2019
Ry ray aman-dreny malala
Ôktôbra 2019


Ry ray aman-dreny malala,

Sary
Dear Parents

Ny iray amin’ireo hafatra lehibe ao amin’ny Testamenta Vaovao dia ny hoe afaka mahita fiadanana sy fifaliana ao amin’i Kristy isika na manao ahoana na manao ahoana ny fiainantsika. Ity gazetiboky amin’ity volana ity dia mizara fijoroana ho vavolombelona mitovy amin’izany.

  • Ao amin’ny pejy N4, dia nahazo fampaherezana ny ankizilahy iray rehefa avy nanofy ratsy.

  • Ao amin’ny pejy N8, dia nampahatsiahivina ny ankizivavy iray tratran’ny trisomie 21 fa tia azy ny Ray any An-danitra.

  • Ao amin’ny pejy N15, dia misy sary iray mampianatra fa azo tanterahina ny zavatra rehetra miaraka amin’ny fanampian’i Jesoa Kristy.

  • Ao amin’ny pejy N20–23, dia naneho ohatra momba ny fananana finoana i Paoly.

Rehefa miaraka mamaky ity gazetiboky ity ianareo dia tadiavo ireo fomba izay nanampian’i Jesoa sy ny Ray any An-danitra ny olona ao amin’ny tantara tsirairay. Afaka manipika ireo teny izay mamaritra ireo olana natrehan’izy ireo ianareo. Avy eo dia ataovy ao anaty faribolana ny fanampiana azon’izy ireo. Resaho miaraka, amin’ny maha-fianakaviana, ny hoe indraindray dia esorina ireo fitsapana ary indraindray dia omena hery isika mba hiatrehana ireo fitsapana. Na izany na tsy izany, dia tia antsika i Jesoa sy ny Ray any An-danitra, ary eo Izy ireo ho antsika!

Manantena izahay fa hanana volana mahafinaritra ianareo.

Namana