2012
Antso Iray ho an’ny Mpikambana Vaovao iray
Aprily 2012


Antso Iray ho an’ny Mpikambana Vaovao Iray

Mpikambana vaovao vao haingana aho ary tsy nahay nitendry pianô. Saingy tena feno fankasitrahana aho noho ilay antso izay nanova ny fiainako dia tsy inona fa ny ho mpitendry pianô ao amin’ny sampana.

Fotoana fohy taorian’ny nanaovana batisa ahy tamin’ny faha-10 taonako tany Finlande, dia nahazo ny antsoko voalohany aho. Tamin’ny taona 1960 tamin’izay ary nila mafy olona mba hitendry ireo hira hatao mandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo ilay sampana kelinay. Nangatahana aho mba hanatanteraka izany andraikitra izany.

Raha namporisika ahy sy ny anadahiko foana ny reniko mba hanovo talenta ara-java-kanto dia tsy mba nahay nitendry pianô aho ary tsy nanana pianô. Saingy te-hanatanteraka ilay antsoko aho ka dia nanao drafitra izahay.

Niresaka momba ny lanjan’izany antso izany ho anay rehetra izahay nandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Kanefa noho ny reniko izay mananotena niaraka tamin’ny zaza roa dia fantatray fa ho tena sarotra ho anay ny hividy pianô sy handoa ny saran’ny fianarana izany. Nanapa-kevitra izahay fa vonona ny hanao izay fihafiana ilaina rehetra.

Ny fihafiana voalohany dia teo amin’ny lafiny ara-bola. Nanapa-kevitra izahay fa manomboka amin’ny lohataona ka hatramin’ny fararano dia hitaingina ny bisikiletanay izahay fa tsy handray fiara fitateram-bahoaka. Ny anadahiko, Martti, dia olona mahery fo izay ary lasa tena nahay nitaingina bisikileta—na dia eny ambonin’ny ranomandry aza. Najanoko ny ankamaroan’ny fividianana akanjo ary nianatra nanjaitra aho. Nianatra niaina tao anatin’ny fitsitsiana koa izahay. Nanomboka nanao zaridaina tany ambanivohitra izahay izay tany akaikin’ny tranon’ny raibe sy ny renibenay ary nitahiry sakafo ho an’ny ririnina. Ny “zavatra ataonay mandritra ny fotoam-pialan-tsasatray” dia lasa ireo dian’ny reninay mankany amin’ny tempoly any Suisse na fitsangantsanganana sy filasiana eo akaikin’ny tranonay.

Ny fihafiana faharoa nataon’ny fianakavianay dia mikasika ny fotoana. Nifampizaranay ny raharaha atao ao an-trano ary naverinay nalamina ny fanaovana ireo zavatra hafa sy ny enti-mody mba hananako fotoana ampy hianarana pianô. Noho ny fihafianay sy ny asa mafy nataonay dia nahatsikaritra matetika i Neny fa tsy mba nanana fotoana malalaka mba hanaovan-javatra tsy mety toy ireo mitovy taona taminay izahay. Raha ny marina ilay antsoko dia lasa antson’ny fianakaviana efa ela be talohan’ny nahaizako nitendry feo iray.

Nanomboka nianatra tamin’ny mpampianatra mozika iray tao amin’ny sekoly iray teo an-toerana aho. Nanao fanazarana tamin’ny alalan’ny fampiasana taratasy misy ny kitendry aho na tamin’ny pianô tany am-piangonana. Rehefa nandeha nifindra ilay mpampianatra pianô ahy dia nividy pianô izahay ary voaray hianatra amin’ny mpampianatra pianô iray malaza teo amin’ny faritra aho.

Nianatra irery ireo hira ao anatin’ny fihirana aho ary nanao fanazarana betsaka niaraka tamin’ilay tompon’andraikitry ny mozika tao amin’ny sampana. Nampahery ahy daholo ny olona rehetra—na dia nisy feo “diso” iray aza. Nihoron-koditra ilay mpampianatra ahy rehefa nahafantatra fa nitendry teo imason’ny olona aho talohan’ny nahaizako sy nahatadidiavako tanteraka ilay mozika. Saingy naleo aza nitendry tamin’ny tanan’ila toy izay tsy nisy feon-kira notendrena mihitsy.

Nitaingina bisikileta aho rehefa nandeha nianatra ary rehefa tonga ny ririnina dia niezaka ny nandeha an-tongotra na nisosa an-kapan-dranomandry raha azo atao. Isaky ny Alahady dia nandeha an-tongotra irery hamonjy ny fivoriam-piangonana aho mba hahafahako tonga adiny iray mialoha ary mba hananako fotoana hanaovana fanazaran-tena. Nanapa-kevitra ny tsy handeha fiara fitateram-bahoaka aho raha tsy rehefa ambanin’ny -15ºC ny maripana. Tsy dia nanahirana ahy loatra ny orana sy ny ranomandry. Nandeha haingana be ny fotoana rehefa nandeha an-tongotra aho satria nanana hira maro tena tsara ao amin’ny fihirana aho izay namako teny. Rehefa nandeha an-tongotra aho dia niaraka nanivatsiva ny lohasaha niaraka tamin’ireo mpisava lalana (jereo ny “Ndao ry Olomasina,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, faha-4), ary nananika ny tampon’ny tendrombohitr’i Ziona (jereo ny “An-tendrombohitra,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, faha-59), ary nijoro niaraka amin’ ireo zatovo izay tsy ho lavo velively (jereo ny “Vas-tu faiblir, ô jeunesse” Cantiques, no. 164). Tsy mba nitsahatra ny fahombiazako noho izany fanohanana izany—na dia izaho sy ny fianakaviako irery aza no hany Olomasin’ny Andro Farany tao ao amin’ilay tanànanay tany amin’ny faritra avaratr’i Finlande, izay nanakaiky ny sisin-tany Rosiana.

Lasa nahay nitendry aho taona maro taty aoriana ary afaka nanao mozika fa tsy hoe nitendry ilay feo marina fotsiny. Nianatra aho fa tokony hivavaka rehefa misafidy mozika mba ho ao anatin’ilay fivoriana ny Fanahy. Ary ny zava-dehibe indrindra dia tonga tamiko tamin’ny alalan’ny mozika ny fijoroako ho vavolombelona. Mora ho ahy ny nahatsiaro ireo zavatra tsapa ao anatin’ireo hira ao amin’ny fihirana sy ny tonony ary ny hafatra ao anatiny raha vao misy zavatra mampiahiahy ahy. Fantatro fa marina ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara rehefa nianatra andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra azy ireo aho ary ny feo tsirairay tao anatin’izy ireo aho.

Tsaroako ilay andro manokana iray izay nitsapana ny fanoloran-tenako amin’ireo fitsipika ireo. 14 taona aho tamin’izay ary tia nilomano sy nanonofy ny mba hilomano mandritra ny lalao Ôlimpika. Tsy nanao fifaninana aho rehefa Alahady nefa mbola nivoatra. Farany rehefa nanakaiky ny lalao Olimpika natao tany Mexico City dia nisy mpanazatra iray nanasa ahy mba handray anjara ao anatin’ny fanazaran-tena manokana.

Ilay fanazaran-tena anefa dia isaky ny Alahady mandritra ny Sekoly Alahady. Dia nalamiko fotsiny ny saiko hoe afaka mandeha manao fanazaran-tena aho dia tsy manao Sekoly Alahady satria ho tafaverina ara-potoana any am-piangonana mba hanatrika ny fivoriana Fanasan’ny Tompo amin’ny hariva. Nanangom-bola handoavana ny saran’ny fiara fitateram-bahoaka aho ary nandamina ny zava-drehetra. Ny Asabotsy talohan’ny fanazaran-tenako voalohany dia nolazaiko tamin’ny reniko ny drafitro.

Hitako ilay alahelo sy fahadisoam-panantenana teo amin’ny masony saingy ny hany valinteny nomeny dia hoe ahy ny fanapahan-kevitra ary efa nampianarina ny atao hoe tsara aho. Tsy nety niala tato an-tsaiko tamin’izay alina izay ny tonon’ny “Bien Choisir” (Cantiques, no. 154). Niverimberina tato an-tsaiko toy ny horonam-peo simba ny tonon’izany.

Rehefa tonga ny Alahady maraina dia teny amin’ny tanako anankiray ny kitapo misy ny kojakoja ilaiko amin’ny filomanosana ary teny amin’ny tanako ilany kosa ny kitapo misy ireo zavatra ilaiko amin’ny mozika, ary nanantena ny hanao izay inoan’ny reniko aho hoe handeha hiangona. Nivoaka nankeny amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka aho. Ny zava-nitranga dia tamin’ny faritra ilan’ny arabe nisy ahy ilay toeram-piantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka mankany amin’ny toeram-pilomanosana ary teny ampita kosa ny mandeha any amin’ny trano fiangonana. Rehefa niandry teo aho dia nanomboka sorena. Tsy nitsahatra naheno tao an-tsaiko ny feon’ny “Have I Done Any Good?” aho (Hymns, no. 223)—izay hira ao amin’ny fihirana nomanina ho an’ny Sekoly Alahady tamin’izay andro izay. Fantatro tao anatin’izay zavatra niainako izay fa noho ny hasarotan’ny paikam-peonkiran’izany hira ao amin’ny fihirana izany sy ny tonony ary ny feo avony dia ho zava-doza raha toa ka tsy misy ny fitendrena tsara izany.

Rehefa teo am-pandinihina izay safidy ho ataoko aho dia samy nanakaiky ny fiara fitateram-bahoaka roa. Ilay fiara fitateram-bahoaka mitondra any amin’ny toeram-pilomanosana dia nijanona mba handray ahy ary ilay mpamily ny fiara fitateram-bahoaka mankany am-piangonana dia nijanona koa ary nijery ahy sy taitra satria fantany fa nandray ny fiara fitateram-bahoakany foana aho. Samy nifampandinika teo izahay tao anatin’ny segondra vitsivitsy. Inona no nandrasako? Nisafidy ny Tompo aho (jereo ny “Who’s on the Lord’s Side?” Hymns, no. 260). Nampanantena aho fa ny lalany no lalako (jereo ny “Ny Lalanao no lalako,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, faha-92). Ilay fanapahan-kevitro hitandrina ny didy dia efa noraisina efa ela (jereo ny “Pour trouver la paix,” Cantiques, no. 194).

Talohan’ny nifanarahan’ny eritreritro tamin’ny faniriako dia nandray andraikitra ny vatako. Nihazakazaka teny am-pitan’ny arabe aho ary ny nikopakopaka an’ilay mpamily fiara fitateram-bahoaka iray hafa. Naloako ny saram-pitaterana ary nandeha nipetraka tany amin’ny faran’ilay fiara fitateram-bahoaka izay nitondra nankany am-piangonana aho, ary dia toa nivily lalana ilay nofinofiko hatramin’ny fahakeliko momba ny filomanosana.

Nieritreritra ny olona rehetra fa nitomany aho tamin’izay andro izay satria nahatsapa ny Fanahy. Nefa tena nitomany aho satria ilay nofinofiko nandritra ny fahazazako dia vao rava teo ary satria menatra aho fa nieritreritra ny hilomano amin’ny andro Sabata. Saingy tamin’izay Alahady izay dia nanatanteraka ny antsoko aho toy ny nataoko teo aloha sy taty aoriana.

Mandrapahatonga ny fotoana nandehanako nianatra tany amin’ny oniversite dia nanofana mpikambana maro tao amin’ny sampana aho mba hitarika ny hira sy hitendry pianô. Nanohy nitendry pianô aho tany amin’ny oniversite ary nianatra nitendry ôrga. Nieritreritra aho fa efa nanjavona mandrakizay ilay fahafahako nandeha tany Amérique Latine rehefa nijanona tsy nanao fifaninanana lomano intsony aho, saingy rehefa nahazo ny mari-pahaizana maîtrise tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young aho, dia nandeha nitory ny filazantsara tany Colombie. Nandritra ny asa fitoriako dia nampianatra pianô aho. Naniry hanome an’ireo Olomasina ireo ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana mozika aho. Nandeha an-tongotra an-kilaometatra maro tao anatin’ny hafanana be ireo ankizy sy zatovo tany Colombie mba hanana fahafahana hianatra hitendry pianô. Izy ireo koa dia nanomboka tamin’ny tanan’ila mandrapivoatran’izy ireo ka nitendry tamin’ny tanana roa. Ary naneho fahafoizan-tena be kokoa noho izaho izy ireo tao anatin’ireo ezaka nataony mba hahaizana mitendry pianô.

Efa 50 taona lasa izay no nahavita batisa ahy. Nandeha lavitra dia lavitra an’ilay fonenako tany Finlande aho, saingy na taiza na taiza nalehako dia nisy foana ny filana olona iray hitendry ireo hira ao amin’ny fihirana. Nanorina fifankahazoan-tsaina sy fifankatiavana tany amin’ny toerana maro ilay fitenin’ny mozika iraisan’izao tontolo izao.

Efa miadam-piasa sy tratran’ny aretina rohana ny tanako ankehitriny. Mpahay mozika maro havanana kokoa no nandray ny toerako. Malahelo ny reniko matetika rehefa manao jery todika ny fahazazako tao am-piangonana sy ireo fihafiana nataoko ary ireo kilaometatra maro nodiaviko sy ireo zavatra izay nafoiko. Matahotra izy sao nahatonga ilay aretina rohana mahazo ahy ny hatsiaka. Kanefa amim-pifaliana no itondrako ireo “holatry ny fihafiako.” Narotsako tao anatin’ny mozika ny fifaliako sy ny alaheloko. Nianatra nihomehy sy nitomany tamin’ny alalan’ny rantsantanako aho.

Mahatsapa fankasitrahana ny foko rehefa mieritreritra aho hoe tena naneho fiahiana ampy ho ahy ny Ray any an-danitra sy ireo mpitarika ahy matoa nangataka tovovavy kely toa ahy hanatanteraka andraikitra sarotra toy izany. Izany antso izany dia nanampy ahy hahazo fahatakarana mafy orina ny filazantsara ary nanome fahafahana ahy hanampy ny hafa hahatsapa ny Fanahy amin’ny alalan’ny mozika. Izaho dia vavolombelona velona fa ireo mpikambana vaovao dia mila antso—na dia ankizivavy kely tsy mahay mitendry pianô aza. Tamin’ny alalan’ilay antsoko voalohany dia hitako fa tsy misy zavatra tsy azo tanterahana rehefa miaraka amin’Andriamanitra ary manana drafitra sy tanjona ho an’ny zanany tsirairay Izy. Ary tamin’ny alalan’ny mozika no nahazoako fijoroana ho vavolombelona tsy azo hozongozonina momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Sary naton’i Mike Malm