2012
Mbola Hahita Azy Indray Aho
Aprily 2012


Ho an’ny Tanora

Mbola Hahita Azy Indray Aho

Nanao izay hahatsapanay zanaka tsirairay hoe, miavaka, i Dada. Tia anay Izy ary mora mamela ny fahadisoanay. Nanao izay tsara indrindra vitany izy mba hahazoana antoka fa faly izahay tsirairay ary nataony nazava fa maniry ny tsara indrindra hiseho eo aminay izy. Tena tiako be izy.

Fony aho tany amin’ny kilasy fahaenina dia maty tao anatin’ny lozam-piarakodia ny raiko. Nalahelo fatratra ny fianakaviako. Nisy banga be teo amin’ny fianakavianay. I Dada no olona nianteherako sy nanatonako rehefa nanana olana aho. Raha tokony nitady fanampiana aho taorian’ny fahafatesany dia navelako nitoetra tao amiko ny hatezerena sy ny alahelo. Nanapa-kevitra aho tamin’ny farany fa hadisoan’Andriamanitra izany. Nijanona tsy namaky ny soratra masina aho ary tsy nivavaka intsony. Nandeha niangona aho satria te-handeha i Neny. Niezaka ny nanalavitra ny Raiko any an-danitra aho.

Dia mba nandeha vao voalohany tany amin’ny lasin’ny Zatovovavy aho. Tiako ny nahita namana vaovao, saingy mbola tsy namaky ny soratra masina aho. Ny alina farany dia nanao fivoriana fijoroana ho vavolombelona izahay. Nahatsapa zavatra iray izay tsy nananako nandritra ny fotoana ela aho: ny Fanahy. Nahafinaritra ahy ireo zatovovavy izay nitsangana sy nizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona, saingy tsy nihetsika aho fa nipetraka satria nieritreritra fa tsy manana izany. Tampoka teo dia nahatsapa toy ny hoe tsy maintsy mitsangana aho. Nosokafako ny vavako ary nanontany tena aho hoe inona no tokony holazaina. Dia nilaza aho fa nahafaly ahy ny lasin’ny Zatovovavy. Dia avy eo aho nilaza fa fantatro fa maty ho ahy i Jesoa ary ny Raiko any an-danitra dia tia ahy ary marina ny Fiangonana.

Nahatsapa fiadanana miavaka aho. Noho izany zavatra niainako izany dia afaka milaza aho fa fantatro fa mbola hahita ny raiko indray aho noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary ny Fitsanganana amin’ny maty.