2012
Inona no aorian’ ny Seminera?
Aprily 2012


Inona no aorian’ ny Seminera?

Tsy mifarana eo amin’ ny fandraisana mari-pankasitrahana noho ny fanaovana seminera ny fandalinam-pinoana ataonao. Mbola misy zavatra mahafinaritra miandry anao.

Mandalina ny soratra masina sy tena mihaona tsy tapaka amin’ ny zatovo hafa izay mitovy taona aminao ianao ao amin’ ny seminera. Mahatsapa ho voaray tsara ianao ary afaka mahatsapa ny Fanahy. Ka moa ve vita hatreo ny fiainana zavatra toy izany rehefa tapitra ny seminera? Tsia dia tsia.

Ny fandaharam-pianaran’ ny institiota ao amin’ ny Fiangonana no dingana manaraka ary ho tianao izany. Na handeha hianatra any amin’ ny oniversite ianao na tsia dia afaka manohy mianatra momba ny filazantsara, miomana amin’ ny asa fitoriana sy ny fanambadiana any amin’ ny tempoly ary afaka mizara traikefa amin’ ireo tanora hafa mitovy taona aminao.

Indreto misy valim-panontaniana fototra vitsivitsy mikasika ny instititota. Afaka mahazo fampahalalana bebe kokoa ianao ao amin’ ny institute.lds.org.

Inona no atao hoe institiota?

Ny institiota dia fotoam-pandalinana ny filazantsara, ka tafiditra ao anatin’ izany ireo fotoam-pianarana mikasika ny soratra masina, sy ny fampianaran’ ireo mpaminany ary ny fiomanana hitory ny filazantsara na ho amin’ ny fanambadiana any amin’ ny tempoly. Any amin’ ny institiota sasantsasany dia afaka misafidy amin’ ireo fampianarana maro samihafa ianao.

Iza avy no afaka manatrika?

Ireo tanora tokan-tena rehetra dia amporisihina mafy hanatrika ireo fotoam-pianarana institiota. Ireo rehetra eo anelanelan’ ny 18 ka hatramin’ ny 30 taona—na manambady na mpitovo—dia afaka manatrika.

Aiza no ahitako ny institiota?

Ny faritra sasany dia manana trano fanaovana institiota any akaikin’ ny toeram-pampianarana ambony sy oniversite. Amin’ ny faritra hafa dia ao amin’ ny trano fiangonana na toerana hafa no hanatanterahana ny fotoam-pianarana. Miresaha amin’ ny evekanao na ny filohan’ ny sampana misy anao mba hahafantarana mikasika ny fandaharam-pianarana institiota eo amin’ ny faritra misy anao na mitsidiha ny institute.lds.org mba hahitana ny toerana fanaovana institiota akaiky anao indrindra.

Nahoana aho no tokony hanatrika ireo fotoam-pianarana institiota?

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ataovy lohalaharana ny fandraisana anjara amin’ ny institiota. … Eritrereto izany. Ho azo ny namana, ho tsapa ny Fanahy ary hihamafy orina ny finoana. Mampanantena anao aho fa raha mandray anjara ao amin’ ny institiota ianao ary mandalina amim-paharisihana ny soratra masina, dia hitombo ny hery hanoheranao ny fakam-panahy sy ny hery hahazoanao ny fitarihan’ ny Fanahy Masina amin’ ny zavatra rehetra ataonao (institute.lds.org, Apr. 21, 2009).

Sary nataon’ ny Media Services