2012
Manamafy ny mikasika ny Lalana Mitondra Mankany amin’ny Tena Fivoarana Marina ny Fivoriam-piofanana ny Mpitarika Maneran-tany
Aprily 2012


Manamafy ny mikasika ny Lalana Mitondra Mankany amin’ny Tena Fivoarana Marina ny Fivoriam-piofanana ny Mpitarika Maneran-tany

Nampianatra ny dikan’ny hoe “tena fivoarana marina” ary ny fomba hanatanterahana izany ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana nandritra ny Fivoriam-piofanana ny Mpitarika Maneran-tany natao tamin’ny 11 Febroary 2012.

Nandray anjara tamin’ny fampianarana an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary mpikambana maromaro ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Fiadidian’ny Fitopololahy ary ireo fiadidian’ny vondrona fanampiny ao amin’ny Fiangonana.

“Raha ao anatin’ireo voambolana fampiasan’ny Fiangonana, ny hoe fivoarana dia azo faritana hoe ‘mpikambana vaovao. ’ … Ny hoe tena fivoarana marina, anefa, dia faritana ho toy ny ‘fitomboan’ny isan’ny mpikambana mavitrika,’” araka ny fanazavan’ny Filoha Uchtdorf.

Ny Loholona M. Russell Ballard avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanampy hoe: “Miseho ny fivoarana rehefa miteraka ny fitomboan’ny fahatokiana eo amin’ny olona tsirairay sy eo amin’ny fianakaviana ilay fiovam-po an’ny tena manokana sy mandritra ny androm-painana manontolo ao amin’ny filazantsara.”

Izany fitomboan’ny fahatokiana izany, hoy ny Filoha Uchtdorf, dia ahitana zavatra izay tsy mora refesina, toy ny vavaka isan’andro, ny fandalinana ny soratra masina, ny takarivan’ny mpianakavy, ny fifankatiavana ao an-tokantrano, ary ny zavatra iainan’ny tena manokana mikasika ny Sorompanavotana.

“Matetika loatra isika no manasarotra ny hatsaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fahatsorany amin’ny fanaovana lisitra tsy misy fahataperana ahitana zavatra antenaina tena hatrany amin’ny antsipirihany. Kanefa, rehefa mifantoka amin’ny tanjon’ny filazantsara isika dia manjavona ny ankamaroan’ireo fisafotofotoana.”

Ny ankamaroan’ny zavatra nampitaina dia nifantoka tamin’ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danja izay manome ny valin’ireo fanontaniana manomboka amin’ny hoe “nahoana no”.

“Ireo fanontaniana mitombina mikasika ny hoe ‘nahoana’ dia hitondra antsika any amin’ireo fanapahan-kevitra mitombina mikasika ny hoe ‘iza no iantefan’izany?’, ‘atao inona izany?’, ‘rahoviana isika no tokony hanao ireo zavatra ireo?’ ary ‘nahoana isika no manao izany’ sy ‘ahoana no fomba hanaovavntsika izany?’

Ny Fanambadiana sy ny Fianakaviana ao anatin’ilay Drafitra

“Fianakaviana no mandrafitra ny Fiangonana,” hoy ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Ny paroasy sy ny tsatòka dia eo mba hanohana ny fianakaviana. Rehefa miresaka momba ny fianakaviana isika dia mahita ilay Tena Fivoarana Marina ao amin’ny Fiangonana.”

Nilaza izy fa ny lehilahy manambady sy ny raim-pianakaviana rehetra dia tokony ho olona mihazona sy mampiasa ny fisoronana ao amin’ny tokantranony ary miahy ny fianakaviany ao anatin’ny fahamarinana. Torak’izany koa hoy izy, ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia tokony hitarika amim-pahamendrehana—na dia miovaova aza ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana, dia manana fisoronana ampy tsara mitovy amin’izay mandimby manaraka eo ihany ny mpihazona ny fisoronana rehetra (jereo ny F&F 1:20).

Nanantitrantitra ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny mpivady, ny ray sy reny, dia tokony hanorina fifandraisana mifono fitiavana, sy fibebahana, ary fivavahana mba hanamafisana orina sy hiarovana amim-pahombiazana ny fianakaviana, izay “ivon’ny drafitr’ilay Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona sy Ensign, Nôv. 2010, 129).

“In-telo ao anatin’ny soratra masina no nanaovana ilay fampitandremana hoe, hofongorana tanteraka ny tany manontolo raha toa ka misy fepetra sasany tsy tanteraka amin’ny fiverenan’ny Tompo,” hoy izy. “Ao anatin’izany soratra masina tsirairay izany, ilay fampitandremana dia manazava ny toe-javatra hianjady amin’ny fianakavian’ny zanak’olombelona raha tsy misy ireo ôrdônansin’ny famehezana any amin’ny tempoly. Raha tsy misy ireo ôrdônansin’ny fisandratana ireo, dia tsy ho tanteraka ny voninahitr’Andriamanitra.”

Ny fanatrarana izany tanjona farany izany—dia ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana ho an’ny zanak’Andriamanitra rehetra—dia mitaky ny hisehoan’ny tena fivoarana marina any amin’ny tokantrano sy any amin’ireo paroasy sy sampana ary manerana ny Fiangonana.

Fampiharana ny Filazantsara

Ny fivoarana sy ny fiovam-po tena marina dia avy amin’ny fampiharana ny filazantsara eo amin’ny fiainana andavanandro. Tao anatin’ny valan-dresaka iray izay ahitana fametrahana fanontaniana sy fanomezana valiny, dia nanazava ny Loholona L. Tom Perry sy ny Loholona D. Todd Christofferson fa ny tanjona faratampon’ny filazantsara dia ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana any amin’ny tempoly. Nilaza ny Loholona Christofferson fa ny fankatoavana ireo fanekempihavanana ireo dia afaka manova tsikelikely ilay olona araka ny nofo mba ho tonga Olomasina.

Lafiny manan-danja anankiray hafa eo amin’ny fampiharana ny filazantsara ny fanampiana ny hafa. Ireo mpikambana dia tompon’andraikitra amin’ny maha-olona iray azy manokana sy amin’ny maha Fiangonana azy ireo eo amin’ny fanampiana ireo izay sahirana ara-nofo sy ara-panahy, hoy ireo mpitarika.

Tsy tokony hisalasala isika hanambatra ny herintsika amin’ireo antokom-pinoana hafa sy ireo fikambanana mpanao asa fanompoana hafa mba hikarakarana ny mahantra sy ny sahirana, hoy ny Loholona Christofferson. Tokony hitarika ireo ezaka atao ireo ny mpitarika ao amin’ny fisoronana, saingy tokony hanohana izany asa izany koa ireo mpikambana sy ireo misiônera.

Nisy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ny vondron’olona iray izay nanamafy ny fifantohana amin’ny fanompoana ny fianakaviana, ny fampatanjahahana ireo mpihazona ny Fisoronana Melchizedeka, ary ny fanampiana sy fanamafisana orina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelon’ny tanora. Ny Loholona Ballard sy ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nandray anjara tamin’izany, niaraka tamin’ny Loholona Ronald A. Rasband avy ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy; Elaine S. Dalton, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany; ary Rosemary M. Wixom, filohan’ny Kilonga maneran-tany.

Nilaza ny Loholona Rasband fa ny mpitarika rehetra dia mila mandray anjara amin’ny famerenana ny mpikambana mba havitrika indray ary ny Loholona Andersen dia nanamafy fa ny tanora dia mila mandray anjara bebe kokoa amin’ny famerenana ny tanora hafa havitrika indray sy amin’ny fampahatanjahana azy ireo.

Fanatrarana ny Tena Fivoarana Marina

Nanamafy ny Filoha Uchtorf fa ny Tena Fivoarana Marina dia tonga rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika andavanandro isika.

“Rehefa mandinika ireo lohahevitra ireo ianao dia mametraha fanontaniana hoe ‘nahoana’ ianao no manao izany asa fanompoana izany ary inona no tokony hataonareo vokatr’izany eo amin’ireo andraikitrareo amin’ny maha-olona manokana anareo sy amin’ny maha-filankevitra anareo” hoy izy.

Mianara Bebe Kokoa

Ny olona tsirairay dia afaka mijery, mihaino, manao printy ary maka ireo fampianarana avy amin’ilay fampitana an-tsary amin’ny fiteny an-jatony amin’ny alalan’ny fidirana ao amin’ny lds.org/study/other-addresses ary avy eo manindry eo amin’ilay hoe Worldwide Leadership Training.

Nandray fitenenana ny Loholona M. Russell Ballard nandritra ny fifanakalozan-kevitra iray teo amin’ny vondron’olona iray izay ampahan-javatra tao anatin’ny Fivoriam-piofanana ny Mpitarika Maneran-tany tamin’ny Febroary 2012.

© IRI