2012
Mianatra Zavatra Bebe Kokoa avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana
Aprily 2012


Mianatra Zavatra Bebe Kokoa avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana

Na dia miteny hoe “amena” aza isika any amin’ny fiafaran’ny fivoriana faran’ny fihaonambe dia tsy voatery hifarana eo ny fivokisana ara-panahy. Afaka mitohy izany rehefa mandalina sy mampihatra ireo fampianarana avy ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana isika. Nandritra ny taona maro dia namporisika antsika mba tsy hanao afa-tsy izany fotsiny ireo mpaminany. Ohatra, tamin’ny 1946, ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) dia namporisika ny mpikambana mba hamela an’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ho toy ny “mpitarika ny zavatra ataony sy teneniny mandritra ny enim-bolana ho avy.” Nanazava izy hoe: “Ireo no zavatra manan-danja izay hitan’ny Tompo fa tokony ho ambara amin’ny olona ao amin’izao andro izao.”1

Tamin’ny 1988, ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) dia namerina nilaza izany torohevitra izany rehefa nampianatra izy hoe: “Mandritra ny enim-bolana ho avy, ny laharan’ny gazetiboky Ensign misy ny fihaonamben’ny Fiangonana dia tokony hapetraka miaraka amin’ireo soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana ary tokony ho jerena matetika.”2

Rehefa namarana ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny volana Ôktôbra 2008 ny Filoha Thomas S. Monson dia nanamafy ny lanjan’ny fandalinana ireo lahatenin’ny fihaonambe. Nilaza izy hoe: “Enga anie isika hahatsiaro mandritra ny fotoana ela ny zavatra henontsika nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana. Ireo hafatra nomena dia hivoaka amin’ny volana ambony ao amin’ny gazetiboky Ensign sy Liahona. Mamporisika anareo aho mba handalina azy ireo sy hisaintsaina ny fampianarana ao anatiny.”3

Rehefa mandalina sy misaintsaina ireo hafatra avy ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ianao dia inona no azonao atao mba hahatonga azy ireo hanan-danja kokoa eo amin’ny fiainanao? Ireto misy torohevitra vitsivitsy mba hanampiana anao hiomana sy handray izany teny manentana ny fanahy izany ary hanao asa mifanaraka amin’izany.

Miomana mba handray fanentanam-panahy. Na mijery ianao na mihaino na mamaky ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia tsy maintsy manokatra ny fonao sy ny sainao mba hahazo fanentanam-panahy avy amin’Andriamanitra. Ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa na dia tsara toy ny inona aza ny fampianaran’ilay mpandahateny, “ny votoatin’ilay hafatra sy ny fijoroana ho vavolombelon’ny Fanahy Masina dia tsy ho tafiditra ao am-po raha tsy rehefa avelan’ilay mpandray hiditra izany.” Nanazava izy fa ny fahazoana fanentanam-panahy dia “mitaky ezaka ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-batana fa tsy fandraisana tsotra fotsiny.”4

Ireto manaraka ireto dia afaka manampy amin’ny fanomanana anao ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy:

  1. Manokana fotoana dia mamorona fialamboly azo atao malalaka tsara eo amin’ny tontolo manodidina izay ahafahanao mahazo bitsika ara-panahy.

  2. Katsaho ny fitarihan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka.

  3. Ataovy lisitra ireo fanontaniana na olan’ny tena manokana izay itadiavanao valiny.

Ataovy izay ahatakarana ireo hafatra. Ireo mpaminany velona dia mampianatra, manazava sy mampitandrina ary mijoro ho vavolombelona. Ny fijerena akaiky ny lahatenin’izy ireo dia hanampy anao hahatakatra feno kokoa ireo hafatra nozarainy. Ireto misy fomba fandalinana mahomby vitsivitsy:

  • Mametraha fanontaniana. Ohatra: Inona no tian’ny Tompo hianarako avy amin’ity hafatra ity? Ahoana no fomba ampivelaran’ity lahateny ity ny fahatakarako ny fitsipiky ny filazantsara iray na ny andinin-tsoratra masina iray? Inona avy ireo tantara ampiasaina mba hanehoana ireo fitsipiky ny filazantsara ary inona no zavatra ianarako avy amin’izy ireo?

  • Soraty ireo hevi-dehibe. Diniho tsara hoe inona avy ireo hevi-dehiben’ilay mpandahateny. Zarazarao ilay lahateny ary manorata famintinana izay manazava ny hevi-dehibe hita ao amin’ny fizarana tsirairay.

  • Mitadiava karazan-javatra samihafa ao anatin’ilay lahateny. Raiso an-tsoratra ny karazan-javatra toy ny fotopampianarana, soratra masina, tantara, fampitandremana, fitanisan-javatra, fijoroana ho vavolombelona, fanasana hanao asa, ary fitahiana ampanantenaina raha mankatò ilay torohevitra.

  • Halalino mihoatra ny indray mandeha ny lahateny. Ilaina ny fandalinana ny fahamarinan’ny filazantsara mihoatra ny indray mandeha mba hahatakarana ny dikany sy ny lanjany feno. Isaky ny mandalina ianao dia raiso an-tsoratra ireo fahalalana vaovao izay voarainao.

Ampiharo ny zavatra nianaranao. Raha toa ka mandalina ombam-bavaka an’ireo lahateny ireo ianao, dia hahita ny fomba iantefan’ireo hafatra ireo eo amin’ny fiainanao. Afaka mahafantatra ny fomba fanaovana fanovana manan-danja ianao amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe: Inona no tian’ny Tompo hataoko amin’izay zavatra nianarako? ary Inona no zavatra nianarako izay hanampy ahy ao amin’ny fianakaviako na ny asako na ny antsoko ao am-piangonana? Soraty ireo zavatra tsapanao mba tsy hanadinoanao azy ireo. Raha manao izany ianao dia ho entanim-panahy hiaina araka ny fampianarana ary hahazo ireo fitahiana nampanantenaina.

Ny fihaonamben’ny Fiangonana dia fotoana iray hanambaran’ny Tompo aminao ny sitrapony amin’ny alalan’ireo mpanompony. Ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) raha ny mikasika ireo lahateny amin’ny Fihaonambe, dia nampianatra hoe: “Ankoatra ireo boky soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana dia tsy misy lahatsoratra na boky tokony hanana toerana miavaka kokoa noho [ireo lahatenin’ny fihaonambe] eo amin’ny talantanan’ny fitoeram-bokinao manokana—tsy hoe noho ny hakanton’ny fomba nanoratana azy na ny fahaiza-mandaha-teny hita ao anatiny, fa noho ireo hevitra izay manoro ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.”5

Fanamarihana

  1. Harold B. Lee, tao amin’ny Conference Report, Apr. 1946, 68.

  2. Ezra Taft Benson, “Come unto Christ, and Be Perfected in Him,” Ensign, Mey 1988, 84.

  3. Thomas S. Monson, “Until We Meet Again,” Liahona, Nôv. 2008, 106.

  4. David A. Bednar, “Seek Learning by Faith,” Liahona, Sept. 2007, 17, 20.

  5. Spencer W. Kimball, In the World but Not of It, Brigham Young University Speeches of the Year (14 Mey 1968), 3.