapa ihany izy nony farany fa namela azy izaho sy ny Tompo.

Nivady ihany izahay nony farany ary lasa nihamafy kokoa noho ny teo aloha ny fiarahanay. Io zavatra niainana io dia nanampy anay tsy ho menatra ny hifampiresaka momba ny olanay. Ary na dia efa tsy ao anatin’ny pôrnôgrafia intsony aza izy dia mifampihaino sy mifampiraharaha foana izahay.

Afaka ny hahomby ny fiarahanareo

Na dia simbain’ny pôrnôgrafia aza ny fiarahanareo, dia fantaro fa azo atao ny mamela heloka. Mbola afaka mifankatia ianareo ary miara-misalahy mba hitady vahaolana sy handresy izany. Manan-jo handray ilay fanasitranan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika rehetra. Mila manaiky isika fa maratra ary tsy misy afa-tsy ny fanampian’ny Tompo ihany no afaka manasitrana antsika tanteraka.

Samy manana ny tantarany manokana ny tsirairay, ary tsy misy mitovy ny fiarahan’ny mpifankatia. Ho an’ny olona sasany dia ny fisarahana no mety tokony hatao. Saingy manantena aho fa afaka manampy ny hafa izay miaina toe-javatra mitovy amin’ny anay ny tantaranay. Satria naharay io fanamafisana avy tamin’ny Fanahy Masina io aho, niaraka tamin’ny fanampian’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany, dia afaka namela ny fofombadiko ary nanohy ny fiarahanay. Fantatro fa izany no safidy tsara ho ahy.

Raha miatrika zavatra toy izany ianao dia diniho ombam-bavaka ny toe-javatra iainanao amin’izao sy ny zavatra mety homanin’ny hoavy ho anao. Raha mahazo fanamafisana avy amin’ny Fanahy ianao fa ny fanohizana ny fiarahanareo no zavatra tokony hatao ka matoky tena ianao, dia fantaro fa raha miara-miezaka ianareo roa sy miankina amin’ny Ray any An-danitra, dia ho mety ny fiarahanareo.

Lehilahy mahafinaritra ny vadiko, tena tiako izy mihoatra ny hatrizay! Tena tsy haiko ny tsy hisaotra ny Tompo noho ny nanampiany anay ho sitrana sy ny nahafahanay nivady. Nanampy anay hiara-hivoatra ny Tompo amin’ny maha-mpivady anay ka vonona ny hiatrika izay zavatra nomaniny ho eo amin’ny fiainanay izahay.