2012
Vaovao mikasika ny Tempoly
Aprily 2012


Vaovao mikasika ny Tempoly

Fanokanana ny Tempolin’i Quetzaltenango, Guatemala

Notokanana tamin’ny Alahady 11 Desambra 2011 ny Tempolin’i Quetzaltenango, Guatemala, tao anatin’ny fivoriana in-telo miditra izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Ireo fivoriana fanokanana ireo dia nampitaina mivantana tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao anatin’ny distrikan’ilay tempoly.

“Tena tsara tarehy ity tempoly ity,” hoy ny Filoha Uchtdorf nandritra ny fampisehoana ara-kolotsaina natao ny Asabotsy, izay nampisehoan’ireo zatovo avy tamin’ireo mpikambana ao amin’io faritra io, dihy sy hira ary nampisehoana an-tsary ny tantara sy ny kolotsaina teo an-toerana. “Mirentirenty toy ny firavaka ny famirapiratan’izy ity ary firavaka izy ity ho an’ity faritry ny firenena ity.”

Ny Tempolin’i Quetzaltenango, Guatemala no tempoly faha-136 maneran-tany ary fahadimy any Amerika Afovoany. Io tempoly io dia hanompo Olomasin’ny Andro Farany eo amin’ny 60.000 eo ho eo.

Nangady ny Fototry ny Tempoly Fahafito any Brésil ny Fiangonana

Tamin’ny 15 Nôvambra 2011 dia niahy ny fotoana fangadiana ny fototry ny Tempolin’i Fortaleza Brésil ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay tempoly fahafiton’ny Fiangonana any Brésil.

“Ity tempoly ity dia ho loharanon’ny fanantenana sy fahazavana ary finoana ho an’ireo rehetra izay tonga sy mandeha eto amin’ity faritra ity,” hoy ny Loholona Bednar. “Ity tanàna ity dia ho tsara kokoa sy hiavaka foana noho ny tempoly izay ho aorina eto.”

Hatsangana ao Avenida Santos Dumont ao Fortaleza, Ceará, Bresil ilay tempoly. Nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Ôktôbra 2009 ny fanorenana ny tempolin’i Fortaleza Brésil.

Ny Tempolin’i Quetzaltenango Guatemala, izay notokanan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tamin’ny 11 Desambra 2011 no tempoly faha-136 ao amin’ny Fiangonana.

MARIBOLAN’NY SARY: