2012
Hevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy
Aprily 2012


Fanovozan-kevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy

Ity laharana ity dia ahitana lahatsoratra sy zavatra atao azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Ireto manaraka ireto misy ohatra anankiroa.

“Ireo Fitahiana avy amin’ny Seminera,” pejy 20: Avereno vakiana mialoha ilay lahatsoratra ary diniho izay fomba tsara indrindra ampiharana izany hafatra izany amin’ny fianakavianao.Raha toa ka manana zatovo manatrika seminera ianao dia atomboy amin’ny fanontaniana azy ireo hoe nahoana no zava-dehibe ho azy ireo ny seminera. Dia vakio avy eo ilay fizarana hoe “Mahazo ireo Fitahiana Nampanantenaina.” Amporisiho ny ankizy kelikely kokoa mba hiomana hanatrika seminera rehefa ampy ny taonany. Raha toa ianao tsy manana zatovo ao anatin’ny taona tokony hanaovana seminera dia vakio ilay lahatsoratra ary dia ifanakalozy hevitra ny maha-zava-dehibe ny seminera ho an’ny zatovo ankehitriny.

“Mahafantatra an’i Bleck ny Olona Rehetra,” pejy 42: Ataovy hira fanombohana ny “Fais Ton Devoir” (Cantiques, no. 153). Vakio na fintino ilay tantara momba an’i Bleck. Angataho ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara zavatra niainana iray izay tsy maintsy nandraisan’izy ireo fanapahan-kevitra sarotra teo anatrehan’ireo lalana samihafa, ary inona no vokatra naterak’ilay fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo. Farano amin’ny alalan’ny famakiana ilay tenin’ny Filoha Thomas S. Monson izany.

Tsotra sy Tony ary Tsy Hay Hadinoina

Takarivan’ny mpianakavy anankiray tsy hay hadinoina izany izay niarahanay tamin’ny zanakay vavy kely anankiroa, dia i Angélique 6 taona sy i Béthanie 4 taona. Samy nivoretaka teo amin’ny sezanay izahay mivady, vizana no tsy nahalala hoe aiza no hanombohana azy. Noho izany dia nandray andraikitra ireo zanakay vavy ary nanodinkodina ilay taratasy boribory fizarana andraikitra ho an’ny olona tsirairay mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Dia nahazo andraikitra avy izahay tsirairay. Ny andraikitry ny vadiko dia ny mitarika. Hira ny an’i Béthanie. Fiaraha-mientana ny ahy ary mizara lesona ny an’i Angélique.

Nisafidy ny “Oh, J’aime Voir Le Temple” (Chants pour les enfants, 99) i Béthanie ary niaraka nihira izany izahay.Nanao ny vavaka fanokafana i dada. Avy eo dia noraisain’i Angélique ny laharan’ny Liahona nivoaka farany ary nisafidy lahatsoratra iray tao amin’ny fizarana ho an’ny ankizy izy.Mianatra mamaky teny izy any am-pianarana ka dia novakiany taminay ilay lahatsoratra. Ny fahatsapana nanenika ny tokantranonay dia fahatoniana. Nijory ho vavolombelona ny Fanahy fa marina ny zavatra novakiany.

Niaraka nanao kilalao izahay avy teo ary nataoko ny vavaka famaranana. Rehefa nivavaka aho dia tsy haiko ny tsy nisaotra ny Raintsika any an-danitra noho ny Fanahiny sy ny fitiavany ary koa noho ny fandrotsahany tao an-tokantranonay an’ireto fanahy kely ireto. Fantatray sy ny vadiko fa ny andraikitray dia ny mikarakara azy ireo ary mampianatra azy ireo ny filazantsara. Tafiditra ao anatin’izany andraikitra masina izany ny fanaovana takarivan’ny mpianakavy.

Sylvie Poussin, La Réunion