2019
“Ahoana no fomba hahitako namana miaina fitsipika tsara?”
Ôktôbra 2019


Fanontaniana & valiny

“Ahoana no fomba hahitako namana miaina fitsipika tsara?”

Ny hatsaram-panahy no ilaina

Manehoa fitiavana azy ireo ary aoka ianao ho tsara fanahy. Asehoy fa miraharaha azy ireo sy ny fahasambarany ianao. Raha maneho tsy firaharahiana anao izy ireo ary ratsy fanahy aminao, dia azo antoka fa tsy te hanohy izany finamanana izany intsony ianao.

Madi B., 15 taona, Arizona, Etazonia

Iaino ny fitsipika arahanao

Aoka ianao mba ho ohatra amin’ny fiainana ny fitsipika arahanao. Ary raha manana namana tsy manaraka fitsipika mitovy amin’ny anao ianao, dia asehoy azy ireo fa manan-danja miavaka eo imason’ Andriamanitra izy ireo. Tia ny olona rehetra i Jesoa ary nampianatra azy ireo hanaraka ny lalany.

Bernard B., 19 taona, Palawan, Philippines

Zarao ny filazantsara

Afaka mahita namana miaina fitsipika tsara ianao amin’ny alalan’ny fandehanana mampianatra miaraka amin’ny misiônera. Mahafantatra tanora maromaro mila namana ao amin’ny Fiangonana izy ireo.

Elder Quintanilla, 20 taona, Misiônan’i Bridgetown Barbade

Mivavaha ho an’ireo namanao

Mivavaka foana aho mba hahafantarako raha ireo namako no namana tsara afaka manampy ahy hampisandratra ny fitsipika arahako sy hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy.

Imanol M., 18 taona, Chihuahua, Mexique

Hanampy anao Andriamanitra

Tsikaritro fa raha manao ezaka manokana aho mba hitady ireo olona izay maneho ny hazavan’i Kristy dia manova zavatra tokoa izany. Mahafantatra ny fanirianao ny Ray any An-danitra ary raha manao ny anjaranao ianao dia hamaly ireo vavaka ireo Izy.

Olivia T., 18 taona, Utah, Etazonia