2012
Angamba Tokony Hivavaka Isika
Aprily 2012


Angamba Tokony Hivavaka Isika

Scott Edgar, Utah, États-Unis

Tamin’ny lohataonan’ny taona 1975, izaho sy ny fianakaviako dia nipetraka teo anivon’ny tany maitso mavan’ny toeram-piompiana sy fambolena iray tany amin’ny faritr’i Rheinland-Pfalz tany Allemagne Andrefana. Rehefa nandeha fiara niala teo am-piangonana mba handeha hody izahay indray Alahady avy orana, dia nijanona nijery fiara iray izay nivadika tao anatin’ilay faritra mandon’ny lalana nanamorona ala iray. Efa maizina tao anatin’ilay ala noho ilay tafo matevina namboarin’ireo hazo sy noho ny fahatongavan’ny alina.

Rehefa avy nijery ilay fiara simba izahay dia niverina nankeny amin’ny fiaranay ary nahita fa tafahitsoka tao anaty fotaka izany. Tsy afaka nihemotra aho saingy afaka nandroso—ao anaty ala. Efa nitondra fiara nanivatsiva ny ala izahay teo aloha ary nahita fa maro ireo lalana ao anaty ala no mifandray ary mitondra any amin’ny lalana mivoaka any ivelany ihany izany amin’ny farany, ka dia nanapa-kevitra ny handroso ao anatin’ilay haizim-pito aho.

Nahatsapa haingana aho fa nandray fanapahan-kevitra diso. Ilay lalana ety sy mando dia feno lava-kodiarana lalina sy feno fotaka izay nitondra lavitra niditra nankao anatin’ilay ala mikitroka. Niezaka ny nihazona ilay hafainganam-pandeha aho noho ny fahatahorana hoe raha mijanona izahay dia ho tafahitsoka. Nahita faritra avo izay aho tena teo anoloanay izay toa mafy tsara ka afaka hahazaka ny lanjan’ny fiara. Ny drafitro dia ny hamoaka ny fiara ao anatin’ny fotaka mba hanomezako ny tenako fotoana hieritreretana. Tafavoaka mafy tany ivelan’ny fotaka ilay fiara.

Novonoiko ny fiara ary nivoaka aho. Tsy nahita na inona na inona aho noho ireo jiro izay maty. Narehitro ireo jiron’ny fiara tany aoriana dia nalaiko ilay fanilonay elektrika, ary rehefa avy nijery ny fiara aho dia nanapa-kevitra fa ny zavatra tsara indrindra tokony hataoko dia ny miverin-dalana ao anatin’ilay ala ary mandeha haingana mivoaka amin’ilay lalana nidiranay.

Nihemotra faran’izay lavitra vita tao anatin’ilay ala aho, dia novelomiko kely ny fiara, niditra tampoka niverina tao anatin’ilay lalana aho ary dia nilentika lalina tao anatin’ny fotaka. Izay izahay vao tena tao anatin’ny olana. Maizina sy nangina tanteraka tany ivelan’ny fiara. Nipetraka tao anatin’ilay fiara izahay mivady niaraka tamin’ireo zanakay izay matin’ny tahotra.

Nanontany izay mba hevitry ny vadiko aho. Fotoana fohy kely taorian’izay dia hoy izy hoe: “Angamba tokony hivavaka isika.” Tonga dia tony ireo ankizy. Nanolotra vavaka feno fanetren-tena nefa koa feno fahakiviana aho mba hahazoana fanampiana. Rehefa nivavaka aho dia nisy eritreritra tonga mazava tsara tato an-tsaiko hoe: “Apetaho ny rojon-kodiarana.”

Nijoro tao anatin’ny fotaka nirefy 25 santimetatra ny halaliny tao anatin’ilay akanjo lavany fanao Alahady ilay vady malalako ka nitazona ilay fanilo elektrika raha teo am-panadiovana ireo kodiarana tamin’ny tanako tsotra fotsiny aho ary nametaka ilay rojo. Nivavaka indray tamim-pinoana sy tamim-pahatokian-tena izahay ary namelona indray ny fiara. Nandeha tsimoramora tao anatin’ilay fotaka izahay ary tafaverina tany amin’ny atilalana ihany tamin’ny farany.

Noho ny fientanentanana fa afaka tao anatin’ilay fotaka sy ny haizina dia saika hadinoko hoe iza no nanampy anay hivoaka an’ilay ala. Nampahatsiahy ahy izany ilay zanakay vavy dimy taona rehefa niteny izy hoe: “Dada a! Tena mamaly ny vavaka tokoa ny Ray any an-danitra sa tsy izany?”