2019
Tempolin’i Laie Hawaii: Zato taona nanangonana
Ôktôbra 2019


Tempolin’i Laie Hawaii: Zato taona nanangonana

Ny Tempolin’i Laie Hawaii izay notokanana 100 taona lasa izay dia nanome fahafahana ireo Olomasina mba hivondrona handray ireo fitahiana avy amin’ny tempoly rehefa nanomboka niely nanerana an’izao tontolo izao ny filazantsara.

Sary
Laie Hawaii Temple rendering

Haisoritrano izay notanterahin’ny mpahaimari-trano Hyrum Pope sy Harold W. Burton.

Ny iray amin’ireo asa lehibe nanirahana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao dia ny hanolotra ireo fitahiana avy amin’ny tempoly ho an’ny olona manerana an’izao tontolo izao, na velona izany na ny maty. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa “ny tanjon’ny fanangonana ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny sokajin-taona rehetra eto amin’izao tontolo izao dia ny hanangana trano ho an’ny Tompo izay ahafahany manambara amin’ny vahoakany ireo ôrdônansy atao ao amin’ny tranony.”1

Tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20 dia tempoly efatra ihany no niasa teto an-tany ary tany Utah no nahitana azy rehetra. Noho izany dia ny fivondronan’ny olona tao Utah no hany fomba nahafahana nandray ireo fitahiana avy amin’ny tempoly ireo. Niova izany tamin’ny 1919. Tamin’ny 27 nôvambra 1919, dia natokan’ny Filoha Heber J. Grant (1856–1945) ny Tempolin’i Laie Hawaii. Izany dia nanamarika fotoam-piovana ara-tantara teo amin’ny Famerenana amin’ny laoniny satria afaka nahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly ny firenena maro.

Raha ny mahakasika an’izay dia ny Tempolin’i Laie Hawaii no tempoly voalohany nisokatra ho an’ny firenena maro. Nanompo mivantana an’ireo mpikambana avy any Hawaii, Nouvelle Zélande, Samoa, Tonga, Tahiti, Japon, ary Australie izany. Rehefa nihanivelatra hatrany nanerana an’i Pasifika sy Azia ny Fiangonana dia nihanitombo ny isan’ireo firenena nahazo fitahiana avy tamin’izany tempoly izany.

Ity taona ity no manamarika ny faha-100 taonan’izany fotoana manan-danja izany teo amin’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roan’ny voaly.

Fanangonana avy any Samoa

Ireo nosy ao Samoa dia hita any amin’ny 4023 km avy eo Hawaii. Tamin’ny 1919, dia nilaza i John Q. Adams, filohan’ny misiôna tany Samoa hoe: “Rehefa vita ny tempoly tany Laie, dia toa nanana faniriana lalina tampoka ny hanangona vola ampy mba handehanana any amin’ny tempoly ireo olona tany aminay.” I Aulelio Anae, ohatra, dia misiônera tsy nokaramaina nandritra ny 20 taona. Noho ireo taona maro nanaovany fahafoizan-tena dia tsy ampy ny vola handehanany tany Hawaii. Noho izany dia namidin-drahalahy Anae izay rehetra nananany ary 600 dôlara na 700 dôlara no voangony.2 Nahafoy izay zavatra rehetra azony nafoy rahalahy Anae sy ireo Samoana hafa mba hifindrana tany Laie nandritra ireo taona taorian’ny 1920.

Tonga tany Hawaii tamin’ny andron’ny taom-baovao tamin’ny 1923 ny fianakaviana iray, dia ry Leota mianakavy. Izao no tsaroan’i Vailine Leota izay fito taona: “Vao [hitanay] ny tempoly … dia izany no zavatra faran’izay kanto hitan’ny maso.”3 Roa herinandro monja taorian’izay dia nandray ny fanafiana masina sy nofehezina amin’ny maha-mpivady azy i Aivao sy i Matala ray aman-drenin’i Vailine, ary nofehezina tamin’izy ireo ny zanak’izy ireo. Nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ny tranon’ny Tompo nandritra ny 50 taona ry Leota mivady ary nalevina “teo akaikin’ny tempoly izay tena tian’izy ireo.”4 Amin’izao fotoana izao dia mipetraka manerana an’i Hawaii ny taranak’izy ireo an-jatony.

Tanjona toa tsy ho tanteraka

Rehefa nandao ny tanindrazany ka nifindra tany Hawaii ireo mpikambana maro tany Pasifika dia paroasy sy sampana maro avy amin’ny firenena maro no nikarakara fanaovana dia iarahan’ny vondron’olona izay nantsoina hoe dia karakaraina mankany amin’ny tempoly. Io endrika fanangonana iray ara-panahy io dia nanome fahafahana ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanao dia handraisana ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly ary avy eo miverina mody mba hanorina ny Fiangonana any amin’ny fireneny.

Nandritra ny fanokanana dia nivavaka tamin’ny Tompo ny Filoha Grant mba hanokatra ny lalana ho an’ireo Olomasina tany Nouvelle Zélande sy tany amin’ireo Nosy Pasifika rehetra ary mba hiaro ny tetiaran’izy ireo mba hahafahan’izy ireo mandeha any amin’ny tempoly ary lasa mpamonjy an’ireo razambeny.

Vondron’olomasina Maori avy tany Nouvelle Zélande no nanomboka ilay dia karakaraina mankany amin’ny tempoly, enim-bolana monja taorian’ny fanokanana. Na dia tany amin’ny 8.045 km lavitra avy teo Hawaii aza ireo Olomasina ireo dia faly noho ny fandrenesana ilay fanokanana.

Naniry mafy ny ho anisan’ny ao anatin’ilay vondrona voalohany hanao ilay dia mankany amin’ny Tempoly i Waimate sy i Heeni Anaru. Saingy toa tsy ho tanteraka ilay tanjona noho ny fahantran’ilay fianakaviana sy ny sarany takina ho an’ilay dia izay 1200 livres néo-zélandais. Tena vola be izany. Nila fahagagana izy ireo.

Nanaraka ny torohevitry ny mpaminany ny fianakaviana Anaru nandritra ny taona maro ka nanangona ireo rakitsoratra ahitana ny tetiaran’izy ireo. Nivangongo tao tamin’izany ireo rakitsoratra ireo teo am-piandrasan-dry Anaru mianakavy ny hitrangan’ilay fahagagana. Fantatr’i Wiwini, zanak’izy ireo lahy ny finoan’ny ray aman-dreniny: “Tsy mba kivy velively izany i Neny hoe [tsy] handolahika miaraka amin’i Dada eo amin’ny alitaran’ny tempoly indray andro any.”

Nisy fahagagana nitranga. Nahazo fifanekena arak’asa avy amin’ny fitondram-panjakana tany Nouvelle Zélande hanaovana tetikasa fanajariana ny tany i Waimate. Ny karamany avy tamin’izany tetikasa izany dia nahazoany vola ampy izay naloa mialoha mba hanefana ny saran’ilay dia mankany Hawaii. Nandresy ilay tahotr’izy ireo amin’ny famakivakiana ny ranomasimbe i Waimate sy i Heeni ary nandeha tany Hawaii niaraka tamin’ny vondron’olomasina niisa 14 tamin’ny mey 1920. Nandray ny fanafiana masina izy ireo ary nofehezina. Nitranga ilay neritreretina fa tsy ho tanteraka.

Ny tantaran-dry Anaru mianakavy dia iray fotsiny amin’ireo tantara an’arivorivon’ireo Olomasin’ny Andro Farany izay nanao dia nankany amin’ny Tempolin’i Laie mba handray ireo ôrdônansy sy haka ireo fampanantenana atolotry ny Tompo ao amin’ny tranony. Nitaky fahafoizan-tena lehibe izany saingy namokatra Olomasina matanjaka kokoa izay niverina tany an-tanindrazany vonona ny hitarika ny Fiangonana.5

Fanorenana an’i Laie

Ireo ezaka nataon’ny Fiangonana mba hanorina Laie maoderina dia nanohy nitahy ireo Olomasin’ny Andro Farany nanerana an’i Pasifika. Nandritra ireo taona taorian’ny 1950 sy ireo taona taorian’ny 1960 dia nantsoina ireo misiônera avy any Hawaii, Tonga, Samoa, Nouvelle Zélande, Tahiti, Nosy Cook, Fidji, Amerika Avaratra mba hampindrana ny talentan’izy ireo ara-kolontsaina sy ny fahaizan’izy ireo manorin-javatra mba hanorenana ny Oniversiten’ny Fiangonana ao Hawaii (izay Oniversiten’i Brigham Young –Hawaii amin’izao fotoana izao), sy ny Ivon-toerana ara-kolontsaina Pôlineziana ary ny ivon-toerana vaovao ho an’ny mpitsidika ny tempoly. Misiônera miisa fito amby efapolo avy tany Tonga sy Samoa no nandray ireo ôrdônansiny tany amin’ny tempoly tamin’ny 03 mey 1960, izay ohatra iray maneho ireo fitahiana ara-panahy izay niaraka tamin’ireo asa ara-nofo nataon’izy ireo (jereo ny Building Missionaries in Hawaii, 1960–1963, Church History Library, Salt Lake City, 100).

Nisy misiônera iray, i Matte Teʻo, izay may ben’ny afo nialoha ny nandaozany an’i Samoa, saingy tonga tany Hawaii ihany izy. Niahiahy ireo mpitsabo fa mety hotapahina ilay tanany kilan’ny afo. Maro tamin’ireo misiônera namany no nivavaka ho azy. Rehefa tany amin’ny tempoly dia nitalaho tamin’ny Tompo Rahalahy Teʻo hoe: “Kasiho ity tanana ity.” “Sitrano ity tanana ity mba hahafahako manampy amin’izay kely vitako.” Tonga dia nanomboka nihasitrana ilay tanana. Ankehitriny dia zara raha misy holatra eo amin’ny tanany. Amin’izao fotoana izao izy dia mpanatanteraka famehezana any amin’ny tempolin’i Laie Hawaii ary nilaza hoe: “Ity tempoly ity … dia mitondra fitarihana mahery vaika manerana ireto vondrom-piarahamonina ireto ary tsy eto ihany fa manerana ny Pasifika” (ao amin’ny Christensen, Stories of the Temple in Lāʻie, Hawaiʻi, 328–330).

Fanangonana ara-panahy avy any Azia

Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa sy ny famerenana ny Fiangonana indray tany Japon, dia nikarakara ny fanaovana dia voalohany avy tany Azia ho any amin’ny tempoly ireo Olomasina tao. Tamin’ny 1965 dia fiaramanidina iray feno Olomasina feno fanolorantena miisa 165 no niainga avy teo Tokyo nankany Hawaii mba handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Nitondra tanjaka lehibe ho an’ny Fiangonana tany Japon izany dia natao izany. Ny dimy amby sivifolo isan-jaton’ireo mpikambana ireo dia nijanona ho mavitrika tao amin’ny Fiangonana. Ny dimy tamin’izy ireo taty aoriana dia lasa filohan’ny tempoly tao an-tanindrazany, anisan’izany ny Loholona Yoshihiko Kikuchi, ilay Manampahefana Ambony voalohany avy any Japon.6

Tamin’ny 1970 dia nisy vondrona mpikambana Kôreana nandeha tany Laie. Hoy i Choi Wook Whan, izay filohan’ny sampana hoe: “Nandeha tany amin’ny tempoly izahay ary nanokatra ny sainay izany sy nampahafantatra anay ny fomba hahazoanay famonjena. Lasa nisy marina ilay drafitra mandrakizay. Nahazo tanjaka lehibe tokoa izay tsy hay hazavaina ny fijoroana ho vavolombelona nanananay. Tena fitahiana lehibe ho an’ny olona avy any Kôrea ny fananana fahafahana nandeha tany amin’ny tempoly.”7

Sary
Laie Hawaii Temple at night

Sarin’ny sarihaingon’ny Tempoly tany Hawaii, nahazoana lalana avy tamin’ny trano fitehirizana ny tantaran’ny Fiangonana; sarin’ny Tempolin’i Laie Hawaii amin’ny andro hariva nataon’i Carla Johnson

Fanangonana ireo havanay efa nodimandry

Rehefa azo tanterahina eo amin’ny firenena iray ireo ôrdônansin’ny tempoly dia tsy hoe mitondra ireo fitahian’ny Tompo ho an’ny velona eo amin’izany firenena izany fotsiny izy fa ho an’ireo izay any amin’ilay firenena any amin’ny lafy ilan’ny voaly amin’izao fotoana izao. Tsapan’ireo mpikambana any amin’ny firenena Aziatika izany fitahiana izany, satria ny fiarahamonin’izy ireo dia efa nirakitra tetiarana tamim-pahamalinana nandritra ny taonjato maro.

Niala tany Chine ka nifindra monina tany Hawaii ny ray aman-drenin’i Kwai Shoon Lung. Teraka tany Kauai izy tamin’ny 1894 ary natao batisa tamin’ny 1944 tamin’ny faha-50 taonany. Nampianatra ny tantaram-pianakaviana rahalahy Lung tany am-piangonana ary niteny tamin’ny mpianany hoe: “Nahita fahitana aho indray alina izay nahitako ny maro tamin’ireo havako efa nodimandry izay niantso ahy mba hanao asa ho azy ireo.” Telo andro taty aoriana dia naharay tetiarana avy amin’ny nenitoany izy tany Chine: rakitsoratra amin’ny teny Sinoa miisa 22 pejy izay manambara ireo razambeny hatrany amin’ny 1221 taorian’i J.K. Nahavita ôrdônansy an’arivony tany amin’ny tempoly ho an’ny fianakaviany izy sy i Glenn zananilahy ary i Julina vinantovaviny. Taty aoriana i Glenn sy i Julina Lung dia nanompo tamim-pahatokiana tamin’ny naha-filohan’ny tempolin’i Laie sy vehivavy mpiandraikitra ao amin’ny tempolin’i Laie azy ireo nanomboka tamin’ny 2001 ka hatramin’ny 2004.8

Ilay horonana tsy mety may

Nandeha tany Hawaii avy any Japon i Michie Eguchi tamin’ny voalohandohan’ireo taona 1900 ary nitondra horonana vita amin’ny lasoa Japôney iray. Nanao asa fitoriana tany Japon i Kanani Casey zafikeliny vavy ary nahita taty aoriana fa ilay horonana tany amin’ny renibeny dia nanoritra ny razamben’ny fianakaviana efa saika hatrany amin’ny an’arivon-taona lasa tany.

Tamin’ny 2013 dia may tanteraka ny tranon’i Kanani. Saika namoy ny fananany rehetra tao anatin’izany fahamaizana izany izy sy ny fianakaviany. Notehirizin’izy ireo tao anaty boaty plastika tao ambanin’ny fandrian’izy ireo ny tetiaran’izy ireo. Taorian’ilay fahamaizana dia niverina tany amin’ilay trano izy ireo ary tsy nahita afa-tsy vangongon-davenona sy arina.

“Ny hany zavatra tena nantenaiko mba ho hita dia ilay tahadikan’ilay horonana niaraka tamin’ilay dikantenin’izany sy ny tantarany,” hoy i Kanani. “Soa ihany fa efa vita daholo ny asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo razambeko Japôney, saingy tena sarobidy ho ahy ilay horonana.”

Rehefa nikarokaroka tao anatin’ireo lavenona i Kanani sy i Billy vadiny, dia nahita boaty plastika mangamanga ihany izy ireo tamin’ny farany. Hitan’izy ireo tao anatin’ilay boaty ilay tahadikan’ilay horonana niaraka tamin’ireo dikanteny sy ny bokin’ny tantaram-pianakaviana, ary nahavariana fa tsy nisy simba. Somary may kely fotsiny ny sisin’ilay horonana, saingy izay ihany no hany zavatra tsy simba tao amin’ny efitrano fatorian’izy ireo.

Tsapan’i Kanani fa narovan’ny Tompo ilay horonana “ho tombontsoan’ny taranako sy ho testamentan’ny fitiavany anay ary mba hampisehoana ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly” (ao amin’ny Christensen, Stories of the Temple in Lāʻie, Hawaiʻi, 172–74).

Fanangonana amin’ny alalan’ny fianarana

Ireo fitahiana avy amin’ny Tempolin’i Laie Hawaii dia natolotra koa an’ireo izay nivondrona tao Laie mba handranto fianarana ambony. Nanomboka tamin’ireo taona taorian’ny 1950 dia mpianatra an’anarivorivony no tonga tany amin’ny antsoina hoe BYU–Hawaii amin’izao fotoana izay izay avy any amin’ny faritra manerana an’i Pôlinezia sy Azia. Maro tamin’ireo mpianatra ireo no nanatanteraka batisa ho an’ny maty ary nanompo toy ny mpanatanteraka ôrdônansy ao amin’ny tempoly. Ny Tempolin’i Laie dia nanampy ireo mpianatra hanana fitiavana ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary nanampy azy ireo mba ho vonona tsara kokoa ny hanompo rehefa tonga any amin’ny tanindrazan’izy ireo ny tempoly.

I Choon Chua James, izay avy any Singapore, dia tonga tany BYU–Hawaii tao anatin’ireo taona taorian’ny 1970 niaraka tamin’ny rahavaviny. Samy nanambady lehilahy avy tany amin’ny firenena hafa izy ireo tamin’ny 1978. Hoy i rahavavy James hoe: “Ny fanambadianay tany amin’ny tempolin’i Laie dia nanambatra olona roa niova fo sy kolontsaina roa amin’izao fotoana izao sy mandrakizay, izay antenainay fa ho ilay fiantombohan’ny fandovana maharitra an’ireo fitahiana avy amin’ny tempoly ao amin’ny fianakavianay. Ny anay dia roa fotsiny tamin’ireo fanambadiana mandrakizay an-jatony maro izay nahitana mpianatra tao amin’ny BYU–Hawaii izay notanterahina tao amin’ny tempolin’i Laie izay angamba iray amin’ireo lova lehibe indrindra avy aminy tao anatin’izay enimpolo taona lasa nisian’ny oniversite izay” (ao amin’ny Christensen, Stories of the Temple in Lāʻie, Hawaiʻi, 236).

Mbola mitohy ny fanangonana

Ny tempolin’i Laie Hawaii izay hita any amin’ireo fihaonan-dalana any Pasifika, eo antenantenan’i Amerika sy Azia, dia nanokatra ny varavarana ho an’ireo firenena maro mba hahazoana ireo fitahiana avy amin’ny tempoly. Noho izany ny fanangonana ny Isiraely dia lasa fanangonana iray ara-panahy aloha noho ny fahafahan’ireo mpikambana mandray ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly ary avy eo miverina mody mba hanorina ny Fiangonana any an-tanindrazany. Izany tombontsoa nomena izany dia nanampy tamin’ny fampivelarana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tany amin’ny kolontsaina sy vahoaka maro teo amin’ny lafy roan’ny voaly.

Noho ny fankalazanay ny faha-100 taonan’ny Tempolin’i Laie Hawaii, dia voninahitra ho anay ny mahita izao fotoan-dehibe ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny izao sy ny fahatanterahan’ny faminanian’ny mpaminany Jakôba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Lehibe ny fampanantenan’ny Tompo amin’ireo izay eo amin’ny nosin-dranomasina” (2 Nefia 10:21).

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 416.

  2. Jereo ny James Adams Argyle, comp., “The Writings of John Q. Adams,” 14, FamilySearch.org.

  3. Vailine Leota Niko, in Clinton D. Christensen, comp. Stories of the Temple in Lāʻie, Hawaiʻi (2019), 70–71.

  4. Aivao Frank Leota (1878–1966), FamilySearch.org.

  5. Jereo ny Christensen, Stories of the Temple in Lāʻie, Hawaiʻi, 64–65.

  6. Jereo ny Christensen, Stories of the Temple in Lāʻie, Hawaiʻi, 114–17.

  7. Choi Wook Whan, in “Going to the Temple Is Greatest Blessing,” Church News, Apr. 17, 1971, 10.

  8. Jereo ny Christensen, Stories of the Temple in Lāʻie, Hawaiʻi, 166.