2012
Ho Faty Aho!
Aprily 2012


Ho Faty Aho!

Ramona Ross, Tennessee, États-Unis

Raha niasa toy ny mpanampy mpitsabo tao amin’ny sampana misahana ireo marary vao avy nodidiana aho dia naharay antso an-tariby indray andro mikasika ny olona marary iray nantsoina hoe Bill izay vao avy nodidiana. Tokony ho nalefa tany amin’ny sampana misahana ny fitsaboana manokana ny olona marary mafy izy fa nafindra tany amiko satria feno ilay sampana.

Vetivety dia tonga ilay marary niaraka tamin’ny fianakaviany. Nahazo aina aho rehefa nahita fa nahatsiaro saina tsara izy sy nahafantatra ny toerana nisy azy sy ny zavatra nahazo azy ary rehefa jerena dia tsy ianjadian’ny fanaintainana be.

Taorian’ny fizahana ny fitempon’ny fony sy ny tosi-drany ary ny hafanany ary ny fampahafantarana azy sy ny fianakaviany ny momba ny efitranony dia nivoaka tao amin’ny lalantsara aho mba hanoratra eo amin’ny taratasy milaza momba azy. Raha vao nikasika ilay taratasy ny peniko dia naheno feo aho niteny hoe: “Miverena ao amin’ny efitranony.” Natsahatro ny fanoratana ary nitodika tany aoriana aho. Tsy nisy olona tany. Nihevitra aho hoe noeritreretiko tao an-tsaina fotsiny ilay feo, kanjo naheno izany fanindroany aho—fa mafimafy kokoa.

Niverina nihazakazaka tany amin’ny efitranon’i Bill aho ka nahita fa nitombo in-droa ny haben’ny tendany ary tsy afa-niaina tsara izy. Rehefa nieritreritra aho fa noloahana ny lalan-dra teo amin’ny tendany mba hampidirana ra any amin’ny lohany dia notsindriko mivantana tamin’ny tanako havanana teo amin’ny tendany ary nampiasaiko iantsoana an’ilay dokotera izay nanatanteraka ny fandidiana azy ny tanako havia. Nilaza ilay mpandidy fa handefa vondron’olona haka an’i Bill faran’izay haingana. “Ary tsy tokony hanala ny tanako aho!” hoy izy.

Rehefa notohizako ny fanindriana dia nahatsikaritra bokim-piangonana izay fantatro aho teo akaikin’ny fandrianan’i Bill. “Mpikamban’ny Fiangonana ve ianao?” Hoy aho nanontany.

Niezaka nanetsika ny lohany hilazana hoe eny izy ary avy eo nilaza tamiko fa mpanatanteraka ôrdônansy ao amin’ny Tempolin’i Atlanta Georgia izy. Dia nanganohano izy ary nilaza hoe: “Ho faty aho!”

Nilaza taminy aho fa tsy ho faty izany izy ary tamim-pahatokian-tena no nilazako hoe: “Hanambady any amin’ny Tempolin’i Atlanta aho amin’ny volana ambony ary ho ao ianao amin’izany.” Dia tonga ilay vondron’olona ao amin’ny sampan’ny fandidiana ary nitondra an’i Bill.

Noho ny fientanentanako teo amin’ny fandaminana ny fanambadiako tao anatin’ilay volana nanaraka dia saika hadinoko i Bill izay nisy fiovana rehefa nahazo fanafody. Saingy rehefa nitondra ahy tany amin’ny efitrano famehezana ilay vadin’ny filohan’ny tempoly tamin’ny andro nanambadiako dia nahita endrik’olona fantatro aho: Rehefa niteny taminy fa handeha hanambady aho dia lasa nitady an’i Bill izy. Fotoana fohy talohan’ny niantombohan’ny fotoana dia nisokatra ny varavarana ary niditra izy. Taorian’ ireo herinandro maro nizakana ny aretina an-doha sy ny fandoavana ary ny harerahana dia nahatsapa ho tsaratsara i Bill ka nandeha tany amin’ny tempoly tamin’izay andro izay ary tsy fantany akory hoe andron’ny fanambadiako izany.

Roa taona taty aoriana dia voantso ho mpanatanteraka ôrdônansy tao amin’ny Tempolin’i Nashville Tennessee izahay mivady. Rehefa tonga tao amin’ny tempoly mba ho tokanana izahay dia nisy lehilahy andrian-toetra iray nanokatra ny varavarana ho ahy ary niteny hoe: “Tonga soa ato amin’ny Tempolin’i Nashville!” Rahalahy Bill izany.

Niara-nanompo nandritra ny telo taona izahay. Nolazain’i Bill tamin’ny olona rehetra fa namonjy ny ainy aho, saingy fantatro fa ny Tompo no namonjy azy. Tao anatin’izany fotoana izany no nampianarany ahy ny lanjan’ny fihainoana ny bitsika avy amin’ny Fanahy.