2012
Fanomezana ho an’Izao Tontolo Izao ny BibleVideos.LDS.org
Aprily 2012


Fanomezana ho an’Izao Tontolo Izao ny BibleVideos.LDS.org

Nandritra ny fivoriam-pitsaohan’ny Krismasy nataon’ny Fiadidiana Voalohany dia nampahafantarin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny tranokalan’ ny Horonan-tsary mikasika ny Fiainan’i Jesoa Kristy ao amin’ny Baiboly mba ho “fanomezana” ho an’izao tontolo izao.

Ny BibleVideos.lds.org dia fitoeran’ireo horonan-tsary fohy avy any ifotony izay mamaritra ireo zava-niseho teo amin’ny fiainan’i Kristy nanomboka tany amin’ilay anjely nampilaza mialoha ny fahaterahan’i Kristy ka hatrany amin’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty.

Nambaran’ ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izany tranokala izany nandritra ilay fivoriam-pitsaohana.

Hoy izy hoe: “Ireo horonan-tsary fohy ireo dia mety ho toa mangina aminao toy ny soratra masina izay arahan’izy ireo amim-pahatokiana. Ny finoanao sy ny Fanahy masina no hamoaka ny fihetseham-po izay mendrika ho an’ireo zava-niseho nampiova an’izao tontolo izao ireo.”

Ireo zavatra ao anatin’ireo horonan-tsary ireo dia azo avy amin’ny fakana sarimihetsika misesisesy tao amin’ilay trano vaovao fakan-tsarimihetsika antsoina hoe LDS Motion Picture Studio South Campus any Goshen, Utah, ary tao no nanombohana ny famokarana ny horonan-tsarin’ny Tetik’asa Mikasika ny Boky Soratra Masina, Testamenta Vaovao, tamin’ny Aogositra 2011.

Izany tetik’asa izany dia hamokatra horonan-tsary fohy mihoatra ny 100 izay mampiseho ny fiainan’i Kristy izay nalaina mivantana avy tamin’ny dikan-tenin’ny Baiboly nataon’ny Mpanjaka James.

Ilay tranokala dia manana endrika izay sahazan’ireo fitaovana entina tanana ary misy amin’ny teny Anglisy (BibleVideos.lds.org), sy teny Espaniôla (videosdelabiblia.org), ary teny Pôrtogey (videosdabiblia.org). Misy iPad app maimaim-poana koa izay manome fomba vaovao iray hiainana ireo tantara ao amin’ny Baiboly amin’ny alalan’ny sary sy ny feo ary ny fitsapana.

Amin’ny farany dia horonan-tsary eo amin’ny 100 latsaka kely eo izay mampiseho ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao no ho hita ao amin’ny tranokalan’ny Horonan-tsary mikasika ny Fiainan’ i Jesoa Kristy ao amin’ny Baiboly.

MARIBOLAN’NY SARY: ??