2012
Fanantenana ao amin’ ny Sorompanavotana
Aprily 2012


Mandrapihaonantsika Indray

Fanantenana ao amin’ ny Sorompanavotana

Avy tamin’ ny lahateny iray nandritra ny fivoriam-pitsaohana natao tao amin’ ny Oniversite Brigham Young tamin’ ny 4 Nôvambra 2008. Raha hijery ny lahatsoratra feno amin’ ny teny Anglisy dia mandehana ao amin’ ny speeches.byu.edu.

Sary
Eveka Richard C. Edgley

Tsy tokony hifototra fotsiny amin’ ny fahalalana sy ny fijoroana ho vavolombelona ny fanantenana fa eo amin’ ny fandraisana ny Sorompanavotana ho zavatra tena misy eo amin’ ny fiainantsika.

Efa nihaona tamin’ ny olona izay tena very fanantenana aho. Raha ny tsapan’ izy ireo dia tsy natao ho azy ireo intsony ny fibebahana ary ny famelan-keloka dia tsy ho azony velively. Tsy mahatakatra ny hery manadion’ ny Sorompanavotana ny olona toy izany. Na, raha mahatakatra aza izy ireo, dia tsy nataony ho latsa-paka ao anatiny ny dikan’ ny fijalian’ i Jesoa Kristy tao Getsemane sy teo amin’ ny hazofijaliana. Ho antsika rehetra, ny fanariana ny fanantenana ho an’ ny fanadiovana ny fiainantsika dia toy ny fandavana ny halaliny, sy ny hery ary ny halehiben’ ny fijaliana nentiny teo amin’ ny toerantsika.

Taona vitsy lasa izay dia nanana andraikitra ny hanao tafa sy dinika tamin’ ny lehilahy iray 21 taona aho nandritra ny fihaonamben’ ny tsatòka iray mba hamaritra ny fahamendrehany amin’ ny fanaovana asa fitoriana. Tsy mahazatra intsony ankehitriny ny fanaovan’ ireo manampahefana ambony tafa sy dinika amin’ ireo te-hirotsaka ho misiônera. Noho izany dia zavatra tsy mahazatra loatra izany. Rehefa namaky ireo fampahalalana vitsivitsy mikasika ny antony hanaovako ilay tafa sy dinika aho dia narary hatramin’ ny foko. Nandika lalàna lehibe ity tovolahy ity. Mino aho fa izy mihitsy no namorona ireo fandikan-dalàna sasany. Nanontany tena aho hoe nahoana no izaho no nasaina nihaona tamin’ ny olona nanao zavatra toy izao, ary notsoahiko avy tamin’ izany fa ho hafahafa be ho ahy ny hanolotra hevitra mba hanomezan-dalana azy ho misiônera.

Taorian’ ilay fivoriana Asabotsy harivan’ ny fihaonambe dia nankao amin’ ny biraon’ ny filohan’ ny tsatòka aho mba hanao ilay tafa sy dinika. Teo am-piandrasana aho dia nahita tovolahy tanora tsara endrika sy mahafinaritra nanatona ahy. Tsy hitako izay ialana tsiny aminy satria hitako fa te-hiresaka amiko izy kanefa izaho manana fotoana amin’ ny tovolahy iray hafa izay manana olana betsaka. Avy eo dia nampahafantatra ny tenany izy. Izy kay ilay tovolahy nandrasako teo.

Tao amin’ ilay birao mitokana no nanontaniako azy fanontaniana iray monja: “Inona no antony hanaovako tafa sy dinika anao?”

Notantarainy ahy ny lasany. Rehefa tapitra ny fitantarany dia nanomboka nanazava ireo dingana sy fijaliana nodiaviny izy. Niresaka mikasika ny Sorompanavotana izy—ilay hery tsy manam-petran’ ny Sorompanavotana. Nijoro ho vavolombelona izy ary nilaza ny fitiavany ny Mpamonjy. Dia niteny izy avy eo hoe: “Mino aho fa mahery vaika tokoa ilay fijaliana niaretan’ ny Mpamonjy tao Getsemane sy ny Sorona nataony teo amin’ ny hazofijaliana ka afaka mamonjy na dia lehilahy toa ahy izao aza.”

Tohina tamin’ ny fanetren-tenany sy tamin’ ny Fanahy aho ka niteny hoe: “Handefa toromarika aho mba hahafahanao manompo ho solontenan’ i Jesoa Kristy.” Ary niteny aho avy eo hoe: “Zavatra iray ihany no angatahiko aminao. Tiako ianao mba ho ilay misiônera tsara indrindra eto amin’ ny Fiangonana iray manontolo. Izay ihany.”

Telo na efa-bolana taty aoriana dia nanao lahateny tao amin’ ny foibe iray fanofanana ho misiônera izaho sy Rahavavy Edgley. Teo am-pamaranana ilay fivoriam-pankaherezana ara-panahy izahay dia nahita endrika fantampatatro aho teo am-piresahana tamin’ ireo misiônera.

Hoy izy: “Tadidinao ve aho?”

Somary sadaikatra ihany aho sady niteny hoe: “Iza moa? Fantatro fa tokony ho tadidiko ianao kanefa tena tsy azoko an-tsaina mihitsy.”

Dia hoy izy hoe: “Aleo fa ho lazaiko aminao hoe iza aho. Izaho ilay misiônera tsara indrindra ato amin’ ny foibe fanofanana ho misiônera.” Ary nino azy aho.

Ny fanantenan’ ity tovolahy ity dia tsy nifototra fotsiny tamin’ ny fahalalana sy ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotana fa koa tamin’ ny fandraisana izany fanomezana izany ho tena misy eo amin’ ny fiainany. Takany fa ho an’ ny tenany manokana izany! Fantany ny herin’ ny Sorompanavotana sy ny fanantenana izay entiny rehefa toa very sy tsy misy antenaina intsony ny zava-drehetra.