2012
Nahoana no Ilaina ny Manatrika Seminera?
Aprily 2012


Nahoana no Ilaina ny Manatrika Seminera?

Inona araka ny hevitrao no zavatra manan-danja indrindra ho azon’ ny mpianatra iray avy amin’ ny seminera sy institiota?

Inona araka ny hevitrao no zavatra manan-danja indrindra ho azon’ ny mpianatra iray avy amin’ ny alalan’ ny seminera sy institiota? Raha nisy vondron’ ny mpianatra seminera iray nametraka izany fanontaniana izany tamin’ ny Tompon’ andraikitra ao amin’ ny Departemantan’ ny Fampianarana an’ ny Fiangonana, ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ ny Fitopololahy dia namaly izy fa ny zavatra manan-danja indrindra mety ho azon’ izy ireo dia “ny fijoroana ho vavolombelona marina fa i Jesoa no Kristy. Ny fahatakarana fa ny tena fahalalana dia ny fahalalana ara-panahy. Izany dia ilay zavatra tonga ao amin’ ny fanahintsika tsirairay avy amin’ ny Fanahy Masina. Izany no fahamarinana mahery vaika indrindra sy zavatra mahery vaika indrindra izay azo avy amin’ ny seminera sy institiota. Tsy manova fotsiny ny zavatra fantatrao izany fa tena manova ny maha-ianao anao ary manova ny fomba fijerinao an’ izao tontolo izao. Ary izany karazam-pianarana ambony kokoa izany dia manampy mba hahafeno ireo fianarana hafa izay ataonao” (“A Higher Education,” New Era, Apr. 2009, 15).

Ny Loholona Johnson dia iray amin’ ireo Manampahefana Ambony maro izay niresaka mikasika ireo fitahiana mahavariana izay azo avy amin’ ny fanaovana seminera sy instititota. Ka raha mbola manontany tena ianao hoe nahoana aho no tokony hanao seminera dia indreto misy antony tsara misimisy kokoa avy amin’ ireo mpaminany sy apôstôly.

Sarin’ i Spencer W. Kimball nahazoana lalana avy tamin’ ny LDS Church Archives