2019
Niainga avy amin’ny fampijaliana ka niafara tamin’ny fahavitan’ny batisa
Ôktôbra 2019


Niainga avy amin’ny fampijaliana ka niafara tamin’ny fahavitan’ny batisa

Ny finamananareo sy ny ohatra tsara asehonareo dia hitahy ireo namanareo sy ireo taranaka ho avy.

Sary
young men tempting Hugo to smoke

Sary nataon’ i Brooke Smart

Fony aho 17 taona dia nisedra tsindry mavesatra avy amin’ireo namako tao amin’ny lisea nisy ahy aho. Ireo namako dia tsy niaina fitsipika tahaka izay niainako. Niara-nandray anjara tamin’ny fiaraha-mientana tsara maro izaho sy ireo namako, toy ny filalaovana basket na baolina kitra. Saingy nisotro toaka sy nifoka sigara ihany koa izy ireo, izay zavatra anankiroa tsy niarahako nanao tamin’izy ireo.

Indray andro izay dia niaraka tany ivelan’ny sekolinay izahay nianatra lesona hanomanana fitsapam-pahaizana iray izay hataonay afaka fotoana vitsy tamin’izay andro izay. Niaraka tamiko tamin’izay ny roa tamin’ireo namako akaiky ahy indrindra, dia i Juan sy i Francisco (novaina ireo anarana). Nisy fotoana namoahan’ny olona iray briquet sy sigara. Nataoko fa hoe reraka tamin’ilay fianaran-desona ireo namako ka dia adinon’izy ireo fa teo aho. Fantatro hoe hay aho diso hevitra rehefa nitodika tany amiko izy ireo ka niteny hoe: “Tonga izao ny fotoana hianaran’i Hugo mifoka sigara.”

Tsy nahavita namaly akory aho dia nanatona ahy i Juan sy i Francisco ka nitazona ahy tamin’ny sandriko avy. Notsindrin’izy ireo hidina ambany ny tanako sady nisy olona iray nampiditra an-keriny sigara teo anelanelan’ny molotro. Nandà izany avy hatrany ny vatako, ka dia naloako teo amin’ny tany hanalavitra ahy ilay sigara. Fotoana fohy taorian’izay dia nahatsapa totohondry nipetaka teo amin’ny takolako aho. Nampitahotra ahy izy ireo dia niteny hoe: “Handrehitra ilay sigara indray izahay izao, dia hianatra hisintona ilay setroka ianao. Aza ariana amin’ny tany ilay izy. Raha manary an’ilay izy amin’ny tany ianao, dia ho ratsy ny zavatra hahazo anao.”

Tamin’izay fotoana izay dia fantatro fa nidiran-doza aho. Nakimpiko ny masoko dia nanao vavaka fohy aho nangataka fanampiana. Raha vantany vao vitako ny vavako dia tonga ny fiaran’ny mpampianatray ary nijanona teo akaikinay. Nivoaka ny fiara ny mpampianatray ary nanontany anay hoe inona no nataonay teo. Navotsotr’ireo namako aho. “Miomana ho amin’ilay fitsapam-pahaizana izahay,” hoy izy ireo mba hanomezana toky ilay mpampianatra. Niditra tao amin’ilay sekoly izahay dia nanao ilay fitsapam-pahaizana, dia tapitra teo ilay toe-javatra niainako.

Na dia sarotra tokoa aza izany zavatra niainako izany, dia namela ireo namako tamin’ny zavatra nataony aho. Fantatro fa tsy nahatakatra ny fenitra ara-pitondrantena narahako sy ny fanapahako hevitra hanaja ny Tenin’ny Fahendrena izy ireo, ka dia namela azy ireo aho ary nisafidy ny tsy hitana lolom-po tamin’izy ireo. Rehefa vita ny fianaranay dia nandeha nanao asa fitoriana aho, kanefa mbola nanohy nifandray tamin’i Juan sy i Francisco. Nanoratra taratasy ho azy ireo matetitetika aho izay nizarako tamin’izy ireo ny filazantsara sy ny fijoroana ho vavolombelona nananako momba an’i Jesoa Kristy. Nanasa azy ireo hibebaka sy handeha hivavaka aho. Tsy nampoiziko mihitsy fa nandeha nivavaka marina ny iray tamin’izy ireo.

Matetika aho no nanasa ireo namako hanatrika ireo fivoriana isaky ny alahady, saingy tsy nisy nanaiky izany raha tsy tamin’izao. Na dia tsy afaka niara-nivavaka tamin’i Juan aza aho dia teo ireo rahalahiko sy ny raiko mba hanampy azy sy ho namany. Nandray tsara azy ny fianakaviako, ary nahazo aina tsara i Juan tao am-piangonana. Nanomboka niova tsikelikely izy mandra-pandraisany ny fanapahan-kevitra hatao batisa. Faly noho ny aminy aho ary mbola faly kokoa aza rehefa nolazainy tamiko fa nianatra nitia an’i Jesoa Kristy izy noho ireo taratasiko. Rehefa nody avy any amin’ny asa fitoriana nataoko aho dia nijanona ho namana akaiky an’i Francisco ihany koa, ary nony afaka fotoana elaela, dia natao batisa ihany koa izy sy ny vadiny. Ankehitriny i Juan sy i Francisco dia mbola roa amin’ireo namako akaiky indrindra.

Nanova ny fiainako ireo zava-nitranga ireo. Nianatra aho fa ny fomba tsara indrindra hanovana ny fiainan’ny olona dia ny fiainana amim-pahamarinana, ny fitiavana ny hafa, ary ny fanampiana ny hafa. Ny kiboky Jeunes, soyez forts dia milaza hoe: “Raha te hahazo namana tsara dia meteza ho namana tsara. Manehoa fahalianana marina amin’ny hafa. Mitsikia ary avelao ho fantany fa miraharaha azy ireo ianao.”1 Izany no nanampian’ny Tompo ahy mba hataoko tamin’i Juan sy i Francisco. Noho izany zavatra izany dia manana namana roa tsara indrindra tamin’ireo izay efa fantatro aho, ary ankehitriny izahay dia miara-miasa mba hanohana ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anay.

Tandremo hatrany ireo fenitra ara-pitondrantena izay an’ny Fiangonana na dia ao anatin’ny toe-javatra tena sarotra tahaka ny nahazo ahy aza ianareo. Ny Jeunes, soyez forts dia mampianatra hoe: “Rehefa miezaka ny ho namana ho an’ny hafa ianao, dia aza ampidinina ireo fenitra ara-pitondrantena arahinao.” “Raha mamporisika anao hanao zavatra ratsy ireo namanao dia aoka ianao mba ho ilay iray izay mijoro amin’ny tsara.”2 Na dia toa manao zavatra mifanohitra amin’ny didy aza ny olona hafa rehetra dia mijanòna ho matanjaka satria mahery vaika ny ohatra asehonareo. Meteza mba ho ilay karazana ohatra azon’ireo namanareo eritreretina mandritra ny fotoana ilan’izy ireo fanampiana. Amin’ny toe-javatra sasany tahaka ny ahy dia ny finamananareo no mety ho ilay zavatra manampy azy ireo hianatra, hibebaka ary hiova fo.

Fanamarihana

  1. Jeunes, soyez forts (2011), 16.

  2. Jeunes, Soyez Forts, 16.