2019
Mitady an’i Kristy fa tsy ny voka-dratsy ateraky ny pôrnôgrafia
Ôktôbra 2019


Ho an’ny tanora

Mitady an’i Kristy fa tsy ny voka-dratsy ateraky ny pôrnôgrafia

Sary
couple on a beach

Sary avy amin’ny Getty Images, nampiasaina mba hanehoan-javatra, ary olona nindramina no nalaina sary

Eo am-panaovana drafitra hanoratra lahatsoratra ho an’ny tanora, dia mandany fotoana maro izahay mieritreritra ireo olana atrehan’izy ireo amin’izao fotoana izao. Maro tokoa izy ireo. Saingy rehefa nifanakalo hevitra izahay ny amin’ity volana ity, dia voatarika ho amin’ny lohahevitra iray izay efa nahakasika anay manokana, sy ireo namanay, ary ireo olona hafa tsy tambo isaina: ny fampiarahana sy ny pôrnôgrafia. Fantatray fa ny fanomanana io fizarana io dia ho sarotra tokoa. Sady ny pôrnôgrafia koa dia misy fiantraikany eo amin’ny olona maro amin’ny fomba mandratra fo, ary indraindray manimba ny fiainan’ny olona. Ary ho an’ny tanora tokan-tena dia mahatonga ny hoavy ho toy ny tsy azo antoka mihoatra izay efa iainana amin’izao fotoana izao izany, indrindra fa amin’ny fiomanana ho amin’ny fanambadiana.

Tena nahita marina ny tanan’ny Ray any An-danitra nitarika ny asanay izahay rehefa nanomboka naharay tantara avy amin’ireo tanora izay voakasiky ny pôrnôgrafia ny fiarahan’izy ireo. Ary hitanay fa tsy kely fotsiny ny fanantenana amin’ny hisian’ny fanambadiana sambatra sy tsy ahitana fiankinan-doha fa mihoatra lavitra izany. Nahoana? Satria ny tantara tsirairay dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny hery manasitran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izay manova fiainana sy mitondra fanantenana.

Koa raha ao anatin’ny fiarahana izay voakasiky ny pôrnôgrafia ianao, dia manasa anao izahay hamaky ny fizarana ato amin’ity laharana ho an’ity volana ity, izay ahitana lahatsoratra nozarain’ireo olon-kafa izay mahafantatra tsara fa tena misy ny ady atao amin’ny pôrnôgrafia, ary tamin’ny fomba mazava no nizarany izany. Ireo lahatsoratra ireo dia miresaka lohahevitra toy ny fomba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny pôrnôgrafia rehefa mampiaraka ianao sy ny fomba hoentina miady amin’izany (pejy 44), ny fihetsika tokony haseho rehefa misy olona mitsotra fa manana olana amin’ny pôrnôgrafia izy (amin’ny endriny nomerika ihany), ny fomba ahafahan’ny famelan-keloka sy ny fahasitranana mitranga eo amin’ireo olon-droa (amin’ny endriny nomerika ihany), ary ny fomba ahafahan’ny Fanahy mitarika anao hahafantatra ny fomba hanohizana mandroso ao anatin’ny fiarahanao amin’ny olon-tianao (amin’ny endriny nomerika ihany).

Fantatray fa raha miantehitra amin’ny Mpamonjy ianao ary manasa ny Fanahy ho eo amin’ny fiainanao eo am-pikatsahanao valinteny, dia hitarika anao ho any amin’ny lalana tokony halehanao ao anatin’ny toe-javatra iainanao manokana ny Ray any An-danitra. Ny voka-dratsy ateraky ny pôrnôgrafia dia mety goavana eto amin’izao tontolo izao, saingy ny fahazavan’ny fanasitranan’ny Mpamonjy dia matanjaka noho izay mety ho haizina. Ny hany ilaintsika atao dia ny mikatsaka Azy.

Amim-panajana,

Chakell Wardleigh sy Mindy Selu

Mpanonta ny fizarana ho an’ny tanora ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana