2019
Tokony hanohy hamaky ve aho?
Ôktôbra 2019


Tokony hanohy hamaky ve aho?

Sary
Should I Keep Reading

Tamin’ny herintaona aho dia naka boky iray tany amin’ny trano famakiam-boky izay miresaka mikasika ny zazavavy iray nanomboka nanokatra blaogy. Nihevitra aho fa ho boky mahafinaritra ilay izy satria mitovy taona amiko ny olona mitana ny anjara asa fototra tao amin’ilay izy, ary mpanao blaogy ny reniko. Ka noho izany dia nihevitra aho fa boky mety tsara amiko ilay izy.

Mbola vao pejy vitsy monja tamin’ilay boky no novakiko dia nanonononom-poana ny anaran’ny Tompo ilay ankizivavy. Tsy dia tsara ny fahatsapana tao anatiko rehefa avy namaky io ampahany io aho. Saingy mbola nanohy namaky aho, sady nanantena hoe zavatra indray mandeha tsy miverina ilay izy. Namaky pejy vitsivitsy fanampiny aho, dia naveriny notenenina indray ilay izy.

Nandeha nitantara tamin’ny reniko ny zavatra hitako aho. Tsy fantatro na tokony hanohy hamaky aho na tsia. Niteny tamiko ny reniko fa ahy ny safidy. Kanefa nanaiky izy fa mety zavatra tsy tsara vakina angamba ilay izy raha toa ilay zazavavy ka nilaza zavatra izay fantatray fa ratsy. Nilaza ny reniko fa tena tsy tsara mihitsy ilay izy raha nanonononom-poana ny anaran’ny Tompo izy.

Nieritreritra aho hoe hijery raha mbola miverimberina ihany ilay izy, ka dia navadibadiko ilay boky. Hitako fa efa fomba fitenin’io ankizivavy io matetika ny fanononononam-poana ny anaran’ny Tompo. Nanapa-kevitra ny hamerina ilay boky tany amin’ny trano famakiam-boky aho ary tsy hanohy hamaky izany intsony.

Nalahelo aho hoe nanonononom-poana ny anaran’ny Tompo ny mpanoratra ilay boky. Saingy rehefa avy namerina ilay boky tany amin’ny trano famakiam-boky aho dia nahatsapa ho faly satria nanao safidy tsara. Fantatro fa nanaraka ny “Ireo fitsipiky ny filazantsara arahako” ao amin’ny bokiko La foi en Dieu aho, izay milaza hoe “Tsy hamaky sy tsy hijery afa-tsy ireo zavatra tian’ny Ray any An-danitra aho.” Fantatro fa isika dia tsy tokony hampiasa afa-tsy amim-panajana fatratra fotsiny ihany ny anaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa.