2012
Nahatsapa Aho fa Tokony Handeha
Aprily 2012


Nahatsapa Aho fa Tokony Handeha

Aldo Fabio Moracca, Nevada, États-Unis

Roa taona sy tapany taorian’ny batisako tany Buenos Aires, Argentine, dia toa mbola niverimberina tato an-tsofiko ilay teny nampianarin’ny iray tamin’ireo elder ireo hoe: “Fantatro fa misiônera ianao.” Tsaroako koa ilay valinteny mahery vaika azoko rehefa nivavaka aho mba hahafantatra raha toa ka tena marina ilay zavatra tsapako mafy tato am-poko. Tamin’ny faha-20 taonako dia tokony niomana mba hanao asa fitoriana aho.

Saingy ahoana no ahafahako ho lasa misiônera? Tsy mba toy ireo tovolahy manana toetran’anjely izay nampianatra ahy ny filazantsara aho. Ary ahoana no ahafahako miala amin’ny asako? Aiza no hipetrahako rehefa miverina mody aho? Efa tena sarotra ny nahitana ilay toerana nipetrahako na dia efitrano kely fotsiny aza izany izay tao ambadiky ny tranon’olona iray.

Raha teny an-dalana hody aho indray hariva dia tonga tao an-tsaiko indray ireo fahatsapana sy ahiahy ireo. Rehefa tonga tany an-trano aho dia niezaka nandray fanapahan-kevitra. Nanapa-kevitra ny handohalika sy hanao vavaka aho mba hangataka fanampiana. Rehefa nanao izany aho dia nisy zavatra nanosika ahy mafy mba handehanako hitsidika an’i Leandro, izay namana iray tena loharanon-kery lehibe ho ahy rehefa ao anatin’ny fotoam-pahoriana.

Saingy ilay eritreritra hanaitra azy amin’ny misasak’alina dia nahatonga ahy tsy hanaraka ilay hevitra. Fantatro fa nifoha maraina handeha hiasa izy ary tsy sahy nandondona ny varavarany aho tamin’izany ora izany. Nanao izay tsy hieritreretana izany aho saingy mbola nahatsapa foana fa tokony handeha ho any aminy. Mbola nisafidy ny tsy hiraharaha izany ihany aho.

Dia naleoko nandehandeha nanodidina an’ireo vangongon-trano mba haka rivotra mangatsiatsiaka. Rehefa tsaroako anefa fa tsy nohidiko ny varavarako dia nanomboka niverina tany an-trano aho. Rehefa niditra aho dia nahita an’i Leandro nipetraka tao amin’ilay efitranoko. Nirotsaka tao anatiko ny Fanahy ary tsy avy niaina aho. Tamin’ny alalan’ny feo heniky ny fihetseham-po no nanontaniako azy hoe: “Inona no ataonao ato?”

“Tsy fantatro,” hoy izy. “Nahatsapa fotsiny aho fa tokony handeha aty aminao.”

Nolazaiko taminy ny momba ireo ahiahy nananako momba ny fanaovana asa fitoriana. Nijoro ho vavolombelona tamiko izy ary namporisika ahy. Dia nampiany aho nameno ireo taratasy ilaina amin’ny fanaovana asa fitoriana izay nentiko tany amin’ny evekako ny ampitson’izany. Roa volana taty aoriana dia nandray ny antsoko mba hanompo any amin’ny Misiônan’i Salta Argentine aho.

Fantatro fa fitaovana teo an-tanan’ny Tompo ilay namako tamin’ izay alina izay ary fantatro amin’ny foko rehetra fa ny Ray any an-danitra dia mihaino sy mamaly vavaka izay atao amin-kitsimpo omban’ny tena finiavana.