2012
Ireo Mirtila sy ny Bokin’i Môrmôna
Aprily 2012


Ireo Mirtila sy ny Bokin’i Môrmôna

Suellen S. Weiler, Georgia, États-Unis

Taona vitsy lasa izay dia niala haingana tany amin’ny faritra iray be mponina ny fianakaviako ka nifindra tany amin’ny toerana kely iray ambanivohitra izay tany ivelan’ny tanàna kely milamina iray. Teo akaikin’izany dia nisy toeram-piompiana sy fambolena izay nahitana mirtila ary izahay dia nahazo alalana tamin’ny alalan’ny namana sy ilay tompony mba haka izay mirtila ilainay.

Tao anatin’ny maraina maromaro isan-kerinandro nandritra izany fotoam-pahavaratra izany dia miditra ao anaty fiara izahay rehetra miaraka amin’ny siny kely sy harona ary mandany ora mahafinaritra sy tena tsara mioty ireo mirtila. Indray maraina dia toa nisalasala ny hanaraka anay i Hyrum zanakay faralahy. Tena azony antoka fa efa nalainay daholo ny mirtila rehetra ka dia ho fotoana very maina fotsiny ny fandehanana any indray. Tena taitra izy nahita mirtila faran’izay maro noho ny hatramin’izay. Nisy vondrona mirtila mitandahatra izay tsy tsikariny tany ary ny sasany tamin’ireo mirtila tena be rano dia naniry tamin’ireo sampana izay azony antoka fa efa nandehanany teo aloha.

Tamin’izay fotoana izay dia nangatahan’ireo mpitarika ny zatovo ao amin’ny paroasy ireo zatovo tao aminay mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna alohan’ny hiantombohan’ny fidirana mianatra any an-tsekoly tamin’izay volana Aogositra izay. Nentin’ny zanakay tany an-trano izany fangatahana izany ary dia nanolo-tena hiaraka amin’izy ireo hanao izany koa ny fianakavianay.

Raha vao vita ny famakianay ny Bokin’i Môrmôna dia tonga ny Ensign volana Aogositra 2005 izay nahitana ny fangatahan’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ny hamakiana ny Bokin’i Môrmôna alohan’ny faran’ny taona. Tena faly i Hyrum sy i Joseph rahalahiny—noho ny fieritreretana fa efa nankato ny mpaminany izahay! Dia nampahatsiahivin’i Seth sy Bethany izay zokiny iray tampo aminy izy ireo fa nangataka azy ireo ny Filoha Hinckley mba hamaky izany indray na impiry na impiry aza no efa nanaovanay izany.

“Fa maninona?” hoy ireo ankizilahy nanontany. “Efa novakianay daholo ny teny rehetra tao, ka zavatra hafa inona indray no tokony hianarana ankoatr’izay efa novakianay?”

Taorian’ny fotoam-pahanginana kely dia nisy olona niteny momba ireo mirtila. “Tsarovy ilay tamin’ny nieritreretantsika fa efa nalaintsika daholo ny mirtila rehetra? Saingy rehefa niverina tany isika dia mbola nisy mirtila bebe kokoa tany—nisy foana! Na dia efa imbetsaka aza isika no nandeha tany ary na dia vao haingana aza dia nisy mirtila foana teo amin’ireo hazo.”

Tsapanay haingana ny fifandraisan’izany. Toy ilay toeram-piompiana sy fambolena izay manana mirtila tena matsiro be dia be dia loharano tsy tapaky ny fivokisana ara-panahy koa ny Bokin’i Môrmôna ary manana fahamarinana vaovao tokony hotadiavina. Dia nanomboka namaky indray ny Bokin’i Môrmôna izahay.

Rehefa nanaiky nanao ilay fangatahan’ny mpaminany aho dia namaky zavatra tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay efa novakiana imbetsaka teo aloha, saingy hitako tamin’ny fomba hafa izy ireo na takatro ny ifandraisany amin’ny toe-javatra sy olana vaovao iainana. Fantatro fa isaky ny mamaky amin-kitsimpo ny Bokin’i Môrmôna isika dia afaka mahazo fampahalalana vaovao sy manakaiky kokoa ny Mpamonjy.