2012
Vaovao Manodidina ny Fiangonana
Aprily 2012


Vaovao Manodidina ny Fiangonana

Nisarika Olona An’arivony ny Fampisehoana An-tsehatra Tany Porto Rico

Tamin’ny 18 Desambra 2011 dia nisy mpikambana avy tamin’ireo tsatòka dimy any Porto Rico izay nandray anjara tao anatin’ny fampisehoana an-tsehatra mikasika ny Krismasy tany Paseo de las Artes tao amin’ny tanànan’i Caguas. Mpikamban’ny Fiangonana 85 teo no nandray anjara ary olona miisa 2.500 avy teo amin’ilay faritra no nijery izany.

Fahatelo ho an’i Afrika ilay Ivotoerana Vaovao ho an’ny Tanora Tokan-tena

Tamin’ny 4 Nôvambra 2011 no nanaovan’ny tanora tokan-tena tao amin’ny Tsatòkan’i Soweto Afrika Atsimo ny fiaraha-mientany voalohany tao amin’ilay tranobe vaovao izay ho ampiasaina fotsiny ho toy ny ivotoeran’ny tanora tokan-tena.

Misy ivotoerana 140 mahery manerana an’i Eorôpa ary misy vitsivitsy miely manerana an’i Etazonia. Ivotoerana fahatelo ho an’i Afrika ilay hita ao Soweto. Ireo hafa dia hita any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo sy any Zimbabwe.

Fomba Fiasa Iray Miavaka Izay Nitondra Fanontaniana Maro

Horonan-taratasy iray no niandohan’ny asa iray nataon’ny misiônera izay nantsoina hoe “Fanontaniana ho an’Andriamanitra” tany Nizhniy Novgorod, Russie tamin’ny 9 Ôktôbra 2011.

Tao anatin’ny ora maromaro dia olona mihoatra ny 150 no nijanona teo amin’ny latabatra roa teo amin’ny lalana iray feno olona mivezivezy, ka naka stylo feutre dia nanoratra ny fanontaniany. Raha atambatra dia fanontaniana 84 teo no voasoratra teo amin’ilay horonan-taratasy. Maro ireo olona izay naneho ny faniriana hahazo valiny amin’ireo misiônera teo.